- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestina: Noahafana Ilay Mpilalao Baolina Kitra Mahmoud Sarsak

Sokajy: Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Noafahana ilay mpilalao baolina kitra Palestiniana Mahmoud Sarsak omaly  [10 Jolay 2012]. Namoaka ny sariny [1] fiarahabana  azy tongasoa tao Gaza ny pejy Facebook misy ny ekipa Palestianina. Nosamborina tamin'ny 22 Jolay 2009 izy, raha niezaka namonjy ny ekipany tao avaratry ny sisintany nobodoina, nogadraina i Sarsak nanomboka hatreo ary nosokajiana ho toy ny  “fahavalo mpanani-bohitra” kanefa tsy nisy ny antony mazava nahavoharohirohy azy

Palestinian footballer Sarsak on his way to Gaza [2]

Mpilalao baolina Palestiniana Sarsak handeha ho an'i Gaza. Sary: Ekipa Palestina, Facebook

A massive welcome for Sarsak in Gaza [3]

Olona marobe no tonga nitsena an'i Sarsak  tao Gaza.  Sary: Ekipa Palestina, pejy Facebook

Nitokona tsy nihinan-kanina niaraka tamin'ireo gadra Palestiniana ao Isiraely manodidina ny 2000 eo ho eo i Sarsak,  ka naharitra 80 andro ny fifadian-kanina nataony. Nihamafy hery izy ireo taorian'ny famporisihana tamin'ny alalan'ny taratasy misokatra [4] nalefan'i Eric Cantona ho an'ny filohan'ny UEFA, Michel Platini sy ny filohan'ny FIFA Joseph Blatter izay mangataka an'i Isiraely [5] mba hamoaka ireo mpilalao baolina kitra Palestiniana nogadraina satria manitsakitsaka ny fifanekena momba ny zon'olombelona iraisam-pirenena.