Ejipta: Iharan'ny herisetra ny Vehivavy Ao Amin'ny Kianja Tahrir

Vantany nambara ho Filoham-pirenena vaovao ao Ejipta i Mohamed Morsi dia nirohotra tao amin'ny kianja Tahrir ny vahoaka hankalaza izany. heniky ny firavoravoana sy ny hiaka ity toerana, izay foiben'ny revolisiona ejipsiana, ity. Nanazava tambonin'ny lanitra ny afomanga, saingy nisy zavatra mampalahelo  nitranga nandritra izany lanonana izany.

Nitantara ny fijaliany i Natasha Smith Mpanao gazety fa niharan'ny fikitikitihana faritra saropady nataon'ny daholobe raha nihazo ny kianja Tahrir hamonjy ity lanonana tao anatin'ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny “Andriamanitra o, miangavy mba ajanony izy ity”:

Lehilahy an-jatony no manositosika sy misintotsintona ahy. Nandrangotra sy manapotsitra ny nonoko izy ireo ary manindrona ny tenako amin'ny rantsan-tanan'izy ireo amin'ny fomba rehetra. Maro dia maro tokoa ireo lehilahy ireo. Ny hany hitako dia ny fijerin'adala sy tava mihavinitra dia mihavinitra sy ny trerotrerona ataony ka tahaka ny hena vaovao eo anivon'ny liona noana aho.

Nitomany ny vehivavy sady niteny tamiko fa “tsy izao i Ejipta! tsy fanaon'ny Silamo izao! miangavy aza eritreretina ho izao i Ejipta Nampahery azy aho fa efa fantatro ny zavanisy, fa tiako i Ejipta sy ny kolontsainy ary ny mponina ao aminy, ary ny fitonian'ny Silamo  milamina hatramin'izay. Toy ny nivanàka izy. Saingy tsy dia irony olona tia mamaly faty irony aho ary afaka mijery amin'ny alalan'ny zava-mitranga. Tsy mahasolo tena ny toerana efa nandehanako hofantarina sy hotiavina izao fombam-pahadalàna izao.

Nahazoana fanehoan-kevitra mihoatra ny 1 000 ilay lahatsoratra, ka ahitana ireo midera ny herim-pon'i Natasha ka misy hatramin'ny fahatalanjonana sy ny fandavana ny kaontiny. Nampatsiahy ny famelezana mafonja nahazo ilay mpanao gazety Lara Logan tamin'ny 11 Febroary, taoriana kelin'ny nialan'ny filoham-pirenena teo aloha Hosni Moubarak, ity olana ity. Nisy fitoviana tamin'ny fihetseham-po tao amin'ny tontolom-bilaogy sy ny gazety be mpamaky ihany koa izay nihatra tamin'i Logan.

A poster from the Facebook page calling for a protest against sexual harassment on July 4

Afisy avy ao amin'ny Pejy Facebook miantso fihetsiketsehana ny 4 Jolay hanoherana ny herisetra fanohintohinana ny faritra saro-pady. Mivaky toy izao: Tsy mila herisetra fanolanana. Karakarao izy…arovy

Vao haingana, nisy diabe  mitaky ny hitsaharan‘ny fikitikitihana any amin'ny faritra sarpady amin'ny olona niafara tamin'ny firohotan'ny daholobe nikitikitika ny faritra saropadin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Nampitandrina ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona fa ny herisetra miendrika fikitihana faritra saropady dia fandrahonana ataon'ny tafi-panjakana hampitahorana ireo vehivavy sy hamefena ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ny fiainam-bahoaka. Nitantara ny fiainany tao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe They were cowards and I shall remain (”Tsy vanona ireo ary mbola hijoro aho”)  i  Reem Labib, iray amin'ireo mpandray anjara amin'ilay fihetsiketsehana manohitra ity karazana herisetra ity,  :

Nidina an-dalam-be isika rehetra hitakiana ny fahafahana, ny fahamendrehana ary ny fitoviana amin'ny fahalalana sy fanekena ireo loza mety hitranga, ao anatin'izany ny fanolanana. Raha ho voatahy anaty tontolo mahasalama sy fitaizana madio azo antoka, ny fahalalana ny fisian'ny risika sy ny fanekena fa tsy voaomana ho amin'izany ianao, tsy nisy na inona na inona afa-manao izany: ity fanafihana ity no herisetra ratsy indrindra niainako ary fantatro fa mila fotoana lava aho hahasitrana ahy.

Vahoaka maro ary angamba mpikitikitika matanjaka na ara-batana efa an-jatony no nandavo ahy, nampitahotra ahy, hampikiakiaka ahy, tsy mba ady madio izany, voabojaboja sy voaloto ny vatako – saingy nokikisan-dry zareo ny hoditro fa tsy nahavaky ny foko (lohako na taolako), tsy ho isan'ireo tra-boina aho, ary tsy trotraka aho.

Nandritra izay, nanomana hetsika amin'ny 4 Jolay ireo mpitolona  hanoherana ny fanolanana, hitakiana ny lalana azo antoka ho an'ny olon-drehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.