- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Yemen: Ela Ny Ela, ao Sanaa ny TEDx !

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Mediam-bahoaka, Teknolojia-aterineto, Vaovao Mafana

Misy fientanentanana be ao Yemen sy eny anivon'ireo mpiondana aterineto fa tonga ao Sanaa ihany ny TEDx nony farany rehefa azo ny fahazoan-dàlana hanao ilay hetsika ny 13 Jolay 2012. “Ny fandaharanasa  TEDx dia natao mba hanomzeana ireo vondrom-piarahamonina, fikambanana ary ny isam-batan'olona fahafahana mifampiresaka amin'ny alalan'ireo traikefa miendrika TED eo an-toerana ihany,” hoy ny filazan'ilay fandaharan'asa. Noho izany, marobe ireo  Yemenis hanam-bintana hizara n y nofinofin-dry zareo, n y traikefany ary ny heviny, izy samy izy sy amin'izao tontolo izao amin'ny Desambra 2012.

Ity lahatsary nakarina ao amin'ny TedxTalks [1] ity dia manazava amin'ny teny fohifohy nefa mafonja ny rehetra mikasika ny Tedx.

Indreto misy fanehoan-kevitry ny Yemeni tao amin'ny Twitter:

@Dhman_1 [2]: Ela ny ela #TEDxSanaa‬ ‪#Yemen‬ SoOn ^__^ https://www.facebook.com/pages/TEDxSana [3]

@Ghatis [4]: efa niteny foana ahofa hoe ny tsy faharaisam-baovao dia vaovao tsara, indrindra tamin'ny taona lasa manokana, saingy ela ny ela naheno zavatra tsara momba an'i #Yemen‬ ‪#TEDxSanaa‬ aho

TEDx Sanaa

Manomboka ny isa miverina ho an'ny  TEDx Sanaa

@Afrahnasser [5]: Iray amin'ireo “hevitra malaza indrindra mikasika hetsika mila aparitaka” manerana izao tontolo izao no mitranga ao #Yemen‬ – ‪#TedxSanaa‬ ao amin'ny  http://instagr.am/p/NCTUOWKDE5/ [5]

@Sarah_Sanaa [6]: Antony mampientanentana ahy mikasika ny #TEDxSanaa‬ dia làlana goavana iray io ahafahana miady amin'ireo ideolojian'ny tafahoatra, amin'ny alàlan'ny sehatry ny fahalalàna monja ihany ‪#Yemen‬

@A4Mai [7]: hatao ao Sanaa ny voalohany amin'ny Tedx @tedxsanaa  mba hanasongadinana ireo hevitra mitondra fiovàna sy ireo mpandraharaha. Mandraisa anjara mba hampiranty ireo hevitra goavana any aminao.

@almuraisy [8]: من أسعد الأخبار الأخيرة عن اليمن.. قريبًا سيكون لنا نسختنا الخاصة من تيدكس ‎@TedxSanaa متفائل كثيرًا بهذه الفعالية.. ترقبوا التفاصيل تباعًا
Iray amin'ireo vaovao mahafaly farany momba an'i Yemen ..atsy ho atsy isika dia hanana ny TEDx antsika manokana @TEDxSanaa Tena velom-bolo amin'io hetsika io aho.. Araho ny fanavaozam-baovao amin'ny antsipirihany.

@WomanfromYemen [9]: Tohano ny @tedxsanaa amin'ny fanolorana hevitra hakàna aingam-panahy, fisaina & tohana. ‪#Yemen‬ ‪#tedxsanaa‬

@tedxsanaa [10]: Nanomboka ny isa miverina ho an'ny fanomanana ny kaonferana voalohany  ‪#TedxSanaa‬ ao ‪#Yemen‬. Tsidiho ny pejinay ao amin'ny Facebook http://on.fb.me/LVv2AX [3]

Raha mila fanavaozam-baovao misimisy kokoa dia azona arahana ny  TEDxSanaa ao amin'ny Twitter [11] ary amin'ity tenifototra ity #TedxSanaa [12] ary araho ny pejy Facebookn-dry zareo [3].