- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Mankafy ny Fiadiana Tompon-dakan'i Afrika 2012 ho an'ny baolina lavalava

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Maraoka, Namibia, Senegal, Fanatanjahantena, Hehy, Mediam-bahoaka, Tanora

Madagasikara no mampiantrano [1] ny Fiadiana Tompon-daka karakarain'ny Konfederasiona Afrikana ho an'ny Baolina Lavalava [2] (CAR), fifaninanan'ny Vondrona 1B nanomboka ny4 Jolay hatramin'ny 11 Jolay lasa teo. Ireo firenena hafa tao amin'ny vondrona dia i Maraoka, Namibia ary Senegaly. Raha sahirana tamin'ny olana ara-toekarena sy ara-politika ny firenena nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 2009, miezaka ny miala amin'ny adin-tsaina zakainy isanandro ny vahoaka Malagasy amin'ny fanohanany ny ekipa Nasionaly Malagasy amin'ny baolina lavalava, fantatra amin'ny anarana hoe “Makis de Madagascar” [3] (Ny Maki an'i Madagasikara). Fifaninanana hiakarana ho any Angletera ho amin'ny Fiadiana izay tompondaka eran-tanin'ny Baolina Lavalava 2015 [4] ihany koa ny fifaninanan'ny CAR.

Lalao nampiala voly

Tao amin'ny kianjan'i Mahamasina, tao Antananarivo  renivohitra daholo no natao ireo lalao nifanandrinan'ireo firenena 4. Maromaro ihany ny olona tonga nijery ireo lalao, ka olona 40 000 araka ny salan'isa ofisialy no tonga nanatrika ny lalao ny sabotsy, nifanandrinan'i Namibia sy Madagasikara (na dia toa vitsy noho izany aza araka ny voalazan'ireo teny an-toerana.)

Ny kianjan'i Mahamasina hita eny amin'ny havoanan'Antananarivo nandritra ny lalaon'i Maraoka sy Madagasikara.  Sary nalain'ny mpanoratra

Nitondra avo ny firaisam-pirenena sy ny fireharehàna izay natotongan'ny toe-draharaha politika amin'izao fotoana izao ny ekipa nasionaly. Mety ho naka lesona  tamin'ny All Blacks, nanao ny “haka” azy manokana ny Makis de Madagascar nialoha ny lalao:

Raharahan'ny be salan'isa no nandreseny tamin'ny Namibia (57-54). Fifanandrinana tsy nanam-paharoa nisiana andrana maro izany lalao izany. Mamintina [5] [fr] azy io i Rémi Lestang :

Il a fallu attendre la fin des prolongations (43-43 à la fin du temps règlementaire) pour qu’un vainqueur se révèle. Grâce à un essai dans les dernières secondes, Madagascar s’est offert le scalp de la Namibie. Une victoire au goût de montée dans le groupe A et de progression au classement IRB : Après la rencontre, la sélection de Madagascar a gagné 14 places pour pointer désormais au 42ème rang mondial.

Tsy maintsy niandry ny faran'ny fanalavàm-potoana (43-43 tamin'ny faran'ny fotoana ara-dalàna) izay vao afaka nahafantatra izay ho mpandresy. Tamin'ny segondra farany tamin'ny andrana iray no nandresen'i Madagasikara an'i Namibia. Fandresena izay nahafahan'i Madagasikara niakatra tami'ny vondrona A sy tamin'ny laharan'ny IRB: taorian'ny lalao, nisondrotra laharana 14 be izao ny ekipa malagasy ka nahatonga azy ho laharana 42 maneran-tany.

Ireto ny fotoana nahamay tamin'ny lalao, avy amin'ny Madagate:

Hanihany tsy nampoizina mifandraika amin'ny lalao

Tena nampiala voly tokoa ny lalao ka nafana koa ny resaka teo amin'ireo malagasy tamin'ny aterineto tamin'ny alalan'ny hanihany momba izany lalao izany. Niparitaka be tokoa ity sary manaraka ity, nalaina nandritra ny lalao nifanandrinan'i Maraoka sy Madagasikara, sady naneho ny fahateren'ny lalao.

