24 Jolay 2012

Tantara tamin'ny 24 Jolay 2012

Etazonia: Fitroarana Ao Anaheim Taorian'ny Namonoan'ny Polisy Lehilahy Iray Tsy Nitondra Afa-tsy Tànam-polo

  24 Jolay 2012

Taorian'ny nitifiran'ny polisy an'i Manuel Díaz, lehilahy iray Latino -Amerikana 25 taona, tsy nitana fiadiana, tamin'ny Sabotsy 21 Jolay nandritra ny fifanenjehana tao Anaheim, California, nanao hetsi-panoherana ny habibian'ny polisy sy tamin'ny fitorohana ny fiakaran'ny herisetra atao azy ireo ny olona. Lahatsary sy fanehoan-kevitra avy aty anaty aterineto no zarainay etoana..

Meksika: Fihanihana Tendrombohitra Hiadiana Amin'ny Olan'ny Rano

  24 Jolay 2012

Ny Fanamby "Challenge "dia ny hanairana ny saina mikasika ny olan'ny rano sy ny olan'ny fanajariana manerana izao tontolo izao ary hanangonana vola mba hiantohana rano fisotro ho an'ny olona rehetra. Ilay mpamorona ny Fanamby 21, Jake Norton, dia mihevitra ny hanatanteraka azy ity amin'ny fihanihana ireo tendro telo avo indrindra isaky ny kaontinanta tsirairay. Lahatsary roa manaraka no ahafahantsika mahita ny fomba anaovany izany, anisan'izany ny fihanihana ny Pico de Orizaba ao Meksika.

“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Fanentanana Vaovao Momba ny Fahalalahana Miteny Tanterahan'ilay ONG ‘Derechos Digitales’

GV Mpisolovava  24 Jolay 2012

Mifototra amin'ny fanapahan-kevitry ny ONU handray ny fahalalahana miteny ho isan'ny zon'olombelona, nanomboka fanentanana iray antsoina hoe “No temas a Internet” [es] ("Aza matahotra ny Aterineto") ilay ONG “Derechos Digitales” (“Zo Dizitaly”) vao haingana izay, hanairana ny olona amin'ny lanja fototry ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.