- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampiasana Ny Fitaovana Fampitam-baovaon'olo-tsotra Miaraka Amin'ny Map Kibera Nandritra Ny Vovonan'ny GV

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Nandritra ny vovonana nokarakarain'ny  Global Voices tao Nairobi, Kenya tamin'ny 2-3 Jolay. Niara-niasa tamina fikambanana iray tao an-toerana, Map Kibera Trust, ny Rising Voices mba hampihaonana ny vondro-piaraha-monina roa hifampizara traikefa sy handray anjara amin'ny fampiasana ny fitaovana fifampitam-baovaon'olotsotra.

Fikambanana ao an-toerana mifototra amin'ny fampiasana sarintany miaty tahirin-kevitra sy fitaovana open-source ny Map Kibera Trust [1]. Niorina tany ambanitanànan'i Kibera izy tamin'ny voalohany fa niitatra tany ambanitanànan'i Mathare avy eo. Ankoatra ny fametrahana sarintany amin'ny fampiasana ny Open Street Map [2], niezaka tamin'ny filazalazana ny zavamisy amin'ny alalan'ny fampiasana ny fitaovana fampitam-baovao ampiasain'olotsotra ao amin'ny Voice of Kibera [3], ny Kibera News Network [4] ary ny Mathare Valley Blog [5].

Ny folakandron'ny 1 Jolay, nandeha nitsidika an'i Kibera sy Mathare ny vondrona roa an'ny Global Voices mba hihaona amin'ny mpikamban'ny Map Kibera [6] sy Map Mathare [7]. Tao no nahafantaran'izy ireo ny asan'izy ireo ary tao ihany koa no nilazalazan'izy ireo ny asan'ny Global Voices. Taorian'izany fampahafantarana fohifohy izany, nizara vondrona ahitana olona 4 ka hatramin'ny 6 misy mpikambana ao amin'ny Global Voices sy mpikambana ao amin'ny Map Kibera ary Mathare ry zareo ka nandeha nihaona tamin'ny fiaraha-monina hikaroka tantara mahaliana.

Mpikambana ao amin'ny Global Voices  miaraka amin'ny solontenan'ny Map Mathare

Niara nanangom-baovao tamin'ny alalan'ny resadresaka, sary, ary lahatsary izy ireo mba hatambatra ho votoaty ampiasaina ho fitaovana fifampitam-baovaon'olotsotra. Hivoaka ao amin'ny Rising Voices mandritra ny volana ny vaovao ary hivoaka ihany koa ao amin'ny Voice of Kibera (Feon'i Kibera) sy ny bilaogin'ny Voice of Mathare (Feon'i Mathare).

 

[8]

Mpikambana ao amin'ny Global Voices tao Kibera. Sarin'i Laura Schneider

Maro ireo sary mbola azona jerena eto [9] amin'ny kaonty Flickr an'ny Global Voices.