Tantara tamin'ny 16 Jolay 2012
Iran: Iza No Afaka Hisambotra Akoho?
Nisidina ambony lavitry ny 80% noho ny tamin'ny volana lasa ny vidin'ny akoho ary tahaka ny hidangana hatrany tsy ho takatry ny olona ny vidiny. Ireo mpiantsena dia mila mamoaka 70.000 rials (US $5.60) vao mahazo akoho iray kilao, manodidina ny avo telo heny amin'ny tamin'ny taona lasa.
Shily: Mananontanona ny lalàna manohitra ny fihetsiketsehana
Niantso ny Kongresy hanaiky ny lalàna izay mitady sazy henjana kokoa ho an'ny mpanao fihetsiketsehana ny minisitry atitany Shiliana Rodrigo Hinzpeter, fanavaozana ny fadihevitra tamin'ny herintaona tao an-toerana ihany izany. Nanomboka...
Shina: Miparitaka Ny Adihevitra ‘Tsy Fahafahana Ny Fanaovana Sesitany’
Namerina nanokatra adihevitra momba ireo mpomba sy mpanohitra ny fanaovana sesitany i Chen Guangcheng. Ho very ve ny fanohanana an'i Chen sy ny fahefany raha mandao an'i Shina izy? Ary hamela azy hiverina an-tanindrazana ve ny governemanta Shinoa taorian'ny fifampikasohany tamin'i Etazonia?
India: Miparitaka Ny Lahatsary Mampiseho Herisetra Sy Vetaveta, Mampieritreritra Ny Fitsipiky Ny Fampielezam-baovao
Raha tokony nanampy ny zazavavy Indiana iray notafihan'ny lehilahy 20 ivelan'ny toeram-pisotroan-toaka any Guwahati ny "caméraman" iray avy amin'ny fahitalavitra any an-toerana, naleony kosa nandrakitra lahatsary 30 minitra avy amin'izany tranga izany. Niparitaka be izany lahatsary izany, ka be ny fanontaniana mipetraka momba ny fitsipiky ny fampielezam-baovao, ary mampanontany tena hoe lasa firenen'olona mpitazam-potsiny ve India.
Hong Kong: Nosavaina Ny Tranon'ny Mafana Fo Iray Noho Ny Fanendrikendrehana Ho Nisotasota Tamin'ny Aterineto
Tamin'ny 13 Jolay 2012, nisy vondrona mpitandro filaminana nanafika an'i Yang Yang (solon'anarana) tany an-tranony, mafana fo any Hong Kong ka naka an-keriny ny solosaina, ny lohamilina ary ny findainy...nolavin'i Yang izany fanendrikendrehana izany: "amin'ny maha-manampahaizana momba ny aterineto ahy, tsy hanao fanimbàna adaladala tahaka izaony aho. Ny solosaiko ao an-trano ihany ve no ho ampiasaiko? Mampihomehy izany. Na ohatra aza ka tena nanao izany fanimbàna izany aho, tsy ho fantatr'izy ireo mihitsy."
Madagasikara: Mankafy ny Fiadiana Tompon-dakan'i Afrika 2012 ho an'ny baolina lavalava
Madagasikara no mampiantrano ny Fiadiana Tompon-daka nokarakarain'ny Konfederasiona Afrikana ho an'ny Baolina Lavalava (CAR), fifaninanan'ny Vondrona 1B nanomboka ny 4 Jolay hatramin'ny 11 Jolay lasa teo. Ireo firenena hafa tao amin'ny vondrona dia i Maraoka, Namibia ary Senegaly. Raha sahirana tamin'ny olana ara-toekarena sy ara-politika ny firenena nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 2009, miezaka ny miala amin'ny adin-tsainy isanandro ny vahoaka Malagasy amin'ny alalan'ny ekipa Nasionaly Malagasy amin'ny baolina lavalava, fantatra amin'ny anarana hoe "Makis de Madagascar" (Ny Maki an'i Madagasikara)
Siria: Mahatonga Hatezerana Sy Alahelo Ny Famonoana olona Tany Traymseh
Tamin'ny herintaona, nialohan'ny volana masin'ny Ramadany, ireo mpitandro filaminana Siriana izay tokam-po amin'ny fitondràn'i Bashar al-Assad dia namono olom-pirenena manodidina ny 45 tany amin'ny renivohitr'i Hama. Tamin'ity taona ity, tany amin'ny tanàna kely tsy lavitr'i Hama no niraraka ny rà, Traymseh, nefa inoana fa maro lavitra noho iny ny isan'ny maty
Afganistana: Resabe Nateraky Ny Lahatsarim-Pamonoana Noho Ny Fijangajangana
Tao amin'ny tanàna kely tsy lavitra loatra an'i Kabul renivohitra, vehivavy Afgana iray 22 taona no novonoina imasom-bahoaka noho ny fiampangana azy ho nijangajanga. Ny famonoana azy dia niteraka hatezerana, na tao amin'ny fireneny na tany ivelany. Nidina an-dalambe hanameloka ilay namono sy hitaky ny fiarovana ny zon-dry zareo ny vehivavy tao Kabul.