- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Mirehitra Ny Foibe Ara-Kolontsaina Heydar Aliyev

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina

Naharaisana tatitra ny hoe mirehitra ny Foibe ara-Kolotsaina Heydar Aliyev [1] ao Baku, Azerbaijan. Ilay tranobe, nomena ny anaran'ny filoha teo alohan'ity repoblika manan-karena solika ity sy ny rain'ny filoha amperin'asa, Ilham Aliyev, dia nosokafana tamin'ny May 2012 ary rafi-tranon'ilay mpanao maritrano metisy iraniana-britanika Zaha Hadid. RFE/RL dia mametraka ny sandan'ilay foibe [2] ho any amin'ny 250 tapitrisa dolara Amerikana.

Miaraka amin'ireo dolara be an-davitrsa avy amin'ny solika manosika ny firoboroboan'ny asa fanorenana izay tsy mbola nisy toy izany tao  Azerbaijan, ilay tranobe maoderna dia asongadin'ny Extreme Engineering [3], andiam-pandaharana fanadihadian'ny Discovery Channel. Miely amin'ny alalan'ireo tranonkalam-baovao  Twitter sy Facebook ny vaovao. Helicopters no voalaza ho isan'ny mandray anjara amin'ny famonoana ny afo.

@LvIsmylv [4]: Heyder Aliyev center yanır pic.twitter.com/pNOEAAQ6 [5]

Mirehitra ny Foibe Heydar Aliyev.

@sakitoglu [6]: Mirehitra ny Heydar Aliyev! #Baku #Azerbaijan pic.twitter.com/ZoKag7Kd [7]

[5]

Nisy lahatsary nakarina ihany koa ao amin'ny  YouTube:

@nhacizade [8]: Bakü'de yanan (http://bit.ly/NmuGHS) HA Kültür Merkezi inanılmaz güzel bir binaydı, üç hafta önce çektiğim hali: http://twitpic.com/a9m35m [9]

Trano tsara tarehy tokoa ilay Foibe ara-Kolontsaina HA mirehitra ao Baku. Ity saripika iray nalaiko roatokom-bolana lasa izao.

[9]