- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Vaovao Mifamahofaho Momba Ireo Niharan-doza Tamin'ny Lozam-piaran-dalamby

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina

Somary mahatsikaiky sy tsy mazava ny vaovao mikasika ny isan’ireo namoy ny ainy sy naratra nandritra ny  lozam-piaran-dalamby nitranga tao an-tanàna manodidina an’i Kairo androany maraina. Samihafa ny vaovao  notaterin’ny  fampahalalam-baovao mahazatra, nilaza izy fa nisy ny aina nafoy sy ny naratra [1] – nilaza koa anefa izy fa tsy nisy ny aina nafoy  fa kosa ny naratra ihany [2] nandritra ny fianjerana sy  firehetan’ilay fiaran-dalamby  nitondra mpandeha.

Tao amin’ny Twitter,  nandefa vaovao ireo mpanao gazety.

Al Jazeera, Sherine Tadros , mpanao gazety amin’ny teny anglisy ao Kairo nisioka hoe:

@SherineT [3]: (Tsy misy  antontan’isa mazava) ny isan'ny niharan-doza tamin'ilay lozam-piaran-dalamby nitranga tao an-tanàna manodidina an’I Kaire. Nitranga ny loza raha nifandona ireo fiaran-dalamby ka nianjera ny iray #Egypt

Sky News’ Tim Marshall nanampy hoe:

@Skytwitius [4]: Renay fa olona 3  farafahakeliny no namoy ny ainy  ary am-polony ireo naratra nandritra ny lozam-piaran-dalamby nifandona tamin’ny Giza tao Kaire.

Nanamarika toy izao kosa i Angus Blair monina ao Moyen-Orient:

@AngusBlair1 [5]: Mampiseho ny lozam-piaran-dalamby mahatsiravina niseho tao ivelan’i #Cairo  fa tena ilaina tanteraka ny fanavaozana ny lalamby efa antitra & zara raha nahazo famatsiam-bola ao #Egypt

Nandritra izany, mpanao gazety Soedoà JoMa Sommarstrom, nisioka avy ao amin’ny hopitaly:

@ekmathia [6]: 17 ireo maratra nandritra ny lozam-piaran-dalamby tsaboina eny amin’ny hopitaly ao #Cairo

Sherif Aboualam  nivazivazy hoe:

خروج قطار القاهرة – سوهاج عن مساره بالبدرشين وأنباء عن سقوط ضحايا، فاضل غرق عبارة وماتش جزائر ونبقى عيشنا ال30 سنة بتوع مبارك في أسبوعين

@sherifaboalam [7]: Nianjera ny fiaran-dalamby Kairo-Souhag ka nisy ireo naratra hoy ny vaovao. Ny sambo nilentika sy ny fifaninana baolina kitra tamin’i Azeria sisa no tavela ary mbola niaraka tamin'i Mubarak nanjaka nandritra ny 30 taona izahay roa herinandro taorian'izany.

Rahalahy mpikamana Miosolmana Mohamed Morsi no voafidy ho filoha vaovao an’I Ejypta tamin’ny volana lasa teo. Nandimby an’i Hosni Mubarak  izy, izay nanjaka nandritra ny 32 taona ka niafara tamin’ny revolisiona manohitra azy sy ny fitondrany.

Nanao fanoharana ny filentehan'ilay sambo tamin'ny taona 2006 [8] tao amin’ny Ranomasina Mena ny mpisera Twitter, izay namoizan’ain’olona maherin’ny  1000 , ary koa ny fifaninnana baolina kitra Alzeria-Ejypta  [9]tamin’ny fiadiana ny tompon-daka manerantany,  izay nivadika ho fifandirana sy olana ara-diplomatika teo amin’ny firenena roa tonta tamin’ny taona 2009.