- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Voampanga Any Avaratr'i Kivu i Rwanda

Sokajy: Afrika Mainty, R.D. Kongo, Rwanda, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Hatramin'ny volana Aprly, ny M23, ivondronan'ireo mpiady tranainy tao amin'ny mpihoko tutsi Kongoley avy amin'ny  Congrès national pour la défense du peuple (ny CNDP dia andian'olona mitam-piadiana mpihoko tamin'izany fotoana) dia manakorontana ny faritany Avaratr'i Kivu [1] any Atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Voafaritra ao anatin'ny fifanarahana hisian'ny fandriampahalenana niaraka tamin'i Kinshasa, voasonia tamin'ny 2009, ny hetsika M23 dia nandray ireo mpikambana tao amin'ny tafika kongoley (FARDC) hanatevin-daharana azy. Ho tohin'io fifanarahana io ihany, Bosco Ntaganda dia nakarina ho jeneralin'ny tafika ao anatin'ny FARDC ary ny CNDP dia nivadika ho antoko politika. Raha nitazona toerana fandraisana fanapahan-kevitra izy ireny tao amin'ny FARDC hatramin'ny nanaovana sonia ilay fifanarahana, ny ankamaroan'ireny miaramila ireny dia niala an-daharana tao amin'ny tafi-panjakana kongoley tamin'ny volana Martsa. Ankoatry ny zavatra hafa dia takian'ireny miaramila ireny ny hanajàna ny fifanarahana tamin'ny 2009 izay, araka ny hevitr'izy ireo, dia tsy hajain'ny governemanta kongoley.  Mihevitra ny sasany fa tsy noho ny tsy fanajàna ireny fifanarahana ireny ihany no anton'ireny fitsoahana an-daharana ireny fa misy ihany koa finiavana hizarazara ny firenena. Mitohy miteraka fahafatesan'olona marobe [2] sy fifindra-monina faoben'ny vahoka ny hetsika M23.

[3]

Sarin'ireo mpihoko avy aminì'ny M23, sehatra ho an'ny daholobe, avy amin'ny  blatantworld.com tao amin'ny FlickR

Ireo fitakian'ny M23 :
Araka izany ny mpitondra tenin'ny M23, ny lieutenant-colonel Vianney Kazarama milaza hoe [4] :

Takianay ny governemantan'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo mba hanao ezaka hamongotra ireo tafika tsy manjary any Asinanana, indrindra fa ny FDLR (Forces démocratiques de libération du Rwanda, mpihoko ivondronan'ny “hutu”  rwandais, fnf) Takianay ny fiverenan'ireo Kongoley nitsoa-ponenana, miaina ivelan'ny firenena, an-tsesitany ; ny fanekena ny laharana ara-dalana ho an'ireo manamboninahitra rehetra avy amin'ireo vondrona mitam-piadina sy ireo an'ny CNDP manokana, ny fampidirana ho anaty fiarahamonina politika ireo mpikambana avy amin'ny CNDP ho ao anatin'ny goverenemanta foibe»

Vokany goavana amin'ny valalabemandry
Ny fiandohan'ity fihokoana ity dia niteraka ady vaovao tany Avaratr'i Kivu, izay niteraka faty olona marobe sy fifindra-monina faoben'ny vahaka.
Tato anatin'ny herinandro maromaro, niala tamin'ny 1000 ary tonga 2000 ny mpiady ao amin'ny M23 ary naka ny tanàna maro any Avaratr'i Kivu. Io fiakaran'ny herisetra io indray dia niteraka fifindran-toerana ho an'olona 200.000 sy mpialokaloka 30.000 any Rwanda sy Oganda.

Ny anjara toerana maha-be resaka tànan'i Rwanda

Manampahaizana manokana maromaro avy any amin'ny faritra no mihevitra fa ny governemanta roandey dia mety voarohirohy amin'ny fanohanana ny M23 izay manakorontana ny faritanin'ny avaratr'i Kivu.
Tatitra samihafa avy amin'ny Firenena Mikambna sy ny fikambanana « Human Right Watch » no miampanga ankolaka an'i Rwanda amin'io fifandonana io. Toa hoe i Rwanda no nanohana ara-pitaovam-piadiana ny M23 sy nandefa andian-tafika Roandey hiady hiaraka amin'ireo mpihoko.
Misy pejy fanampiny amin'ilay tatitra isan-taonan'ny Kaomitin'ny sazy h an'ny RDC ao amin'ny Firenena Mikambana [5], navoaka ho fantatry ny rehetra amin'ny fiandohan'nyvolana Jolay, no milaza fa ny tafika mitam-piadiana roandey no :

« mamatsy fitaovana fampiasan'ny tafika, fitaovam-piadiana, bala samihafa sy fitaovana hafa isan-karazany an'ireo mpihoko avy amin'ny M23 » ary manome tohana sy fiarovana ho an'ilay jeneraly mpihoko Bosco Ntaganda, karohan'ny Fitsarana Iraisam-pirenena momba ny heloka bevava, na Cour pénale internationale (CPI) noho ny heloka an'ady.

Ireo fiampangan'ilay vondronà manampahaizana manokana avy amin'ny Firenena Mikambana dia mifototra amin'ireo fijoroana vavolombelona nataon'ireo miaramila mpihoko tsy nitonona anarana nitsoaka an-daharana, niisa valopolo ka telopolo iraika amby amin'ireo dia Roandey avy amin'ny M23.

