- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Mafàna Fo Niverina Hiampanga Ny Vale, Orinasa Breziliana Mpitrandraka Arintany

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Mozambika, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

Tanatin'ireo olona 45.000 [1] [pt] mahery nandray anjara tamin'ny Rio+20 [2], Mozambikana iray no nifantohan'ny saina taorian'ny nandroahana azy avy any Brezila. Jeremias Vunjanhe dia nosakanana tsy hahazo hiditra ny firenena raha saika hnadray anjara amin'ny maha-mpanaramaso ny Kaonferansan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrsoana Maharitra natao tao Rio de Janeiro ny 19 hatramin'ny 22 Jona 2012.

Tao amin'ny Twitter, nofintinin'i Bettina Riffel [3] [pt] tamin'ny teny vitsivitsy ny zavatra noeritreretin'i Jeremias hatao tao amin'ilay Kaonferansa – Hoy izy:

Jeremias Vunjanhe pretender expor a atuação da Vale em Téte (Moçambiq), onde explora uma das maiores minas de carvão a céu aberto do mundo.

Jeremias Vunjanhe dia naniry hamelabelatra ny hetsiky ny Vale any Téte (Mozambika), toerana izay itrandrahan-dry zareo ny aritany amin'ny toby lehibe indrindra mitafo lanitra eto amin'izao tontolo izao. [Fanamarihna: Vale [4] no faharoa amin'ireo orinasa  mpitrandraka arintany lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao ary tratry ny fanakianana mivaivay noho ny zavabitany amin'ny resaka tontolo iainana sy zon'olombelona]
Jeremias Vunjanhe. Photo from his Facebook profile.

Jeremias Vunjanhe. Sary avy amin'ny mombamomba azy ao amin'ny pejiny Facebook.

Mpanao gazety i Jeremias sady mpanolotsaina ihany koa ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony, sady mpikambana ao amin'ny ONG Justiça Ambiental – Amigos da Terra Moçambique (Rariny ara-tontolo iainana – Sakaizan'ny Tany Mozambika).

Ao anatin’ ity lahatsary ity [5] [pt], noraketin'ny Naman'ny Tany tamin'ny 2010, ary ao anatin’ity tafatafa ity [6] [pt], tamin'ny taona 2011, nokarakarain'ny Instituto Humanitas Unisinos (Ivontoerana Humanitas an'ny Anjerimanontolon'ny Vale do Rio dos Sinos), ambarany ny fantraika mivantan'ny fitrandrahana arintany amin'ireo fanakaviana an-tapitrisa sy ny faharavana ara-tontolo iainana aterany:

O projeto da Vale Moçambique consiste na pesquisa, prospecção e exploração mineira na bacia carbonífera de Moatize, uma das maiores reservas de carvão mineral não exploradas do mundo e de elevadíssima qualidade. (…) Há desrespeito dos mais elementares direitos humanos e liberdades básicas consagradas na Constituição da República de Moçambique e demais legislação em vigor.(…) Também há violação dos direitos à informação, à habitação adequada, ao trabalho e ao digno padrão de vida, às práticas e modos de vida tradicionais comunitários, bem como o acesso e preservação de patrimônios culturais materiais e imateriais.

Ny tetikasa Vale ao Mozambika dia mifototra amin'ny fikarohana, ny fitiliana ary ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany ao amin'ny tany be arintany ao Moatize, iray amin'ireo toerana eto ambonin'ny tany misy tahirin'arintany goavana tsy mbola voatrandraka, ary arintany faran'izay tsara karazana. (…) Misy ny fanitsakitsahana ny zo fototra maha-olona ary ny fahalalahana fototra izay nofaritan'ny lalam-panorenan'ny Repoblikan'i Mozambika sy ny lalàna hafa mbola manankery. (…) Misy ihany koa ny fanitsakitsahana ny zo hahazo vaovao, hànana toera-ponenana sahaza, hiasa sy hanana fari.piainana mendrika, fomban-drazan'ny vondrom-piarahamonina sy fomba fiaina, hatramin'ny fahafahana mampiasa sy mitahiry ireo lova ara-kolontsaina hita maso na tsia.

