Tantara tamin'ny 22 Jolay 2012
Gòatemala : Fanafihana Mahery Vaika Atao Amin'ireo Mpitolona
Miha mitombo hatrany ny fanafihana mahery vaika atao amin'ireo mpitolona ao Gàatemala. Lolita Chavez, mpikambana ao amin'ny Fila-kevi-bahoaka K’iche , no niharan'ny fanafihana nataon'ireo andian-dehilahy mirongo fitaovam-piadiana izay niezaka namono azy...
Shina : Mpitati-Baovao Nametra-pialàna Fa Nanao Vazivazy Ratsy Momba Ilay Vehivavy Mpanamory Sambondanitra
Nisolotena tamin'ny fandefasana ny Fiarandanitra Shenzhou 9, iraka an-habakabaka ho fanehoana ny voninahi-pirenen'i Shina i Liu Yang vehivavy mpanamory sambondanitra. Talohan'izay anefa, nisy fanapahan-kevitry ny iray avy amin'ny mpanao gazetin'ny “Southern People Weekly” Cao...
Pôrto Rikô: Namerina Indray Ny Adihevitra Mikasika Ny Fampiasana Fiteny Roa Any An-tsekoly
Niteraka fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpanohana ary hatramin'ny mpanakiana ny fanambarana nataon'ny governemanta tao Pôrtô Rikô izay milaza fa manomboka amin'ny fidiran'ny taom-pianarana vaovao amin'ity volana Aogositra ho avy ity, ny fiteny ofisialy ampianarana ny kilasy rehetra any amin'ny sekolim-panjakana manerana ny firenena dia ovaina miandàlana ho amin'ny fiteny anglisy raha tamin'ny fiteny Espaniola izany teo aloha. Io fepetra noraisin'i Governora Luis Fortuño, dia niteraka adihevitra lehibe sy fanakianana avy amin'ny mpanohana ny governemanta, izay namerina indray ny adihevitra mikasika ny fiteny sy kolontsaina izay efa nisy fahiny tao Pôrtô Rikô. Mbola mitohy hatrany ny adihevitra any anatin'ny tambajotra sosialy sy bilaogy.
Yemen: Fampirantiana “Yemen Avy Amin'ny Maso Tavoahangintsika”
Afrah Nasser, Yemenita mpanao gazety sady mpitoraka blaogy dia mampiasa ny fampielezam-baovao sosialy mba hanangonam-bola hanaovana fampirantiana sary any Stockholm, Soeda. Fantaro ny fomba ahafahanao manampy an'i Afrah hanatanteraka ny asany sy anohanana ireo mpaka sary Yemeni mampiseho ny asany sy ny talentany.
Maoritania: Kolontsaina Manan-karena Lalao, Dihy ary Mozika
Maoritania dia mitoetra amin'ny toerana ifanenan'ny kolontsaina Arabo sy Afrikàna; izy no mampifandray ireo firenena any Avaratra sy Andrefan'i Afrika. Nanome azy toetra manokana izany, Hita mibaribary izany amin'ny fomban-drazana ao Maoritania manan-karen-dalao, dihy ary mozika. Ato amin'ity lahatsoratra ity dia omenay ohatra vitsivitsy ianao.
Venezoela, Japana: Mpitendry Japoney Roa Mahafehy Ny “Harpe” Venezoeliana
Amin'ireo mpanao mozika Japoney liana amin'ny mozika Venezoeliana, Yoko Yoshizawa sy Mika no miavaka amin'ny fitendrena ny "harpe" Venezoeliana.
Fanambarana Ny Fahafahan'ny Aterineto

Amin'izao fotoana izao dia niombona ireo vondrona maro hamorona Fanambarana ny Fahalalahan'ny Aterineto, izay iray amin'ireo mpanao sonia voalohany indrindra ny Global Voices Advocacy. Hatreto, nosoniavinà fikambanana sy orinasa mihoatra ny 1300 io Fanambarana io ary mbola mitombo izany.