Tantara tamin'ny 14 Jolay 2012
Arabia Saodita : Hiteraka any am-pigadrana ve i Arwa Baghadi ?
Gadra vavy Saodiana iray antsoina hoe Arwa Baghadi no efa akaiky ho teraka ao amin'ny fonja. Tamin'ny volana may 2011, ny Saudi Civil and Political Rights Association (ACPRA – Fikambanana momba ny...
Emirà Arabo Mitambatra : Fahatezerana noho ilay Fampisehoan'i Madonna Tao Risqué
Nanomboka ny fitetezam-paritra tany Afovoany tsinanana sy Afrika Avaratra tamin'ny 1 Jona IiMadonna ka nanatanteraka ny fampisehoany voalohany tao Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra, ny 3 sy 4 Jona. Niteraka fifandirana ny...
Repoblika Demaokratikan'i Congo : Thomas Lubanga, Sazy Maha-be Resaka
Ny 10 jolay lasa teo, ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao amin'ny "Cour pénale internationale (CPI)" dia nanameloka ilay Kongole Thomas Lubanga Dyilo higadra 14 taona an-tranomaizina. Izy dia voampanga ho tompon'antoka taminà heloka an'ady tamin'ny fitsimponana sy fandraisana ireo ankizy latsaky ny 15 taona ary nampandray anjara mavitrika azy ireny taminà habibiana ny 1 Septambra 2002 hatramin'ny 13 Aogsitra 2003 tany Ituri, Repoblika Demaokratikan'i Congo (RDC). Tahaka ny maivana ihany ilay sazy raha ny hevitr'ireo mpiondana aterineto marobe.
Etiopia: Aiza i Meles Zenawi?
Nibahana be ny habaky ny media sosialy nandritra ny herinandro maro ny momba ny fahasalaman'ny Praiminisitra Etiopiana Meles Zenawi ary niteraka fanontaniana mikasika ny hoavin'i Etiopia rehefa tsy eo izy. Nizara ny fahitan-dry zareo izay fahasalamany sy tsy fahitana azy izay any anaty Twitter sy Facebook ireo mpiondana aterineto. Manontany tena ireo mpampiasa ny media sosialy ny amin'ny antony tsy hiresahan'ireo fampahalalam-baovao mahazatra ity tantaran'ny fahasalamany sy izay misy azy ity
Maoritania: Hatezerana Amin'ny Fanohanan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny an'i Assad
Tamin'ny kabary nataon'ny minisitry ny raharaham-bahiny Maoritaniana Hamadi Ould Hamadi nandritra ny fivorian'ireo Naman'i Siria tamin'ny 6 Jolay, nilaza izy fa "herisetra sy valin-kerisetra" no zava-niseho tany Siria. Izany fanambaràna izany dia noraisina ho fanohanana ny fitondràn'i Bashar Al Assad, ka nahatezitra ireo mafana fo.