Tantara tamin'ny 11 Jolay 2012
Fampiasana Ny Fitaovana Fampitam-baovaon'olo-tsotra Miaraka Amin'ny Map Kibera Nandritra Ny Vovonan'ny GV
Nandritra ny vovonana nokarakarain'ny Global Voices tao Nairobi, Kenya tamin'ny 2-3 Jolay. Niara-niasa tamina fikambanana iray tao an-toerana, Map Kibera Trust, ny Rising Voices mba hampihaonana ny vondro-piaraha-monina roa hifampizara...
Nikaragòa: Tsy Mijanona Ny Tolona Ho Fampitsaharana ny Fampiasana Ny Ankizy
Tsy mora tokoa ny manandrana mampitsahatra ny fampiasana ny ankizy ao Nikaragòa, mampiseho ny antony mahatonga ireo ankizy marobe mbola miasa ity lahatsary manaraka ity na dia teo aza ny fisian'ny lalàna vaovao ....Na dia miasa mandritra ny tontolo andro aza izy ireo ka reraka vao mody an-trano, mirehareha tanteraka amin'ny fanampiany entiny ho an'ny fianakaviany ireo ankizy sy tanora ireo, ary tsy mandray izany ho toy ny "asa" na zavatra manitsakitsaka ny zony.
Mifidy Izay ho Filoham-pireneny Manaraka ny Meksikana
Nandeha tany amin'ny birao fandatsaham-bato ny Meksikana tamin'ny 1 Jolay hanao ny fifidianana ny ho filoham-pireneny. Nanomboka nizara ny heviny sy ny traikefany ihany koa ireo mponin'ny aterineto raha vao nisokatra ny birao fandatsaham-bato. Nikarakara tranokala sy tenifototra ihany koa izy ireo hanangonana ireo tatitra mikasika ny hosoka sy ny tsy fanarahan-dalàna hafa.
Pôrtô Rikô: Niteraka Korontana Ny Fitsarana Ny Raharahan'i Francheska Duarte
Nodonin'ny sakaizany taloha tamin'ny fiara ary navelany tany amin'ny toby fitsaboana vonjimaika ilay vehivavy renim-pianakaviana antsoina hoe Francheska Duarte. Ilay mpitsara nomena andraikitra hitsara io raharaha io, dia nahita fa tsy heloka bevava no azo anamelohana an'i Jorge Ramos, sakaizan'i Francheska taloha fa nohon'ny tsy fikarakarana ilay marary fotsiny ihany. Niteraka korontana tao amin'ilay nosy io didim-pitsaràna io .