Repoblika Demaokratikan'i Congo : Thomas Lubanga, Sazy Maha-be Resaka
Ny 10 jolay lasa teo, ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao amin'ny “Cour pénale internationale (CPI)” dia nanameloka ilay Kongole Thomas Lubanga Dyilo higadra 14 taona an-tranomaizina. Izy dia voampanga ho tompon'antoka taminà heloka an'ady tamin'ny fitsimponana sy fandraisana ireo ankizy latsaky ny 15 taona ary nampandray anjara mavitrika azy ireny taminà habibiana ny 1 Septambra 2002 hatramin'ny 13 Aogsitra 2003 tany Ituri, Repoblika Demaokratikan'i Congo (RDC). Io no fanamelohana voalohany indrindra navoakan'ny CPI hatramin'ny nananganana azy ny 1 Jolay 2002.
Ny “Fanambaràna iray avy amin'ny biraon'ny Fampanoavana mikasika ny sazy nomena an'i “, dia mampahafantatra fa:
Ny tao amin'ny Fanenjehana dia nangataka mba hamoahana didy faran'izay henjana afaka mampivoitra kokoa ny vesatry ny heloka iampangana azy sy mifanaraka amin'ny vanim-potoana nitrangany. Miditra amin'ny fandinihana amin'ny antsipirihany an'ilay didy ankehitriny ny Birao ary hanapa-kevitra raha ilaina ny hanaovana fampakàrana fandravàna didy. Andrasany ihany koa ny hanaovan'ireo mpitsara famoahana momba ny resaka fanonerana, mba hahazoana antoka fa nomena rariny feno tokoa ireo niharam-boina tamin'ny heloka bevava nataon'i Lubanga.
Tanaty lahatsoratra iray navoakan'ny congo opportunities, Eljiv K Ndamuso mampahatsiahy fa :
… ny 14 mars 2012 ilay filoha mpitarika fahiny ny Union des patriotes congolais (UPC) dia voampanga tamin'ireo heloka bevava sy famonoana olon-tsotra an-jatony noho ny resaka fiaviana tany Ituri, any atsinanan'i RDC. Sazy telopolo taona no nangatahana hampiharina tamin'ny voampanga tamin'ny 13 Jona lasa teo, avy amin'ilay mpampanoa lalàna teo aloha Louis Moreno. Taorian'ny fampakàrana nataon'ny mpiaro, nekena ny fanalefahan-tsazy ho an'ilay lehiben'ny mpihoko, noho ny fiaraha-miasa nanampiany nandritra ny dingam-pitsaràna rehetra. Noho izany, nahena ho 14 taona an-tranomaizina ny sazy.
Saingy noho ny voampanga natolotra ny CPI tamin'ny 2006, Wairangala Wakabi, Ogande iray mpanao gazety, no mampahafantatra antsika ao amin'ny tranonkala Lubanga trial:
… tamin'ny famaritana ny sazy famonjàna, ny Fitsarana dia nandray anaty kajy ireo taona rehetra efa lany tany am-ponja, mifanaraka amin'ny fanapahan'ny fitsarana. Ing. Lubanga dia voatàna any amin'ny toeram-pamonjan'ny CPI any Scheveningen hatramin'ny Martsa 2006.
Araka izany, T. Lubanga dia tsy tokony hanao afa-tsy 8 taona any am-ponja. Kanefa, izy koa dia ahiahiana ho nahavita heloka bevava tsy roa aman-tany. Tsy dia tsara loatra ny nandraisan'ny ankamaroan'ny Kongole sy ny sehatra iraisam-pirenena ity fanamelohana ity. Ary dia maro be ireo fanehoan-kevitra manohitra azy eny anivon'ny aterineto.
Na dia eo anivon'ny samy mpitsara izay namoaka ilay didy aza, tsy nisy ny tena firaisan-tsaina tanteraka. Ny tranonkala aeta-network.org an'ny ONG “Agir pour des élections transparentes et apaisées au Congo“, na Miasa hisian'ny fifidianana mangarahara sy tony ao Congo, dia mamoaka fa:
Ramatoa mpitsara, Odio Benito, dia nanoratra ny fijeriny manokana sy manohitra mikasika raharaha iray voafaritra. Ialàny ny fanapahan-kevitr'ireo mpitsara roa, amin'ny filazany fa io dia fanapahana tsy mandray ho anaty kajy ny tsy rariny rehetra natao an'ireo tra-doza sy ny fianakaviany, ary indrindra fa ny vokatr'ireo famaizana henjana sy herisetra ara-nofo/fanolanana nozakain'ireo tra-doza tamin'ireny heloka bevava ireny.
Anatinà tranonkala maro, napoapoakan'ireo mpiondana aterineto ny hatezeran-dry zareo. Ity ny santionany. Ao amin'ny tranonkalan'ny Radio France Internationale, iray amin'ireo onjam-peo isan'ny arahana indrindra any amin'ny faritra atsimon'ì Sahara, olona iray tsy nitonona anarana no nanoratra hoe:
tsy maintsy hiandry 50 taona ve, tena mba azafady aho an
Iray hafa no maneho ny hadisoam-panantenany toy izao :
Tena diso fanantenana tanteraka tamin'ny CPI aho. Mbola tsara lavitra noho ny CPI ny fitsaràna any Congo. Tokony ho niharan'ny sazy mandra-maty i Lubanga. Indrisy anefa fa ny CPI no nanavotra ny ainy.
