Mpamahana bolongana sy mpikatroka syriana Marcell Shehwaro, avy any Aleppo, no namoy ny reniny Marina, raha notifirin'ny voakaraman'ny governemanta tao anaty fiara nisy azy vao maraimbe. Miara ory aminy noho izao fahalasanan'ny reniny izao ny mpiserasera manerantany.
Avy any Beyrouth, nisioka toy izao ilay mpiara-manorina sy lehiben'ny Fikambanana lehibe Arab Digital Expression, Ranwa Yehia:
@ranwayehia: vao fantatra fa nidonam-pahoriana ny tokantrano, tonga avokoa ireo mpamangy an'arivony naneho ny alahelony sy nitondra ny teny fampiononana RIP Marianne
Taminà sioka telo mifampitohy, Yehia nilaza momba an'i Marcel, izay naneho hevitra mikasika ny fahafatesan'ny reniny:
تابع “بس أبداً ما كنت متوقعة الوجع يكون بالعكس” ٣/٣
Taminà lahatsoratra nalefa tamin'ny 27 Mey, hoy i Marcel nanoratra:
وبجي بشوف عيونها هالقد من البكي لما بتسمع ” وأني طالع اتظاهر ودماتي بإيديا وان جيتك يما شهيد ما تبكين عليا “.
Nandritra izany, Rahaf Konbaz nizara tao amin'ny Twitter ny pikantsarin'i Marcell tao amin'ny Facebook. Toy izao ny fanavaozam-baovao farany nosoratany:
Efa tsikaritr'izy ireo ny fiara nitondra ny reniko niaraka taminà tovovavy iray sy tovolahy iray satria tamin'ny zotra mifanohitra tokony andehanany no nitondrana ny fiara fa tsy nisy ny marika nahalalàna hoe ny lalana aiza no tokony handeha. Tsy noraharahian'ilay mpiambina nanana basy sy bala teny aminy ny…nitifi-danitra .. ary nitifitra ny kodiaran'ilay fiara… notohizan'izy ireo ny fitifirana ilay fiara. Niala ny tifitra ilay fiara ary nandalo azy ireo. Tsikaritr'izy ireo fa hay fiara ihany ilay izy sady tsy nitifitra azy ireo izay tao anatiny fa mbola nanohy ny fitifirana ihany ilay efa nanapa-kevitra ny hitifitra. Rehefa hoe mitifitra dia mitifitra no dikany..
Araka izany, nifitifitra ilay fiara hatraty aoriana ilay mpiambina izay anisan'ny mpikambana ao amin'ny antoko. Tsotra izanyNiafara tamin'ny famoizan'ny reniko ny ainy izany bala izany ka nanakana azy tsy ho eo amin'ny fiainako intsony.
Ho an'ireo izay mino fa andian'olona mitam-piadiana izany. Jiolahy mitam-piadiana no namono ny reniko. Jiolahim-boto mitam-piadiana izay mandrafitra ny fitondrana
Nitondra ny teny fampionana ho an'i Marcell tao amin'ny Facebook sy Twitter avokoa ireo mpiserasera manerantany noho ny fahalasanan'ny reniny.