Arzantina: Mandefa Sary Avy Amin'ny Twitter Ny #London2012 Ireo Atleta

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momna ny  Lalao Olaimpika 2012 anu Londona.  

Andro vitsy monja nialohan'ny fanombohan'ny Lalao Olaimpika any Londona, nizara ny sari'izy ireo teo am-pahatongavana ireo atleta arzantina tamin'ny alàlan'ny Twitter sy  Facebook.

Luciana Aymar, mpilalao “hockey” avy any Arzantina ary tompon-daka amin'izao fotoana ho an'ity firenena ity, dia im-pito voafidy ho ny vehivavy mpilalao hockey mendrika indrindra eran-tany. Ao amin'ny Twitter, Aymar (@aymarlucha) mizara [es] sary iray misy ny tarika teo am-pahatongavana tao amin'ny Tanàna Olaimpika:

Ireo Liona Vavy, tarika mpilalao hockey. Sary nakari'ilay mpampiasa Twitter, @aymarlucha

Juan Martin del Potro, Arzantina mpilalao tennis ary laharana fahasivy ao anatin'ny  ATP World Tour, dia nampakatra sary iray tao amin'ny pejiny Facebook izay nalaina mba hatao ao amin'ny bokin'ireo Atleta mpandray anjara amin'ny Lalao Olaimpika.

Sary nakarin'i  Juan Martín del Potro tao amin'ny pejiny Facebook ofisialy.

Mandritra izany, ny Filoha'ny Kaomity Olaimpika Arzantina, Gerado Werthein (@gerardowerthein), dia nampakatra sary iray [es] tao amin'ny twitter ahitana ireo mpikambana ao amin'ny tarika Arzantina:

Ireo iray tarika ao amin'ny ekipa mpaka sary Arzantina ao amin'ny Tanana Olaimpika ao Londona. Sary nakarin'ilay mpampiasa Twitter, @gerardowerthein

Mbola ao amin'ny Twitter ihany, ilay mpanao dihy mirindra Arzantina Federico Molinari (@FDMolinari), dia nizara [es] sary iray ahitàna ireo efitrano ao amin'ny Tanàna Olaimpika:

Ny efitrano fakàna aina amin'ireo efitrano ao amin'ilay Tanàna Olaimpika ao Londona. Sary nakarin'ilay mpampiasa Twitter, @FDMolinari

Saingy ahoana ny momba ireo atlerta Arzantina tsy mba afaka nankany Londona? Toy ny an'i Juan Ignacio Chela (@JuanIChela), izay nanoratra ity manaraka ity tao amin'ny kaontiny  Twitter :

@JuanIChela: Ya que no pude ir a Londres como tenista voy a preguntar si alguno me quiere llevar como su jabalina.

@JuanIChela [es]: Satria tsy afaka ny ho any Londona amin'ny maha-mpilalao tennis ahy  aho, ndeha hanontany olona aho sao mba misy afaka mandray ahy ho toy ny lefon-dry zareo.

Tsy  afaka nankany Londona ireo Arzantina mpilalao baolina kitra, izay na dia nahazo medaly volamena tamin'ny lalao tany Athenes tamin'ny 2004 sy Shanghai 2008 aza, dia tsy tafita kosa tamin'ny fifanintsanana ho amin'ny Lalao Londona 2012. Ny tranonkala Lalao Olaimpika 2012 [es] dia manazava hoe :

Estos recuerdos van quedando lejos con un presente no competitivo, en la que la selección Argentina quedó fuera de las olimpíadas. Lamentablemente para los argentinos que son tan fanáticos del fútbol y lamentarán el hecho de no participar en Londres 2012.

Las consecuencias de los conflictos políticos y económicos que envuelven al fútbol desde hace años tuvo como consecuencia el mal desempeño de la selección argentina, que dirigida por Walter Perazzo compitió por el Preolímpico sudamericano en Perú. Resultado: Argentina no logró clasificarse para Londres 2012.

Maivana ireny fahatsiarovana ireny miohatra amin'ny tsy fahafaha-miatrika fifaninanana nasehon'ny ekipam-pirenena Arzantina nahatonga azy tsy ho tafiditra tamin'ny Lalao Olaimpika. Mampalahelo izany ho an'ireo Arzantina marobe mpankafy lalao baolina kitra, hampitomany azy ireo ny tsy fandraisana anjara amin'ny  Londona 2012 [es].

Ny fiantraikan'ny fifanolanana politika sy toerakarena nahavoarohirohy ny lalao baolina kitra nandritra ny taona maro dia nitondra fitontonganan'ny fahaiza-manao ho an'ny Ekipa Arzantina, izay notarihan'i Water Perazzo, nifaninana tamin'ny fifanintsanana natao tany Pero hijerena izay ho any amin'ny Lalao Olaimpika. Ny vokatra : Arzantina [es] tsy tafita ho amin'ny Londona 2012 [es]

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momna ny  Lalao Olaimpika 2012 anu Londona

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.