Fampiasana Ny Fitaovana Fampitam-baovaon'olo-tsotra Miaraka Amin'ny Map Kibera Nandritra Ny Vovonan'ny GV

Nandritra ny vovonana nokarakarain'ny  Global Voices tao Nairobi, Kenya tamin'ny 2-3 Jolay. Niara-niasa tamina fikambanana iray tao an-toerana, Map Kibera Trust, ny Rising Voices mba hampihaonana ny vondro-piaraha-monina roa hifampizara traikefa sy handray anjara amin'ny fampiasana ny fitaovana fifampitam-baovaon'olotsotra.

Fikambanana ao an-toerana mifototra amin'ny fampiasana sarintany miaty tahirin-kevitra sy fitaovana open-source ny Map Kibera Trust. Niorina tany ambanitanànan'i Kibera izy tamin'ny voalohany fa niitatra tany ambanitanànan'i Mathare avy eo. Ankoatra ny fametrahana sarintany amin'ny fampiasana ny Open Street Map, niezaka tamin'ny filazalazana ny zavamisy amin'ny alalan'ny fampiasana ny fitaovana fampitam-baovao ampiasain'olotsotra ao amin'ny Voice of Kibera, ny Kibera News Network ary ny Mathare Valley Blog.

Ny folakandron'ny 1 Jolay, nandeha nitsidika an'i Kibera sy Mathare ny vondrona roa an'ny Global Voices mba hihaona amin'ny mpikamban'ny Map Kibera sy Map Mathare. Tao no nahafantaran'izy ireo ny asan'izy ireo ary tao ihany koa no nilazalazan'izy ireo ny asan'ny Global Voices. Taorian'izany fampahafantarana fohifohy izany, nizara vondrona ahitana olona 4 ka hatramin'ny 6 misy mpikambana ao amin'ny Global Voices sy mpikambana ao amin'ny Map Kibera ary Mathare ry zareo ka nandeha nihaona tamin'ny fiaraha-monina hikaroka tantara mahaliana.

Mpikambana ao amin'ny Global Voices  miaraka amin'ny solontenan'ny Map Mathare

Niara nanangom-baovao tamin'ny alalan'ny resadresaka, sary, ary lahatsary izy ireo mba hatambatra ho votoaty ampiasaina ho fitaovana fifampitam-baovaon'olotsotra. Hivoaka ao amin'ny Rising Voices mandritra ny volana ny vaovao ary hivoaka ihany koa ao amin'ny Voice of Kibera (Feon'i Kibera) sy ny bilaogin'ny Voice of Mathare (Feon'i Mathare).

 

Mpikambana ao amin'ny Global Voices tao Kibera. Sarin'i Laura Schneider

Maro ireo sary mbola azona jerena eto amin'ny kaonty Flickr an'ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.