Ao amin'ny pejiny Facebook profile [7][pt], Jeremias izy tenany dia nanamafy ilay fandroahana :

De facto fui deportado do aeroporto Internacional de São Paulo no passado dia 12 de Junho corrente quando eram as 1 horas e 30 minutos. Não me foi dada nenhuma explicação plausível e consistente sobre a decisão do Departamento da Policia.

Tena mba marina fa noroahana avy any amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen'i São Paolo aho tamin'ny 12 Jona tamin'ny 1 ora sy sasany maraina. Ny Departemantan'nyPolisy tsy nanome ahy fnazavana mitombina sy mazava momba ilay fanapahan-kevitra.

Ny Kaomity Popular da Copa (Kaomitim-Bahoka ho an'ny Fifaninanana Baolina Kitra), izay nampivondrona ireo fikambanana sy vondrom-piarahamonina sivily   voakasik'ireo tetikasa any amin'ny tanan-tsamihafa any izay hampiantrano ny FIFA World Cup amin'ny 2014, dia nanontany [8] [pt] ta amin'ny kaontin-dry zare Twitter hoe:

@comitepopoa [9] Por que Jeremias Vunjanhe entrou na lista do SINPI? Quais são os critérios para inclusão? Outros ativistas estão na lista?

@comitepopoa [9] [pt] Nahana i  Jeremias Vunjanhe no tafiditra ao anatin'ny lisitra SINPI (Banky Angom-pirenena Misy Ireo Olona Tsy Irina sy Voaràra) ? Inona avy ireo fepetra azo anilihana? Misy mafàna fo hafa ve ao anatin'ilay lisitra?

Paulo Pavesi dia naneho hevitra momba ilay olana [10] [pt] ao amin'ny lahatsoratra “Jeremias Vunjanhe sy ny Demaokrasia”. Nanoratra izy hoe :

O governo brasileiro tem praticado a democracia de uma forma bastante interessante. Expulsando, demonizando, impedindo, calando aqueles que são contrários às medidas políticas ou que expõem o governo de alguma forma.

Nampihatra ny demaokrasia tamin'ny fomba somary nahavariana ny governemanta Breziliana. Fandroahana, fanaratsiana, fanohintohinana, fampanginana ireo izay manohitra ny fepetra ara-politika na ireo manohintohina ny governemanta amin'ny endriny rehetra.

Na ny Polisy Federaly na ny Banky Angom-pirenena Misy Ireo Olona Tsy Irina sy Voaràra samy tsy nisy nitondra fanamarinana ilay hetsika. Kanefa, taorian'ny fanetsehana maherin'ny 100 [11] [pt] tamin'ireo hetsika sy fikambanana eo amin'ny firnena na iraisam-pirenena, niverina ho any Brezila ilay mpanao gazety tamin'ny 18 Jona, enina andro taorian'ny nadroahana azy.

Ny Coletivo Catarse [12] (Fiaraha-mientana Catarse ) [pt] dia nandrakitra an-dahatsary ny fahatongavan'i Jeremias Vunjanhe tao Brezila. Ao anatin'ilay lahatsary [pt], Jeremias dia mitafatafa sy mitatitra izay reny mikasika ny Vale, ny fiantraikany amin'ireo fianakaviana Mozambikana ary ny tsy fanatanterahan'ilay orinasa ny fampanantenany:

Farany dia tonga ao Rio de Janeiro ihany, afaka nandray anjara tamin'ireo hetsika rehetra nomanina i Jeremias, toy ny Diabe fanoherana ireo orinasa maro rantsana, na ny Anticorporation March, izay niteraka ny fandefasana ny Tatitra ny Tsy Maha-maharitra ny Vale, sy ny Fihaonambe Fahatelon'ireo Voadonan'ny Vale.

