Taorian'ny nitifiran'ny polisy an'i Manuel Díaz, lehilahy iray Latino -Amerikana 25 taona, tsy nitana fiadiana, tamin'ny Sabotsy 21 Jolay nandritra ny fifanenjehana tao Anaheim, California, nanao hetsi-panoherana ny habibian'ny polisy sy tamin'ny fitorohana ny fiakaran'ny herisetra atao azy ireo ny olona. Mbola eo an-dalana ny fanadihadiana mikasika ny antsipirihan'ilay fitifirana. Amin'ny lafiny iray, ny polisy milaza fa Díaz dia mpikambana amina andian'olona nanao fihetsika nampiahiahy, etsy ankilany indray, ireo vavolombelona nanatri-maso miteny fa novitaina mihitsy i Díaz. Taoriana kelin'io dia nitatitra ny sasaany tamin'ireo mpampiasa aterineto tao amin'ny Twitter, toa an'i Anti-Capitalist hoe::
@OccupyAllSt:
#Anaheim namono olona hafa indray ny polisy, nolazain'ireo nanatri-maso fa olona nifatotra gadra vy ny tànany.http://rt.com/usa/news/boston-woman-punishment-officer-886/ …
Ary Buzzsaw, izay nanazava hoe :
@MillCityComic: Aleo hazavaintsika ho azy ireo fa zavatra tsotra.
#SFPD &#Anaheim#APD -> Rehefa mitifitra olona iray mifatotra rojovy ho faty ianao, dia famonoana izay#execution.
Ity lahatsary ity, nakarin'olona tsy nitonona anarana, lazaina fa mampiseho an'i Diaz mitsilany amin'ny tany, lehilahy iray no mbola mihiakiaka ny hoe “mbola velona lery,” ary ny polisy miezaka mifehy ireo olona marobe raha tokony ho namonjy ilay noahiahiana no nataony.
Iny andron'ny fitifirana iny ihany, nifanatrika tamin'ny polisy tamin'ny alalan'ny tora-bato sy tavoahangy ny mponina ary dia henjana tokoa ny namoretana an-dry zareo ireo. Lahatsary iray maneho polisy mitifitra zaza amam-behivavy no tsy hitahita akory dia niparitaka be sy niteraka andianà fihetsiketsehana maro manohitra izay raisin'ny maro ho toy ny lasitranà habibian'ny polisy.
@rotatingskull: Raha manafika “tsy ahoan-tsy ahoana” reny sy zaza tsy mitondra fiadiana ny alika mpitsongo dia iray an'ny polisy dia tsy maintsy vonoina. Saingy fantatsika rehetra fa tsy zava-tsy nampoizina iny.#anaheim
@curecanti: mamono olon-tsotra iray isam-bolana ny polisy ao#Anaheim . Manao hetsi-panoherana ny mponina, ka hiakatra ho iray isan'andro izany ny an'ny polisy.@FearDept
@HelloFrances: Nahoana no misy lahatsary marobe mampiseho ireo polisy mitifitra bala fingotra & tsy misy na iray aza momba ireo “tavoahangy & vato natoraka ny polisy”?#Anaheimhttp://latimesblogs.latimes.com/lanow/2012/07/anaheim-police-chief-concerned-officer-shootings.html ….
@NewsVortex: Hmmmmmm. Nofafàna daholo ny lahatsary tao amin'ny Youtube mikasika ny fanafihan'ny polisy ny tao Anaheim, na dia ny avy amin'ny
@Ocweekly sy@CBSLA aza.
@NewsVortex: Raha ny fahitàna azy, misy olona tsy mankasitraka ny hahitànao ny habibian'ny polisin'i Anaheim ao, izay manitsakitsaka ny zon'ny isam-batan'olona ho an'ireo fianakaviana Latino. Lahatsary nanjavona.
@JGfromOC: Ry
@NBCLA,@CBSLA &@ABC7, tsapako ny fikirizanareo handrakotra ny zava-misy ao Aurora, saingy mba misy ve na dia bitika aza fandrakofana izay zava-mitranga ao Anaheim?
@F22Raptorace: Mitifitra vehivavy & ankizy? Alika marary mamely olona tsy manan-tsiny? Fa
#Afghanistan#Iraq#Syria ve izy ity e? Tsia ity no Departemantan'ny Polisy ao#Anaheim
@ThinkMexican: Fomba ahoana no hanamelohan'i Etazonia ny firenena hafa ho manitsakitsaka ny zon'olombelona raha toa ka ao#Anaheim CA aza misy toy izao mitranga ? http://ow.ly/crpd0