Ao amin'ny fahitalavitra France24 koa, nisy koa ny fanehoan-kevitra masiaka. Roger Nzita nanoratra hoe :
Renay vahoaka Kongole, niaraka tamin'ahiahy, ny fanamelohana an'Ing Thomas Lubanga izay namafy faharavàna tany atsinanan'ny firenenay, saingy tena mampalahelo anay fa tsy voatohintohina ireo tena tompon'andraikitra tamin'ny heloka bevava natao tamin'ny firenenay…
Anatinà lahatsoratra iray manao jery todika ireo zava-nitranga izay nahitàna an'Ing T. Lubanga nitantana ny raharaha, ny tranonkala congolol.net, dia manome vaovao nokarohana momba ny anjara notànan'ny hetsika nataon'ingahy io tanatin'ireo tranga mahatsiravina nahatonga an'i RDC hisaona:
Aogositra 1998, roa taona latsaka taorian'ny nionganan'i Mobutu, ady vaovao iray no nipoaka teto RD Congo. Ifanandrinan'i Kabila rainy, tohanan'i Angola, Zimbaboe ary Namibia, sy vondrona marobe mpihoko tohanan'i Ouganda, Roanda ary Burundi. Ao anatin'ity safotofoto ity, Thomas Lubunga, izay nifandimbiasan'i Roanda sy Ouganda ny nanohana azy , dia filoha mpitarika vondrona mitam-piadiana, ny Union des patriotes congolais (UPC).
Taorian'ny fanadihadiana teny an-kianja, ny ONG iraisampirenena miaro ny zom-pirenena Human Rights Watch dia mitatitra tranga marobe momba ny famonoana olona natosiky ny resaka ara-poko :
Ny tontolo ankapobeny manodidina ny ady ao Congo sy ny fisian'ny fanohanana ara-politika sy ara-tafika avy amin'ireo mpisehatra avy any ivelany, indrindra fa Ouganda sy Roanda, no mamoky ny firoboroboan'ireo vondrona ara-politika mitam-piadiana tao Ituri mifototra amin'ny tsy fifankahazoana ara-poko. Ery alohan'ireny vondrona ireny no ahitàna ny Union des Patriotes Congolais (UPC), izany mibahan-toerana ao anatiny ny Hema, ny Front National pour l’Intégration (FNI) izay ny Lendu no tena manjaka ao, ny Parti pour l’Unité et la Sauvegarde de l’Intégrité du Congo (PUSIC) anjakan'ny Hema avy any Atsimo sy ny Forces Armées du Peuple Congolais (FAPC) ahitàna fifangaroana ara-piaviana
Ireny vondrona samihafa ireny dia samy nirotsaka daholo tamin'ny resaka famonoana, fanolanana ary fandoroana tanàna. Amin'ny alàlan'ny fanomezana antsipirihany mampivanaka, ny HRW dia mitatitra ny zava-mitranga izay fantatr'ilay ONG :
Ho tohin'ny fanafihana nataon'i Mongbwalu, notafihan'ny hery mitam-piadian'ny UPC ireo tanàna vitsvitsy manodidina, toa an'i Kilo, Kobu, Lipri, Bambu sy Mbijo. Nalain'ny hery mitam-piadian'ny UPC i Kilo ny 6 desambra 2002 ary andro maro taorian'izay, nanome baiko ny famonoana an-kitsirano olon-tsotra am-polony ireo mpitari-tafiky ny UPC. Ireo mpiady avy amin'ny UPC dia nitàna vatan-dehilahy, vehivavy sy ankizy izay heverina ho maty nahantna sady nanery azy irey handavaka ny fasana nilevenan-dry zareo ihany alohan'ny namonoany azy.
Miaraka amin'ireo fijoroana vavolombeloma marobe avy amin'ny loharano azo antoka, takatra tsara ny anton'ny fanehoana hatezerana. Marie-France Cros ao aminà lahatsoratra iray navoakan'ny lavoixdukasai.blogs.lalibre.be, dia maneho izay fahatsapàn'ny maro amin'ireo mpitazana :
Tokony ho andro lehibe izany : ny fitsarana voalohany nataon'ny Fitsarana Iraisam-pirenena momba ny Heloka Bevava (CPI) maharitra voalohany. Saingy dia andron'ny hadisoam-panantenana.Hadisoam-panantenana satria ilay Kongole andriamanitry ny ady, Thomas Lubanga, dia tsy nahazo afa-tsy sazy 14 taona an-tranomaizina tamin'ireo heloka bevava an'ady nahafatesana olona 60 000.
Mandritra io fotoana io, taorian'ny andrana tsy nahomby hampidirana ho ao anatin'ny tafika ireo olona avy amin'ny mpihoko, indrindra fa ilay nambara ho lehibe mpitari-tafik'i Thomas Lubanga, nanohy indray ny adin-dry zareo tany avaratra-atsinanan'ny R. D. Congo ny jeneraly Bosco Ntanganda sy ny tariny.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...