Fanambarana Ny Fahafahan'ny Aterineto

Araka ny fandinihan'ny maro, tonga aminà fotoana goavana indrindra izao tontolo izao raha ny momba ny fahalalahan'ny aterineto. Any amin'ireo firenena maro eran'izao tontolo izao, miforona ireo lalàna vaovao hanivanana ny Aterineto, raha mitombo ny loza mitatao atrehan'ireo mpitoraka bilaogy noho ny fitenenan'izy ireo.

Tamin'ny taona lasa, niombon-kery tsy nisy ohatra izany ireo fikambanana eran-tany hiadiana ho amin'ny fahalalahan'ny Aterineto. Hatrany amin'ny ady nanoherana ny SOPA sy ny PIPA tany Etazonia ka hatramin'ireo ezaka eran-tany izay namono ilay Anti-Counterfeiting Trade Agreement (ACTA), nahatratra ny “zeitgeist”-n'ny fahalalahan'ny Aterineto sy ny fivelarana isika. (Fanamarihana :”zeitgeist” dia entina manondro ny hoe fanahin'ny vanim-potoana iray)

Miaraka amin'izany voarakitra ao an-tsaina, amin'izao fotoana izao dia niombona ireo vondrona maro hamorona ny Fanambarana ny Fahalalahan'ny Aterineto, izay iray amin'ireo mpanao sonia voalohany indrindra ny Global Voices Advocacy. Hatreto, nosoniavinà fikambanana sy orinasa mihoatra ny 1300 io Fanambarana io ary mbola mitombo izany. Eto ambany, hahita ilay lahatsoratra orijinalin'ilay Fanambarana ianao. Afaka manasonia an'io Fanambarana io ianao eto; afaka mirotsaka anatin'izany ihany koa ianao avy amin'ny alalan'ireo fikambanana maro tsy tambo isaina, isan'izany ny EFF, Access, eny fa na dia ny Cheezburger aza.

SAVARANONANDO

Mino izahay fa afaka mitondra be ho anà tontolo iray tsara kokoa ny Aterineto malalaka sy mivelatra. Ho fitandroana ny Aterineto halalaka sy hivelatra, angatahanay ireo vondrom-piarahamonina, indostria sy firenena mba hanaiky ireo fepetra ireo. Mino izahay fa hanampy fahaiza-mamorona, zava-baovao sy fiarahamonina mivelatra kokoa izy ireo.

Mifanome tànana amin'ny hetsika iraisam-pirenena iray izahay hiarovana ny fahalalahanay noho ny finoanay fa mendrika ny hiadiana azy ireo.

Ndeha hiresadresaka momba ireo fepetra ireo — ankasitraho na lavo izy ireo, miadia hevitra momba azy ireo, mandikà teny azy ireo, raiso izy ireo ho toy ny anao manokana ary velabelaro ilay adihevitra any amin'ny vondrom-piarahamonina misy anao — izay ny Aterineto irery ihany no afaka manao izany.

Mifanomeza tànana aminay amin'ny fitandroana ny Aterineto halalaka sy hivelatra.

FANAMBARANA

Mijoro ho an'ny Aterineto malalaka sy mivelatra izahay.

Manohana ireo dingana mangarahara sy fandraisana anjara amin'ny fanamboarana ny politikan'ny Aterineto sy ny fametrahana ireo fepetra fototra dimy izahay:

Fitenenana: Aza sivanina ny Aterineto.

Fidirana: Fanandratana ny fidirana eran-tany ao amin'ireo tambajotra haingam-pandeha sy takatry ny maro.

Fivelarana: Fitandroana ny Aterineto ho tambajotra mivelatra izay mamela ny olona hifandray an-kalalahana, hifanerasera, hanoratra, hamaky, hijery, hiresaka, hihaino, hianatra, hamorona ary hanavao.

Fanavaozana: Miaro ny fahalalahana hanavao sy hamorona tsy misy fieràna. Aza sakanana ny teknolojia vaovao, ary aza manasazy ireo mpitondra fanavaozana noho ny hetsik'ireo mpampiasa azy ireo.

Tsiambaratelo: Miaro ny tsiambaratelo ary miaro ny fahafahan'ny rehetra hanara-maso ny fampiasàna ny rakitra sy ny fitaovan'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.