- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia, Belarosia: Medvedev sy ny “Toerana Fanaovana “Cirque” Belarosiana”

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Belarosia, Rosia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika, Akon'ny RuNet

Pikan-tsary  ao amin'ny pejy Twitter-ny Praiminisitra Medvedev, sary Instagram misy ny  “kianja fanaovana cirque” Minsk, sary nalainy nandritra ny fitsidihana vao haingana nataony tao Belaros.

Nandritra ny fitsidihan'ny Praiminitra Dmitry Medvedev tany Minsk tamin'ny Zoma 18 Jolay, nandefa tweet [1] tamin'ny sary Instagram [2] nahitana ity teny ity izy: “Tao amin'ny araben'i Minsk.” Ny olana tamin'ny sary dia ny fanoritsoritana ny  Toerana fanaovana cirque an'ny fanjakana Belarosiana [3], izay niteraka fanehoan-kevitra mikasika ny fihaonanan'i Medvedev tamin'ny filoha Belarosiana Aleksandr Lukashenko sy ireo mpiasa-panjakana ambony.

Tsy fitsidihana ambony mihaja ny fitsidihana nataon'i Medvedev.  Niteraka fahatezerana tao Moskoa ny fahatrarana trafika [4] vao haingana, nanararaotra nangata-panazavana tamin'i Lukashenko mikasika ny fanondranana vokatra simika mpandevona vokarin'ny orinasa Rosiana mpamokatra solitany afa-karatsaka i Medvedev nandritra ny fitsidihany. Teboka hafa nandritra ny fandaharam-potoanany, araka ny voalazan'ny [5] RIA Novosti, ny fidiran'ny fiaramanidina Soedoà antsokosoko vao haingana  tao amin'ny faritr'habakabaka Belarosiana nandraraka nonorsa nisy teny filamatra manohitra an'i Lukasheno. Fahasahiranana lehibe ho an'i Belarosia izany resaka nonorsa [6] izany noho ny fiaraha-miaro ny faritra an'habakabaka eo amin'ny firenena roa tonta. Vokatr'izany,  nosamborin'ny KGB ilay mpianatra [7] namoaka sary fanadihadiana momba ireo nonorsa ireo, sy ilay tovovavy 16 taona [8], naka sary ny iray tamin'ireo nonorsa.

Ahoana ny fihetsepo tao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy mikasika ity “Lapa Belarosiana ity”?

Mpisera Twitter @minssk nanakambana [9] ireo teny roa ( ny kianja fanaovana “cirque” sy ny nonorsa):

Медведев прилетел в Минск, сфоткал цирк. До этого прилетали медведи, тот ещё цирк был, но с фотографом там не хорошая история получилась.

Nitsidika an'i Minsk i Medvedev ary naka sary kianja fanaovana cirque iray. Talohan'izao, nisy ny nandraraka nonorsa, fanaovana cirque ihany koa izany, saingy tsy tsara ny tantaran'ilay mpaka sary [notànana].
Ny sasany tahaka an'i @Dubovnik_Dmitry, nanesoeso [10] raha naneho hevitra:

Медведев отметил минский цирк твитом:-) видно для того чтобы подчекнуть куда он приехал.

Naneho hevitra mikasika ny kianja fanaovana cirque Minsk i Medvedev tao amin'ny twitter 🙂 mazava ho azy mba hampisongadinany ny toerana nahatongavany.

Mpisera Twitter @daphnis_nerii nanesoeso [11] bebe kokoa toy izao koa:

Информационные порталы страны разместили новость о том, что Медведев сфоткал цирк. Что было бы, если б он в Беларуси в туалет сходил?

Seha-baovao iray nanaparitaka fa naka sary ny kianja fanaovana cirque i Medvedev. Inona no mety niseho raha toa ka nankao amin'ny toera-pivoahana  ao Belarosia izy?

Mpisera Twitter @yurok1521 nanontany [12] tena:

Медведев намекнул на «цирк» в правительстве Беларуси?

Te hampiseho ve i Medvedev fa misy toerana fanaovana “cirque” ao amin'ny governemantan'i Belarosia?

Inona no tian'i Medvedev ahatongavana amin'ilay sioka , izy irery ihany no mahafantatra, kanefa raha vazivazy fotsiny iny, dia mampiseho  ny toetran'ity filoha Rosiana teo aloha ity tia hanihany izay nomena anaram-bositra hoe ‘iPhonchik’ [13].