- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libanona: Fihetseham-po Samihafa Taoriana Ny Fipoahana Tao Syria

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Syria, Mediam-bahoaka

Namoy ny ainy [1] ilay Minisitra Lefitra Syriana ao amin’ny Minisiteran’ny Fiarovana, Assef Shawkat sy ireo mpiasa-panjakana ambony ao amin’ny fiadidian’i Bashar Al Assad  noho ny fipoahana niseho androany tao Damaskosy. Araka ny mahazatra, nisy fiantraikany mivantana tao Libanona ny fipoahana.

Tao Avaratr'i Liban, ao Tripoli no niatombohan'ny loza, raha nanokatra ny fankalazana izany (fipoahana) tamin’ny alalan'ny tifitra  variraraka ny mponina Bab al Tabbaneh mpanohitra ny fitondran’I Bashar. Araka ny voalazan’ny tranonkala Naharnet [2], olona iray no namoy  ny ainy vokatry ny bala very. Naratra ihany koa ny ankizy iray mpifanolo-bodirindrina ao Alawite Jabal Mohsen. Nahatonga ny tafika hiparitaka eny amin’ny faritra ny zava-niseho mba hisorohana ny fiitaran’ny toe-draharaha. Nibahana teo amin’ireo mpiserasera Libaney  ihany koa ny  vaovao

Dibo-kafaliana i Muslema [3], avy ao Tripoli:

اشد العرب سعادة بعد اهل سوريا اهل طرابلس ! الشعار المسؤول المباشر عن مجازر التبانة فطييييسة ولله الحمد ، يمهل ولا يهمل #lebanon#syria

Mponina ao Tripoli avokoa ireo Arabo tena faly aorian'ny Syriana. Chaar no tompon’andraikitra mivantana tamin’ny famonoana an’I Tabbaneh…  Tsara, misaora an’Andriamanitra. Manome fotoana izy ka aza adino

Mpanao gazety Sawsan Abou Zahr nankalaza [4] hoe:

يمكن القول إن الشعب اللبناني تحرر هو أيضاً اليوم.

Afaka milaza isika fa nahazo ny fahafahany ny vahoaka Libaney androany.

Jihad el Murr [5], tompon’ny  fahitalavitra MTV ao Liban, nizara ny heviny ihany koa:

Toa mahita aho fa manomboka faly sy mitsiky avokoa ireo  Martiorantsika any an-danitra 🙂

Sarah Assaf nanontany hoe [6]:

Aiza i Bashar Al Assad amin’izao fotoana izao?

Izy ihany no namaly ny fanontaniany [7]:

Bashar. Aza mandositra. Mijanona amin’izay toerana misy anao. Ho avy hanatona anao izy ireo..

Tezitra kosa ireo hafa noho ny fanehoan-kevitra tamin’ny fahitalavitra Libaney  sasany (indrindra ny mpanohana ny Hezbollah, Al Manar). Mpandinika ny raharana politika Hadi El Amine [8] nisioka hoe [9]:

عن صديقي:”وصف قتلى عملية اليوم بالشهداءعلى بعض القنوات التلفزيونية [اللبنانية] تقلل من إحتمال بشرية [ أصحاب هذه القنوات ]”

Nilaza ny namana iray: Mampihena ny faharisihan’ny olona ny famaritana ireo namoy ny ainy androany ho toy ny maritiora tamin’ny fahitalavitra Libaney sasany (ho an’ny tompon’ilay  fahitalavitra):

Zavatra hafa kosa no toa eritreretin'i Nader Haddad [10]:

Tokony hihevitra indray ny paikady momba ny fifandraisany i Manar & NBN: Tsy tokony harangaranga toy ny martiora i Chawkat.

Nampiasa Twitter ihany koa  i Tom Fletcher [11], Masoivoho Britanika ao Liban, nanehoany ny ahiahiny momba ny fiantraikan'ny fipoahana ao Liban:

Toa miditra amin'ny dingana vaovao i Syria. Tena ilaina ny fihazonan'i Liban ny politikan'ny fampisarahana, ary tokony tohanan'ny fianakaviambe iraisampirenena tanteraka izy.

Imad Atwi [12], kosa etsy andaniny, olon-kafa mihitsy no hitany fa diso. Hoy izy nisioka:

Alqaida ‪#Qatar‬ ‪#Turkey‬ miaraka amin'ireo mpampihorohoro ao ‪#Syria‬ no namono ireo olonamanankaja  ao Syriana. Angamba misy nidiran'ny ‪#KSA‬ (Arabie Saodita) ihany koa

Na dia izany aza,  ny tena nandrasana tamin'ny vaovao dia ny kabary holazain'i Hassan Nassrallah, lehiben'i Hezbollah rahariva

Antoun Issa [13]nanoratra hoe:

Naverin”i Hassan Nasrallah nosoratana ny lahateniny, hambara rahariva. Mazava ho azy fa ity no lahateny lehibe indrindra amin'ny krizy ao Syria.

Mpanao politika Libaney Antoine Haddad [14]nisioka hoe:

Anaty toe-java- manahirana i Nasrallah: Ahoana ny fomba hilazany amin'ny kabariny rahariva  mikasika ny toe-draharaha mamaivay ao Damaskosy? Fandàvana, fanamelohana  sa fanohanana?