- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozambika: Fodian'ireo Mpianatra Voaroaka Avy Any Sodana

Sokajy: Afrika Mainty, Mozambika, Fanabeazana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Tanora

(Rohy mankany amin'ny fiteny Portigey) Dimy tamin'ireo mpianatra telopolo nisoratra hahazo vatsim-pianarana ao amin'ny Anjerimanontolo Iraisampirenen'i Sodana izay, tany akaikin'ny faran'ny Aprily, no nanasonia  fitarainana [1] iray teny anatin'ireo tambajotra sosialy, mikasika ny olana ara-bola sy sosialy atrehan-dry zareo ao amin'ity firenena mampiantrano an-dry zareo ity, ary efa tafaverina any Mozambika.

Ao anatin'ilay taratasy, navoaka [2] ny 27 Aprily tao amin'ny pejy Facebook “Mozambicains du Soudan” na Ireo Mozambikana ao Sodana, ireo mpianatra, nalefan'ireo fikambanana islamika ho any Sodana, dia toa nangataka ny fidirana an-tsehatry ny governemanta hamahàna ny olany izay faritana ho toy ny  “faran'izay ratsy”:

falta de fundos para pagamento de vistos de estadia, propinas, material escolar, material de higiene individual, seguro de saúde, e não deixando de lado a falta da variação alimentar, visto que os estudantes têm único tipo de alimentação de um de Janeiro a trinta e um de Dezembro de cada ano, Arroz e um caril muito esquisito (batata doce e abóbora).

Tsy fahampian'ny vola handoavana ny fahazoan-dàlana ‘visas’, ny saram-pianarana samihafa, ny fitaovam-pianarana ary ny fikarakaram-batana ho an'ny tsirairay, ny fiahiana ara-pahasalamana, ary tsy adino ny karazan-tsakafo zara raha misy, indrindra fa ireto mpianatra ireto dia tsy manana afa-tsy karazany iray ihany ao anatin'ny lisitra, ny voalohan'ny janoary ka hatramin'ny 31 Desambra, vary sy carry hafahafa be ihany ( vomanga sy voatavo).
Biblioteca da Universidade de Khartoum, Sudão. Foto de Book Aid International no Flickr (CC BY-NC-ND 2.0) [3]

Tranombokin'ny Anjerimanontolon'i Khartoum, Sodana. Sary:  Book Aid International ao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Ny “tabataba” [4] naterak'ilay fitarainana teny anivon'ny fampahalalam-baovao Mozambikana sy ny tambajotra sosialy dia nahatonga ny Anjerimanontolo hanao tsindry tamin'ireo mpanao sonia mba hameno antontan-taratasy [5] iray vaovao hiverenan'izy ireo amin'ny fanambarany . Ireo mpianatra tsy nanaiky hilefitra tamin'ilay tsindrin'ny Sodane dia noroahan'ilay anjerimanontolo ary naverina nody any Mozambika tamin'ny  29 jona.

Estudantes expulsos do Sudão

Mpianatra voaroaka avy any Sodana. Sary: Víctor Bulande (fampiasàna nahazoana alàlana)

Rehefa niandry nandritra ny ora fito tao amin'ny seranam-piaramanidin'i  Maputo, dia noraisina sy nampiantranoin'ny Parlement Juvénile (PJ) ry zareo, Fikambanana iray tsy miankina amin'ny Fanjakana, izay niova ho ny endrika hita mason'ny fanohanana [6] ireo mpianatra mozambikana. Nandritra ny tafatafa ho an'ny mpanao gazety natao tao amin'ny foiben'ny PJ, navoitran'ireo mpianatra ihany koa ny mety ho fisian'ny fifandraisan”ny raharaha amin'ny Al-Qaida.

Eny anaty tambajotra sosialy, marobe ireo kiana mikasika ny tsy fihazakazahan'ny governemanta mozambikana tamin'ny famahàna ny olana. Ny minisitry ny fampianarana, Zeferino Martins [7], dia nanamafy fa ‘tsy manana andraikitra, na kely aza amin'ireo mpianatra nahazo vatsim-pianarana niaina tany Sodana ireo’ ny governemanta, indrindra fa hoe ireto tanora mozambikana ireto dia fikambanana islamika no nandefa azy tany mba hanatrarana tanjona ara-pinoana”.

Tamin'ny alàlana olona mpanelanelana manana fifandraisana amin'ireo fikambanana ara-pivavahana miozolmana misy ao Mozambika no nandefasana ireny mpianatra ireny tany Sodana, indrindra fa ao Maputo. Araka [7] ny Minisitry ny Fanabeazana, nandray sarintsarim-panampiana avy aminà fikambanana iray antsoina hoe Sautul Islam [8] ireo mpianatra.

Na eo aza izany, ny bilaogin'ny Ligue des ONGs du Mozambique [9] (Fikambanan'ireo ONG ao Mozambika) dia namoaka lahatsoratra iray nanindriany fa tokony ho naka fepetra ny governemanta:

Admitindo que, eventualmente, os estudantes sejam vítimas das medidas de contenção de custos, seria importante [o Governo] ter um diálogo com eles e ajudá-los no desenho de cenários que possam mitigar o sofrimento dos estudantes.

Ndeha ary ho ekentsika hoe tratry ny fanenàna fandaniana ara-bola ireo mpianatra, zava-dehibe araka izany ny fifampiresahana [ny governemantal] amin'izy irei sy fanampiana azy ireo hahita vahaolana afaka mba hanamaivana ny fijalian-dry zareo.

Ary ampiany hoe :

esta situação pode chamar a atenção para mudança ou revisão das políticas públicas com relação a atribuição das bolsas e as respectivas condições dai subjacentes.

ity toe-javatra ity dia mety hisarika ny saina any amin'ny fanovàna na famerenana mandinika indray ny politikam-pitantanana mifandray amin'ny fanomezana vatsim-pianarana sy ny fepetra mifanaraka  takiana amin'izany.

Tsy vaovao  ny tranga tahaka azy ity, toy ny ampahatsiahivan'ny [1] mozambikana iray mpianatra tsy nitonona anarana ao Vietnam, ao anatin'ny fanehoan-kevitra iray amin'ny lahatsoratry ny  journal@Verdade, malahelo amin'ny “zavatra iainan'ireo mmpianatra ao Sodana, tohin'ny mahazo ireo any Alzeria zsy Rosia”. Ao anaty lahatsoratra iray hafa dia manamarika [4] i Carlos Cantinho hoe :

os bolseiros na Argélia exigiram o que lhes prometeram (recambiaram-nos para casa) estes no Sudão que decerto estará entre os mais pobres dos pobres,e dizem que não tem a ver com o ministério da educação mas sim com as tais organizações islamicas (madrassas). Nos países civilizados quando se fazem estes protocolos de cooperação no domínio da educação (cumpre-se). Pelos vistos neste caso ninguém se responsabiliza.

ireo nahazo vatsim-pianarana any Alzeria dia mitaky izay nampanantenaina an-dry zareo (ny fampodiana azy ireo an-tanindrazana) tahaka ireo any Sodana izay tafiditra ao anatin'ireo firenena faran'izay mahantra indrindra, ary miteny fa tsy misy ifandraisan-dry zareo amin'ny ministeran'ny fanabeazana mihitsy, fa kosa amin'ireo fikambanana islamika malaza (madrassas). Any amin'ireo firenena mandroso rehefa mametraka ireny fifanekem-piaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny fampianarana ireny (dia hajaina izany). Raha izay mba fantatra, tsy misy, hatramin'ny anio, olona nandray ny andraikiny.
Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Rui Lamarques (@LamarquesRui [10]).