Ho fanampin'ny ONG Justiça Ambiental, fikambanana hafa maro no niampanga ny asa ataon'ny Vale nandritra ilay Vovonana [13] [pt], tay ny : Articulação Internacional dos Atingidos pela Vale (Fiombonambe Iraisam-pirnen'ireo Voadonan'ny  Vale), Via Campesina, Marcha Mundial das Mulheres (Diabe Erantanin'ny Vehivavy), Comissão Pastoral da Terra (Komisionan'ny Fanajarana ny Tany), ny sendika United Steelworkers (USW), ny hetsika Movimento Xingu Vivo para Sempre ( hetsika iray hanoherana ny tetikasa tohodrano ao Belo Monte ) ary ny hetsika Movimento dos Atingidos por Barragens (Hetsik'ireo Voadonan'ny Tohodrano).

Tanatinà tafatafa iray natao ho an'ny Ivontoerana Humanitas Unisinos taorian'ny Rio+20, ilay mpanao gazety dia nitsara ny tolkevitra faranynivoaka avy amin'ilay hetsika ho “hevi-dravina loatra [14]” [pt].

Rehefa tafaverina tany Mozambika, Jeremias dia nizara fisaorana iray [15] [pt] tao amin'ny  Facebook ho an'ireo rehetra nanampy nandritra ireny herinandro “nisian'ny fisafotofotoana maro tsy nampino, fientaam-po sy fiakatrakaran'ny tosi-drà “. Ny andron'ny 16 Jolay, nampangainy [16] [pt] ny fiandraisana eo amin'ny filohan'i Vale teo aloha sy ny Filoha'i Mozambika, Armando Guebuza:

Roger Agnelli, antido presidente da Vale entre 2001 e 2011 acaba de confirmar aquilo alguns de nos ja sabiamos. Ele faz parte do Conselho do Presidente de Mocambique Armando Emilio Guebuza. Na verdadeRoger Agnelli tornou-se um super lobbista da Vale e do Governo brasileiro e depois de ter vencido a ofenciva capitalista em Mocambique com o Projecto de Mineracao de Moatize foi escolhido pelo tambem loobista Armando Guebuza para ser um dos seus conselheiros. Como dizia uma companheira ha pouco ele participa de todas as decisões estratégicas do país quanto a mineração e possivelmente a energia e produção agrícola…

Roger Agnelli, filoha teo aloha tao  Vale teo anelanelan'ny 2001 sy 2011, dia nanamafy tsotra izao izay efa fantatry ny maro amintsika rahateo. Izy dia mpikambana iray Mpanolotsaina ny Filohan'ny Mozambika, Armando Emilio Guebuza. Raha ny marina, i Roger Agnelli dia nanjary mpanozongozond-oha goavana ho an'i Vale sy ny governemanta Breziliana, ary rehefa nandresy tamin'ny totoafo kapitalista tao Mozambika niaraka tamin'ny Tetikasa Fitrandrahana harena ankibon'ny tany Moatize, dia nofidian'i Armando Guebuza, izay mpanozongozon-doha ihany koa, ho iray amin'ireo mpanolotsaina azy. Araka ny nambaran'ny namana iray, tsy ela akory izay, nandray anjara tamin'ireo tetikadim-pirenena rehetra nandraisana fanapahan-kevitra momba ny fitradrahana harea ankibon'ny tany izy ary angamba azo sainina ho hatrany amin'ny reska angovo sy famokarana ara-pambolena…

Vale, izay hita any aminà firenena  38 any amin'ireo firenena “Americas”, Afrika sy Azia, dia voafidy ho ny orinasa tsy manjart indrindra eto ambonin'ny tany tamin'ny alàlan'ny fifidianana nandaisan'ny daholobe anjara, tao anatin'ny antsoina hoe Public Eye Awards tany am-piandohan'ny taona 2012 [17].