- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Etazonia: Fitroarana Ao Anaheim Taorian'ny Namonoan'ny Polisy Lehilahy Iray Tsy Nitondra Afa-tsy Tànam-polo

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Taorian'ny nitifiran'ny polisy an'i Manuel Díaz, lehilahy iray Latino -Amerikana 25 taona, tsy nitana fiadiana, tamin'ny Sabotsy 21 Jolay nandritra ny fifanenjehana tao Anaheim, California, nanao hetsi-panoherana ny habibian'ny polisy sy tamin'ny fitorohana ny fiakaran'ny herisetra atao azy ireo ny olona. Mbola eo an-dalana ny fanadihadiana mikasika  ny antsipirihan'ilay fitifirana. Amin'ny lafiny iray, ny polisy milaza [1] fa Díaz dia mpikambana amina andian'olona nanao fihetsika nampiahiahy, etsy ankilany indray,  ireo vavolombelona nanatri-maso [2] miteny fa novitaina mihitsy i Díaz. Taoriana kelin'io dia nitatitra ny sasaany tamin'ireo mpampiasa aterineto tao amin'ny  Twitter, toa an'i Anti-Capitalist hoe::

@OccupyAllSt [3]#Anaheim [4] namono olona hafa indray ny polisy, nolazain'ireo nanatri-maso fa olona nifatotra gadra vy ny tànany.http://rt.com/usa/news/boston-woman-punishment-officer-886/ … [5]

Ary Buzzsaw, izay nanazava hoe :

@ [6]MillCityComic [6] Aleo hazavaintsika ho azy ireo fa zavatra tsotra.#SFPD [7] & #Anaheim [4] #APD [8] -> Rehefa mitifitra olona iray mifatotra rojovy ho faty ianao, dia famonoana izay #execution [9].

Ity lahatsary ity, nakarin'olona tsy nitonona anarana, lazaina fa mampiseho an'i Diaz mitsilany amin'ny tany, lehilahy iray no mbola mihiakiaka ny hoe “mbola velona lery,” ary ny polisy miezaka mifehy ireo olona marobe raha tokony ho namonjy ilay noahiahiana no nataony.

Iny andron'ny fitifirana iny ihany, nifanatrika tamin'ny polisy tamin'ny alalan'ny tora-bato sy tavoahangy ny mponina ary dia henjana tokoa ny namoretana an-dry zareo ireo. Lahatsary iray maneho polisy mitifitra zaza amam-behivavy no tsy hitahita akory dia niparitaka be sy niteraka andianà fihetsiketsehana maro manohitra izay raisin'ny maro ho toy ny lasitranà habibian'ny polisy [10].

http://youtu.be/VZV3iyMz470 [11]

Lahatsary iray hafa no maneho ny maha lalaon-jaza ilay tantara:
Maneho ny ahiahiny ao amin'ny Twitter daholo ny olona, mikasika ny fihetsiky ny polisy tao  Anaheim.
Rotating Skull avy any San Francisco niteny hoe :
@rotatingskull [12]: Raha manafika “tsy ahoan-tsy ahoana” reny sy zaza tsy mitondra fiadiana ny alika mpitsongo dia iray an'ny polisy dia tsy maintsy vonoina. Saingy fantatsika rehetra fa tsy zava-tsy nampoizina iny. #anaheim [13]
curecanti, bilaogera, dia nanamafy tamin'ny fomba henjana :
@curecanti [14]: mamono olon-tsotra iray isam-bolana ny polisy ao  #Anaheim [4] . Manao hetsi-panoherana ny mponina, ka hiakatra ho iray isan'andro izany ny an'ny polisy. @FearDept [15]
Raha i Fran MercantiAnthony nanontany hoe :
@HelloFrances [16]: Nahoana no misy lahatsary marobe mampiseho ireo polisy mitifitra bala fingotra & tsy misy na iray aza momba ireo “tavoahangy & vato natoraka ny polisy”? #Anaheim [4]http://latimesblogs.latimes.com/lanow/2012/07/anaheim-police-chief-concerned-officer-shootings.html … [17].
Ny hafa niasa saina mikasika ny mety hisian'ny sivana, tahaka an'i Black Swan, bilaogera izay nanamarika hafahafaha ihany hoe :

 @NewsVortex [18]: Hmmmmmm. Nofafàna daholo ny lahatsary tao amin'ny Youtube mikasika ny fanafihan'ny polisy ny tao Anaheim, na dia ny avy amin'ny  @Ocweekly [19] sy @CBSLA [20] aza.

Avy eo nilaza hoe :
@NewsVortex [21]: Raha ny fahitàna azy, misy olona tsy mankasitraka ny hahitànao  ny habibian'ny polisin'i Anaheim ao, izay manitsakitsaka ny zon'ny isam-batan'olona ho an'ireo fianakaviana Latino. Lahatsary nanjavona.
Nisy ihany koa fitarainana mikasika ny fandrakofan'ny mpampahalala vaovao, nafantoka indrindra indrindra tamin'ny Aurora tato  ho ato, ny zava-doza tao  Colorado ( toerana nisian'ny lehilahy iray nitifitra nahafaty olona 12 raha kely indrindra  ary nandratra am-polony teo ivelan'ny trano iray fandefasana sarimihetsika).
Jason Gerdon niteny hoe :

@JGfromOC [22]: Ry @NBCLA [23]@CBSLA [20] & @ABC7 [24], tsapako ny fikirizanareo handrakotra ny zava-misy ao  Aurora, saingy mba misy ve na dia bitika aza fandrakofana izay zava-mitranga ao  Anaheim?

Farany, ny sasany dia mampitaha ilay fitifirana amin'ny vaovao iraisam-pirenena hafa toa an'i Chili Palmer:

@F22Raptorace [25]: Mitifitra vehivavy & ankizy? Alika marary mamely olona tsy manan-tsiny? Fa #Afghanistan [26] #Iraq [27] #Syria [28] ve izy ity e? Tsia ity no Departemantan'ny Polisy ao  #Anaheim [4]

Na Think Mexican, vondrom-piarahamonina anaty aterinto izay nanameloka hoe :
@ThinkMexican [29]: Fomba ahoana no hanamelohan'i Etazonia ny firenena hafa ho manitsakitsaka ny zon'olombelona raha toa ka ao  #Anaheim [4] CA aza misy toy izao mitranga ? http://ow.ly/crpd0 [30]
Fanasàna iray ao amin'ny Facebook [31] no miantso ny FTP [32] (“Fuck the Police”- rohy mitondra mankany amin'ny fehezanteny nakàna azy) amin'ny teny Espaniôla-Harlem, ao New York City, ho firaisankina amin'ireo izay any Anaheim manao fihetsiketsehana manohitra ny fitifirana ho faty nataon'ny polisy tamin'ny Sabotsy ary hitakiana ny rariny ho an'i Manuel Díaz.