George ilay manirery avy ao amin’ny nosy Galápagos ao Ekoatera no sokatra niangana farany tamin’ny karazany. Hita tamin’ny Asabotsy maraina 24 Jiona 2012 teo ny fatiny, tao amin’ny tokontany nonenany misy ny foibe fiompiana sokatra Galápagos aoPoerto Ayora, Nosin’i Santa Cruz.
George no sokatra farany amin’ny karazana Chelonoidis abingdonii, teo amin’ny faha-150 taonany teo izy. Noho ny antony voajanahary no nahafaty azy, satria efa nanomboka niharatsy ny taovany noho ny fahanterany, araka ny voalazan’ ny vokatry ny fandidiana (autopsie) natao ity biby tokana manan-tantara ity.
Hatramin’izay naha sokatra sisa tavela azy tamin’ny karazany izay, maro ireo ezaka natao mba hiarovana azy; na izany aza, araka ny fanazavan’i Vicente Tagle León (@vichetagle), tsy nisy nahomby ny ezaka:
@vichetagle: Hubo muchos intentos por hacer reproducir al #solitariogeorge, pero ninguno funcionó. Hoy Galápagos y el mundo pierden a un símbolo!
@vichetagle: Maro ireo ezaka natao hiarovana an’ny #solitariogeorge [George Manirery] mba ahafahany manome taranaka, saingy tsy nisy nahomby ny ezaka. Ankehitriny, very harena ny Galápagos sy izao tontolo izao!
Hatramin’ny fotoana nanamafisan’ny loharano ofisialy avy ao amin’ny Galápagos National Park (Valanjavaboary Nasionaly Galàpagos ny vaovao, nanomboka niparitaka tamin’ny tambazotra sosialy toy ny Facebook, Twitter ireo andiana hafatra, fanaovam-beloma farany sy filazana momba ity sokatra ity ho fanomezam-boninahitra an’i George.

Lonesome George, Wikimedia Commons, Creative Commons
Attribution-ShareAlike 2.0 Generic license (CC BY-SA 2.0)
Marco Chile, tao amin’ny Nosy Galápagos, namoaka lahatsoratra tao amin’ny Facebook ho fanomezam-boninahitra an’i George. Toy izao ny sombiny hita tamin’izany:
A más de uno en las islas y en el mundo entero nos ha llenado de tristeza enterarnos de la muerte de George, especialmente a quienes crecimos cerca de este quelonio que se convirtió en el ejemplo de lucha de una especie empujada a la extinción por la acción de las especies invasoras y la irresponsabilidad ó desconocimiento de los primeros colonizadores de las encantadas.
Feno alahelo avokoa ny maro tamintsika eto amin’ny Nosy vao nahare momba ny fahafatesan’i George, indrindra isika izay niara-lehibe teo akaikin’ity sokatra ity, izay nanjary tantara voalohany momba ny tolona manohitra ny karazam-biby atosika ho lany tamingana noho ny tsy firaharahiana sy ny tsy fandraisana andraikitra ary ny tsy fahaizan’ny mpanjanaka voalohany teto amin’ny Nosy.
Tao amin’ny Twitter, nanjary tenifototra nalaza avy hatrany tao Ekoador ny hoe #solitariogeorge.
Tomebamba Voice (@tomebamba) [es], onjam-peo Ekoatoeriana nitatitra toy izao manaraka izao:
@tomebamba: La muerte del #SolitarioGeorge conmociona el #ecuador hay 70 tweets por segundo. pic.twitter.com/FlbyQNJ6 /via @gustavomerino
@tomebamba: Nanohina an’i #Ecuador ny fahafatesan’i #LonesomeGeorge. Tweet 70 isan-tsengondra no niseho pic.twitter.com/FlbyQNJ6 /via @gustavomerino
Andrés Ponce G. (@AndresPonce28) nahatsiaro fa hita taminà faktiora taloha ahitana devizy i George tao Ekoatera:
@AndresPonce28: Había olvidado que el Solitario George aparecía en el billete de 5.000 sucres yfrog.com/kg4lzunj
@AndresPonce28: Adinoko fa hita taminà faktiora 5000 i George ilay manirery. yfrog.com/kg4lzunj
Carla Villamarin (@carlitavu) nanoratra toy izao kosa:
@carlitavu: El país está de luto:( #SolitarioGeorge RIP♥ siempre en nuestros corazones
@carlitavu: Misaona ny firenena 🙁 RIP♥ #LonesomeGeorge, ao am-ponay foana ianao
Mpanao gazety Andrés L Morales A. (@AndYMoralesA) nizara sarinà filatroana tamin’ny 7 Jolay ho fahatsiarovana an’i George ilay manirery:
@AndYMoralesA: Marcha en recuerdo del #solitariogeorge en las calles de Pto Ayora #galapagos http://twitpic.com/a54g7j
Nanapa-kevitra ny mpitantana ny Valanjavaboary Galápagos fa hatsangana ny foibe fandikateny (interpretation) omena anarana hoe George ilay manirery ho fahatsiarovana ilay sokatra. Fanampin’izany, nanao fanentanana ho an’ireo izay afaka nahafantatra bebe kokoa sy efa nahita an’i George ny vala mba hizara ny sarin’ilay sokatra. Natao tamin’ny 8 Jolay teo ny fampiratiana ny sary azo tamin’izany.
Natomboky ny Minisitry ny Vakoka ny fanambarana ny Lonesome George ho anisan’ny Haren-kolontsaina an’i Ekoatera tamin’ny 5 Jolay.
Tamin’ny fahafatesan’i George, nihena 10 ny isan’ny sokatra an-tanety. Anisan’ny karazan-tsokatra an-dalam-pahaverezana ireo, mampatsiaro antsika ny fahafatesan’i George fa tokony hatambatra haingana ny hery ho fiarovana azy ireo.