- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Lahatsary Fanadihadiana Mpanao Gazety Tao Anatin'ny Revolisiona Atao Fitetezam-Paritra Any Etazonia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina

Tenin'ny nanatri-maso (Words of Witness) [1], mitety faritra ao Etazonia ilay “lahatsary fanadihadiana” momba ilay tovovavy mpanao gazety nitatitra mikasika ny revolisiona Ejipsiana. Nandeha voalohany tao amin'ny fetiben'ny sarimihetsika ao Kalifornia sy New York, avy eo amin'ny alalan'ny fitia tsy mba hetran'ny besinimaro anantenany hanangonam-bola no ahafahany mitety oniversite mba hizara ny tantara momba ny tanora, ny revolisiona, ny anjara toeran'ny vehivavy sy ny fampahalalam-baovao amin'ny endriny vaovao

Words of Witness dia lahatsary lava fanadihadiana manaraka an'i Heba, mpanao gazety 22 taona, izay nivezivezy tao anatin'ny revolisiona ejipsiana. Isaky ny hanangom-baovao momba ireo zava-miseho  manamarika ny hoavin'ny  fireneny izy, tsy maintsy mampatsiahy azy ny Reniny manao hoe : “fantatro fa mpanao gazety ianao, saingy mbola tovovavy ianao!” Mihaika ny fitsipiky ny kolontsaina sy ny anjara toeran'ny vehivavy ary ny andrasan'ny fianakaviana, midina eny an-dalambe i Heba mba hitatitra ny korontana miseho ao Ejypta, ka mampiasa  “Tweets”,  lahatsoratra, ary hafatra ao amin'ny Facebook. Ny fidirany mankany amin'ny fahamatorana, ny fifohazany eo amin'ny politika sy ny hadisoam-panantenana aorian'ny fitadiavan'ny firenena ny anjarany manokana, fahamendrehany ary ny demokrasia. Voalaza ho “MAHITSY sy MAHARENOKA” ao amin'ny Wall Street Journal, naodina tao Ejipta ho zava-miseho manan-tantara momba ny revolisiona mbola tsy voambara ny sarimihetsika.

Nalain'ny Words of Witness [2] hiara-hiasa aminy ny Rock the Vote [3], fandraisana an-tanana mikendry hampirotsaka sy hanangana fahefana ara-politika ho an'ireo tanora ao Etazonia ka handefa ny lahatsary any amin'ny anjerimanontolo 50 samihafa farafahakeliny. Mba hamatsiana ny fiteteza-paritra sy ny fanentanana manodidina ny lahatsary sy ny fandraisana anjara politika dia nanangana fandrotsahana fitia tsy mba hetra [4] hahazoana 12 000 dolara amerikana. Nanana hatramin'ny 11 Jolay izy ireo hanatraràna ny tanjona ara-bola tsy hanaovana fiteteza-paritra ihany fa ny hampirotsaka ny mpanatrika any amin'ny toerana tsidihana hifampitafatafa mivantana aorian'ny fiaraha-mijery ny lahatsary, hatsangana ihany koa ny drafitry ny lesona hananan'ny mpianatra ny fahalalàna ara-tantara, ara-politika ary ara-piaraha-monina mba hahazoana mahafantatra kokoa hoe aiza no azon'izy ireo hatomboka handraisana fepetra eo amin'ny fiainany manokana sy eo amin'ny mpiray tanàna aminy raha tratrany ny tanjona amin'ny vola voaangona.

 

 

Film Still from Words of Witness, showing Heba listening to testimonials on Tahrir Square, Cairo [2]

Tantara tamin’ny “Tenin’ny Nanatri-maso”, mampiseho an’I Heba mihaino ny fijoroana vavolombelona tao amin'ny Kianjan'i Tahrir, Kairo

 

 

Raha lazaina ho ” taonan'ny Mpanao fihetsiketsehana” noho ireo hetsika Bodoy nivelatra tany Etazonia sy manerana izao tontolo izao ny tamin'ny herintaona ary ho avy tsy ho ela ny fifidianana filoham-pirenena ao Etazonia amin'ity taona 2012 ity, dia tonga amin’ny fotoana mahamety azy amin’ny fanokafana adi-hevitra momba ny revolisiona Ejipsiana, ny herin'ny feom-bahoaka, sy ny fivoaran'ny fiaraha-monina  demokratika ny fitetezam-paritr’ilay sarimihetsika fanadihadiana,

Naseho voalohany nandritra ny Berlinale [5] ity lahatsary antonta-kevitra niandraiketan'i Mai Iskander ity. Ary naseho any Etazonia mandritra ny  Lanonamben'ny sarimihetsika ao Los Angesles [6] any Kalifornia ny alahady,17 Jona sy ny alarobia, 20 Jona. Tany New York, kosa naseho nandritra ny  Lanonamben'ny sarimihetsika “Human Rights Watch”  [7]  ny Asabotsy,23 jona, ny Alahady 24 Jona sy Talata, 26 Jona 2012. Hevero ny manao fanomezana ho an'ilay Hetsika Kickstarter [4]  ataon'izy ireo ho an’ny  sarimihetsika izay hitsidihana tobim-pianarana miisa 50 hafa ihany koa? Araho ny “Tenin'ny Nanatri-maso ao amin'ny Pejy Facebook [8] sy “Twitter” @wordsofwitness [9]) mba hahazoana vaovao.

Heba interviews the mother of a missing child in Tahrir Square, Cairo

Sarimihetsika mbola mampiseho an'i Heba manadihady ny renin'ny ankizy very tao amin'ny kianjan'i Tahrir, Cairo