- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kolombià: #Yodigoaquiestoy, Fitaovana Hanoherana Ny Fampiasana Ankizy

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Mediam-bahoaka, Sendikà, Tanora

[Avy ao amin’ny teny Espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana]

Tsy  vaovao ny olana amin’ny fampiasana ankizy ao Amerika Latina. Tamin’ny taona 2009, namoaka andian-dahatsoratra [1] momba ny fampiasana ankizy [2]eny amin’ny faritra izahay tato amin’ny Global Voices; vao haingana tamin’ny taona 2011, nikaro-bahaolana ho an’ireo ankizy mpiasa [3] tao Bolivia izahay, ary amin’ity taona ity kosa, momba ny  fampiasana ankizy eo amin’ny sehatry  ny  fary (canne à sucre)  ao Gòatemala  [4] no taterinay.

Tamin’ny  4 Jolay 2012, nanoratra lahatsoratra  fohy  tao amin’ny  tranokala Periodismo Ciudadano (“Fampahalalam-baovao an-olo-tsotra) i Paula Gonzalo, izay mitondra ny lohateny hoe “#Yodigoaquiestoy: una herramienta para denunciar el trabajo infantil en #Colombia” [5] (“#Yodigoaquiestoy [Eto aho hoy  aho]: fitaovana hoentina hiadiana amin’ny fampiasana ankizy ao #Kolombia”), nosoritany tamin’izany  ny tetikasa hampitsaharana ny fampiasana ny ankizy ao Kolombia miaraka amin’ny fanampian’ny mpiserasera.

Ity alefanay eto ambany ity ilay lahatsoratra nosoratan’i Paula Gonzalo, tsy azo adika, Creative Commons license – tsy azo midy 3.0 Spain (CC BY-NC 3.0).

[5]

Yo Digo Aquí Estoy” [6] (“eto aho  hoy aho”) no lohatenin’ilay tetikasa mahaliana iantsorohan’ny fikambanana Fundación Telefónica [7] izay mikendry hampitsahatra ny fampiasana ankizy ao Kolombia, ary manantena ny fandraisan’anjaran’ny mpiserasera. Ankizy maherin’ny  1.800.000 no miasa  ao amin’ity firenena ity ary tsy fantatra mihitsy hoe ampiasaina  ny  90%  mahery amin’ireo ankizy. Izany  indrindra no nahatonga ny [mpamorona ny Yo Digo Estoy Aquí] nanapa-kevitra hametraka fitaovana hamantarana sy hahitana ireo ankizy  mba hanomezana azy ireo sehatra  hananany hoavy  mamiratra.

[5]

Azonao apetraka na amin’ny finday  na amin’ny solosaina [8] ny fitaovana mba ahafahanao mitatitra sy manambara izay  mety ho fampiasana ankizy  amin’ny fanarahana ireto dingana telo tsotra ireto: Ny dingana voalohany dia ny  famantarana [9]  ny  misy  ilay ankizy  amin’ny fampiasana ilay sarintany  mpamantatra toerana [8], noforonin’i Ushahidi software, izay ahafahana mametraka vaovao maro araka izay mety,  anisan’izany ny sarin’izay ankizy fantatra fa miasa. Notehirizina aminà  firaketana (base de donnée)  avokoa ny  vaovao rehetra  amin’izany  mba ahafahana miady sy manohitra ny fampiasana ankizy amin’ny fomba mahomby.  Voarain’ny polisy  avokoa ny vaovao  rehetra mikasika izany ka mandray ny andraikiny izy ireo avy eo amin’ny fanesorana ireo ankizy miasa ary mandefa azy ireo any an-tsekoly.

[5]

Ny dingana faharoa dia ny  fisian’ny tenifototra amin’ny Twitter  #yodigoaquiestoy [10], ahafahanao  mitati-baovao amin’ny alalan’ny sioka sy fampiasana izany tenifototra izany. Farany, afaka miditra sy misoratra anarana ao amin’ny fikambanana “Aquí Estoy” [11] ianao ary miara-miasa akaiky amin’izany tetikasa izany.

Amin’izany lahatsary izany, azonao jerena akaiky ny karazana asa fanaon’ny ankizy izay nodinihana tamin’ny tetikasa  mba ahafahana mahita ny toerana misy ireo ankizy mba hananany zotram-pahazazana hafa. Maro tamin’ireo ankizy no tsy mirenireny intsony eny an-dalana noho ny fandraisana anjara sy ny  fanentanan’ireo mpiserasera:

http://www.youtube.com/watch?v=54c_aAMNpT8&feature=player_embedded [12]