- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanjakan'i Baroa ve i Tonizia?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika

Mafana tanteraka ny adihevitra nanomboka tamin'ny 19 Jolay raha nosokajian’ [1] i Mahmoud Baroudi, mpikambana ao amin'ny Antenimieram-panorenana (NAC) ho “Filohan'ny Repoblikan’ akondro [Fanjakan'i Baroa] ny filoha vonjimaika Moncef Marzouki. Niteraka savorovoro tanteraka tao anatin'ny Antenimiera izany fanambarana izany. Nangataka tamin'i Baroudi ireo depiote mpikambana ao amin'ny antoko telon'ny firaisan'ny governemanta mba  hitsipaka ny fanambarany. Nandà anefa izy. “Rehefa manana filohan'ny Repoblika ianareo, amin'izay isika vao afaka miresaka. Tsy tsipahiko ny teniko Andriamatoa filoha [milaza ny filohan'ny NCA ]. Ao anatin'ny Repoblikan'akondro [fanjakan'i Baroa] isika, ary ianareo depiote rehetra no solontenan'izany Fanjakan'i Baroa izany,” hoy i Baroudi namaly ireo depiote nahatsiaro afa-baraka.

Nampiasain'i Baroudi ny teny hoe “Fanjakan'i Baroa” mba  hanakianana ny fanapaha-kevitry ny filoha izay nahabe-adihevitra amin'ny fanesorana ny Governoran'ny Banky Foibe [2]. Nitsikera mafy ny antonta-taratasy momba ny fanendrena Governora vaovaon'ny Banky Foibe izy. Tamin'ny 11 Jolay no nanaovana izany antonta-taratasy izany -herinandro alohan'ny fankatoavan'ny NAC ny  fanapaha-kevitra hanesorana ny governora teo aloha.

Faritan'ny Rakibolana Anglisy Oxford ho toy ny  fanjakana kely tsy mari-potitra ara-politika noho ny fanjakazakan'ny toekarena tokana na fanaovana ampihimamba ny fanondranana izay fehezin'ny renivola vahiny ny teny hoe “Fanjakan'i Baroa”  Ampiasaina matetika amin'ny siansa politika ilay “fomba fiteny hafahafa” mba hanoharana ny firenena iray tsy mari-potitra ara-politika, indrindra ao Amerika Afovoany, izay miankina betsaka amin'ny fanondranana toy ny fanondranana akondro.

Tonizia: “Fanjakan'i Baroa Mpanao didy Jadona?”

Nampian'ny  Bilaogin'i Boukornine [3] mpamaritra anarana hoe “Mpanao didy jadona” ilay teny “Fanjakan'i Baroa” mba hamaritana ny “Tonizia vaovao.” Nanazava [4] ny safidiny ny mpanoratra:

“République bananière” parce qu'aucune institution n'est respectée et qu'il n'y a aucune hiérarchisation des décisions et aucun respect de la légalité même des plus hautes sphères du pouvoir.

“Fasciste” envers les TUNISIENS non-musulmans, envers les TUNISIENS athées, les TUNISIENS juifs, chrétiens, agnostiques, déistes, diabétiques, insuffisants rénaux… envers ceux qui ne veulent tout simplement pas jeûner et qui ont tout à fait le droit de se rendre librement dans un café pendant le ramadan ! (…)

“Fanjakan'i Baroa” satria tsy misy andrim-panjakana voahaja, tsy misy antana-tohatra amin'ny fanapaha-kevitra, ary miseho lany ihany koa ny tsy fanajana lalàna, indrindra ao amin'ny fitondrana fara-tampony.”Didy jadona” manohitra ny Toniziana tsy-Miosolmana, Toniziana tsy mpivavaka, Jiosy, Krisitianina, Agnostika, mpino an'Andriamanitra, Toniziana diabetika, sy ireo mijaly ny aretin'ny voa…”Didy jadona” manohitra tsotra izao ireo izay tsy te-hifady hanina, ka manan-jo sy safidy handeha eny amin'ny toera-pisotroana kafé mandritra ny ramadana! (…)
“Fasista amin'ny Toniziana tsy miozolomana, Toniziana tsy mpino, Toniziana Jiosy, kristiana, tsy miraharaha azva-miafina, mino ny fisian'Andriamanitra fotsiny, diabetika, marary voa… amin'ireo tsy te-hifady hanina fotsiny ary manan-jò hiditra fisotroana kafe mandritra ny ramadan!(…)  

Firenena Oliva mankany amin'ny “Fanjakan'i Baroa”:

Tonizia, firenena mpamokatra sy mpanondrana oliva be indrindra no nanjary “Fanjakan'i Baroa”, hoy i Ali Gannoun nanoratra tao amin'ny gazety Tunis Tribune [5]:

Le pays de l'olivier est tout simplement devenu une république bananière ou des singes règnent en maitres et des citoyens qui subissent à longueur de journées les turpitudes d'une bande de malfrats et d'imbéciles…Pauvre Tunisie!

Najary Fanjakan'i Baroa tsotra izao fotsiny ny firenena manankarena oliva, izay ny rajako no manjaka toy ny tompo, ka mijaly ny haratsian-toetran'ireo jiolahim-boto sy jiolahy mpanao ratsy ary ireo adala ny olom-pirenena …Tonizia mampalahelo!

 

 Logon'ny hetsika Ennahdha natao dika “Photoshop” 
Loharano: .tunistribune

Namoaka dika photoshop [6] momba ny fangon'ny Hetsika Ennahdha ihany koa ny Tunis Tribune. Ennahdha no lehiben'ny antoko telo mandrafitra ny governemanta ankehitriny ao Tonizia, ary voafehiny avokoa ny seza maherin'ny 40 isan-jato ao amin'ny antenimiera NAC.
Tao amin'ity dika natao photoshop ity,  nosoloina ankondro ny voromailala, ary akondro efatra hafa koa no tazana manodidina ny kintana eo amin'ny sainam-pirenena an'i Tonizia. Nosoloina ho Hetsika Nakba ny Hetsika Ennhdha (midika hoe Fahaterahana indray ny Ennahdha),  (midika hoe Loza kosa ny Nakba, izay ampiasaina matetika hanoharana ny Andron'ny Nakba tamin'ny taona 1948, nandritra ny fandroahana ireo Palestiniana an'arivony tao amin'ny fireneny) ny Hetsika Ennhdha (midika hoe Fahaterahana indray ny Ennahdha) . “Fahafahana, fahamarinana, fandrosoana no “teny filamatry” ny antoko izya nosoloina hoe “Akondro, ankondro, ankondro. Tsy misy afa-tsy ankondro.”

Hira Fanevan'ny “Fanjakan'i Baroa”:

Tao amin'ny YouTube, nizara ny hira fanevan'ny Fanjakan'i Baroa ireo mpiserasera: