- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Isiraely: Tatitra Fa Tsy Misy Fibodoana Rabirabian'ny Mpiserasera

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

Nitondra ny  tatitra  tany amin'ny praiministitra ireo delegasionina mpahay lalàna manokana notendren'ny governemanta  Netanyahu izay nirahina hampitony ireo voanjo [1] sy handinika ny maha-ara-dalàna ny fametrahana toby miaramila any Amoron'i Jordania. Nilaza ny tatitra izay natolotra tamin'ny 21 Jiona [2], saingy mbola tsy navoaka hatramin'ny omaly, fa tsy hery mpanani-bohitra [mibodo tany] ao Amoron'i Jordania i Isiraely [3] ary fanampin'izany, tsy mihatra amin’i Amoron'i Jordania ihany koa ny Fifanekena Fahaefatra  natao tao Geneva, midika izany fa manan-jo hanori-ponenana sy hametraka toby miaramila ao amin’ny faritra i Israely.  Nataon’ny mpianatra lalàna [4]  sy ny mpiserasera Israeliana fihomezana fotsiny ny tatitra noentin’ireto iraka manokana notarihin’ilay mpitsara teo aloha tao amin’ny fitsarana tampony Edmond Levy io.

Naneho ny heviny tao amin'ny  Twitter ny olona sasany:

Mpikatroka sady mpamahana bolongana Itamar Sha'altiel [5] namazivazy hoe:

עברנו מ”כיבוש” ל”איטס קומפליקייטד”

@ItamarS [6]: Avy any amin’ny “fibodoana” mankany amin'ny “sarotra ny milaza azy” isika

Mpamokatra lahatsary Omer Shapira nanoratra hoe:

ישראל: ״אין כיבוש״. פלסטינים: איזה כיף! אז אפשר חופש תנועה וזכות הצבעה? ישראל שניה, טלפון

@OmerShapira [7]: Isiraely: “Tsy misy “fibodoana”.” Palestiniana: “Tsara! Afaka mivezivezy malalaka sy manan-jo hifidy ve izany izahay? Isiraely: “Andraso kely, misy miantso amin’ny finday aho”

Nandefa fijery lalina toy izao i Alex:

אל תגלו לתקציב הבטחון שאין כיבוש, זה יגמור אותו

@alex10dlr [8]: Aza ambara ny tetibolan’ny fiarovana fa tsy misy ny “fibodoana”, tonga dia vita ny aminy

Kaonty sandoka an’ny Praiminisitra Isiraeliana nanoratra hoe:

אובמה התקשר אלי ושאל אם אדמונד לוי יסכים לחבר דו”ח על מחנה המעצר בגוואנטנמו.

@fake_bibi [9]: Niantso ahy i Obama ary nanontany ahy raha afaka manao tatitra momba ny fonjan’i  Guatanamo i Edmond Levy

Naneho hevitra mahatsikaiky  tahaka izany ihany koa mikasika ilay tatitra ny hafa, maro tamin’izy ireo no nampiasa ny sarin’i Edmond Levy, mpitsara ao amin’ny an-kavanana izay nitarika ny delagasionina.

We Won't Be Silent (tsy hangina izahay) [10], fanentanan'ny New Israel Fund, nanambara hoe [11]:

Mpitsara Edmond Levy: “Tsy misy fibodoana”. vehivavy palestiniana eo amin'ny toera-pisavana: “Mila mandà izany izahay”

Amir Schiby [12], mpamokatra lahatsary fanta-daza avy amin'ny hery ankavia namoaka ireto sary ireto:

Mpitsara Levy niteny an'i Netanyahu  teo am-panolorana ny tatitra: “Tapakila roa mandeha any Hague”, “ry zareo no miantoka ny fampiatranoana sy ny fanadiovana [Fitsarana iraisampirenena]”


Mickey Jerby namoaka [13] izao sary izao:

“Tsy misy ny fibodoana”

Pejy facebook Israeliana The Selfish Meme (Hatsikan'ny Tia Tena) [14] nampiseho an’i [15] Edmond Levy tahaka an’i Neo tamin’ny Matrix:

“Tsy misy ny fibodoana”

Mpamahana bolongana Ami Kaufman [16] nandefa ny sarin’ilay  [17] miaramila vavy mihoa-pahefana Eden Abargil [18]:

“Henoy ange, hoesoriko ny fanapena-maso. Lazao raha mbola mahita fibodoana hatrany ianao”

Mpikatroka ao amin’ny hery ankavia John Brown nandefa ity sary ity [19]:

“Hitanao izany? Efa nilaza taminao aho fa tsy misy ny fibodoana”