[6]

Mpilalaon'ny ekipa nasionalin'i Madagasikara manao izay tratry ny heriny hanajanonana an'i Maraoka tsy hahafaty baolina, avy amin'i Théo Rafenitisoa tao amin'ny Facebook

Hanihany iray hafa nahabe resaka ny tontolon'ny blaogy Malagasy dia ny tafatafa tamin'ny kapitenin'ny Namibia, nataon'ny mpanao gazetin'ny fahitalavi-panjakàna. Ato amin'ity lahatsary nalaina taorian'ny lalao ity, hita mazava fa sambany mba nitafatafa tamin'ny teny Anglisy ilay mpanao gazety. Raha ny olana nosedràn'ny Namibia nandritra ny lalao no tiany nanontaniana, izao kosa no nanontaniany tamin'ilay kapiteny Namibiana: ” What is your problem ?” (Inona no olanao?) Tokony hisaorana ilay kapiteny nanaraka azy fa tsy tezitra na dia efa resy aza. Novaliany ilay fanontaniana izay noheveriny fa tiana nanontaniana.

Maro karazana ny hevitr'ireo mpitoraka blaogy Malagasy nanoloana iny fanadihadiana fohy iny, miala any amin'ny tsikanikany hatramin'ny fitsaràna ny kalitaon'ny fanaovan-gazety ao Madagasikara:

Manontany tena [7] [mg] i TheNickCartman  :

To tsisy nanao traduction

Toa tsy nisy nandika teny? (fanamarihana: ny valintenin'ilay kapiteny)

Andrianary Jean Daniel dia manamarina ilay kapiteny noho izy tsy nanadino na inona na inona na dia niandry fanontaniana hafa aza izy [8] [mg]:

Ilay bandy ary mbola miandry be ilay fanontaniana manaraka
tonga dia borkena fotsiny hoe thank you. Raha izaho aloha ny mpanao gazety ka mpilalao alemà ny eo raha tsy haiko ilay teny tsy hanon-tany zavatra@ teny alemà izany eh ny kiana ho entina mantsara zavatra

Thierry Ratsizehena dia mino fa mpanao gazety izany tokony hanaraka fepetra ambonimbony kokoa [9] [mg] ny mpanao gazety:

Amiko, mpanao gazety io. Izany hoe matihanina, tokony mahafehy tsara ny asany. Raha nanolo-tena hanao interview olona amin'ny teny anglisy dia mahafehy tsara ny “conversation” amin'io teny io izany izy (jereo ry Nelson Monfort amin'ny France Televisions). Kanefa, teto dia “risible” ny zava-niseho hoy ny vazaha. Ary olona maromaro no nahatsikaritra izay fa sao misy miteny indray hoe vao noforonina. Mila mahataty tsikera raha te handroso. Ny an'ny vazaha aza mbola mafy lavitra

Mieritreritra i Zewizewi fa tsy mifandanja ny fampitahàna tamin'izao toerana misy ny fanaovan-gazety malagasy izao [10] [fr]:

C'est ridicule de comparé ça à Nelson Montfort,  déjà France télévision et TVM c'est dix milliards d'années d'écart à mon avis ce genre de personne n'aurait mm pas dû apparaître à l'écran (..) en tout cas la TVM n'est pas la seule chaîne à connaître ce genre de problème, zéro maîtrise du direct.

Tsy mety mihitsy ny mampitaha azy amin'i Nelson Montfort na ny mampitaha ny France télévision sy ny TVM (Fahitalavi-panjakàna Malagasy) amin'izao resaka izao. 10 arivo tapitrisa taona no manasaraka ireo roa ireo. Amiko, tsy tokony nipoitra tamin'ny fahitalavitra akory ny olona tahaka ireny (..) Na izany na tsy izany, tsy ny TVM irery no [fahitalavitra] manana izany olana izany, tsy mahafehy ny seho mivantana amin'ny fahitalavitra mihitsy.