Toa manana porofo [6] ireo manampahaizana avy amin'ny Firenena Mikambana, izay milaza fa maro amin'ireo manamboninahitra ambony roandey, ka isan'ireny i James Kabarebe – minisitry ny fiarovana, no mifandray [6] tsy tapaka amin'ny M23 :

Ankehitriny dia manana porofo ny Firenena Mikambana fa hoe raisina ho raharham-panjakana mihitsy any Rzanda ny ady any Asinanan'ny Reoblika Demaokratikan'i Congo, satria ireo olobe ao amin'ny fitondrana ao Kigali no miadidy io antontan-taratasy io.

Resabe momba ireo mpihoko nitsoaka an-daharana

Ny 24 Jolay lasa teo, tao amin'ny sisintanin'i Goma, any atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo,  nandà tsy haka ireo mpihoko 24 avy amin'ny M23 [7] i Rwanda , lazaina fa Roandey, izay tokony ho natolotry ny Firenena Mikambana azy, rehefa tonga tao nitolo-batana ireto mpihoko ireto taorian'ny nialany an-daharana tamin'ilay vondrona mpihoko :

Nitolo-batana tao amin'ny Iraky ny Firenena Mikambana (Monusco) ao RDC ireo mpihoko 24 ireo tamin'ny volana May 24 rehefa avy niala an-daharana tamin'ny M23 tany amin'ny faritany Avaratr'i Kivu. Nilaza tamin'ny tao amin'ny Monusco izy ireo fa hoe teratany roandey, hoe tany Rwanda ry zareo no noraisina ary nalefa tany RDC avy eo mba hanatevina ny M23. Nentin'ny Monusco izy ireo ho any amin'ny sisintany mba hatolotra ireo manampahefana roandey, saingy nolavin'ireto farany ny handray azy ireo tamin'ny filazana fa hoe “tsy afaka handray olon'ny M23 ry zareo”, hoy ny mpitondra tenin'ny Monusco ao Goma tain'ny AFP.

Raha ny Firenena Mikambana sy ny Human Right Watch manana porofon'ny mahavoarohirohy an'i Rwanda amin'ny fanakorontanana ny any RDC, ny governemanta kongoley, amin'ny alàlan'ny minisitry ny fampahalalam-baovaony dia manamafy ireny fiampangana ireny [8]:

Tamin-katezerana no niatrehan'ny minisitry ny asa fanaovan-gazety, ny fifandraisana amin'ny parlemanta, ny fitaizana ho olom-pirenena vaovao sady mpitondra tenn'ny governemanta, Lambert Mende Omalanga ireo mpanao gazety tao  Goma ny Sabotsy 09 Jona. Nandritra ny fotoana fohy ho an'ny mpanao gazety, nampita ny tatitry ny governemanta i Lambert Mende mikasika ny toe-draharaha momba ny fandrampahalemana ao Kivu. Tsy nitstsy tne zy momba ny fiofandraisana misy amin'i Kigali sy Kinshasa : ” Zavatra iray loha no tsy azo lavina : ny faritry ny tanin'i Rwanda dia nampiasaina nanomanana fihokoana izay, rehefa nanomboka taminà fihokoana kely tsotsotra, nivoatra ho zava-doza nankany amin'ny sarinà fahatapahan'ny fandriampahalemana nisy teo amin'ny firenena ra taty amin'ny faritr ny  Grands Lacs.

Na teo aza ireo porofo marobe manamarina ny mahavoarohirohy an'i Rwanda ho manohana ny mpihoko, manohy mandà iren filazana rehetraireny i Rwanda, izay raisiny ho tsy misy fototra ijoroany.

Nandritra ny tafatafa ho an'ny mpanao gazety natao ny TAlata 19 Jona tao Kigali, ny filohan'i Rwanda, Paul Kagame, dia nanamafy fa [9]:

«Tsy i Rwanda no miteraka ireo olana ao Congo (…) », amin'ny fanipihana fa tokony ho ry zareo kongoley ihany no hamaha ny olany izy samy izy.

Mandritra io fotoana io, mijanona ho henjana hatrany ny toe-draharah ao amin'ny faritany Avaratr'i Kivu  satria tsy mitsaha-mitombo ny isan'ireo mifindratoerana. Tohina noho ny fanohanan'i Rwanda ireo mpihoko avy amin'ny M23 ireo tanora ao Goma. Mba hanehoany ny hatezerany, nangataka fitaovam-piadiana ireo tanora tao Goma hiadiany amin'ireo mpihoko [10]:

Habibiana tsy hay faritana no nanamarika ny andron'ny Alatsinainy 9 jolay 2012. Araka izany, ireo tanora tao an-tanànan'i Goma, izay mpamily moto-taxi ny ankamaroany, antsoina amin'ny mahazatra hoe ‘motards’ ao amin'ity tanàna ity, dia nanao fihetsiketsehana amin'ireo tanàna tao amin'ny faritra. Ny sasany nifehy ny toeram-pihodinan'ny fiara tao an-tanàna  (Signers, TMK sy Birere, Corniche) ; sy sasany nameno ny faritry ny sisintany eo anelanelan'i Rwanda sy RDC; sy sisa ambiny hafa kosa nizotra nankany amin'ireo foibem-pitantanana (Fitantanana sy Fari-piadidiana miaramila).

Nahatsiaro ho voatsindrona amin'ny fivadihan-javatra zakain'ireo miaramila FARDC any an-tanin'ady ireto tanora ireto, nefa koa noho ny hoe faritra marobe no efa eo an-tànan'ny M23 sahady.