Ny tenifototra #TopUgandanLies sy #TopKenyanlies dia nivalamparana ny tontolo andron'ny 13 Jona 2012, lalao natao hahafantarana izay lainga tsara indrindra ao amin'ny faritra izy io. Ireto ny sasany amin'ny lainga tsara indrindra tany Oganda :
@LostInKampala dia mampatsiahy ny iray tamin'ireo lainga tany am-pianarana taloha izay nandaingan'ny mpianatra iray tamin'ny sasany ny toerana nividianana ny kirarony :
@LostInKampala:
#TopUgandanLies Avy any UK ity kiraro ity, nalefan'ny rahalahiko ho ahy.
@Gladystty mibitska ny fomba ahazoan'ny bandy sasany ny laharana findaim-behivavy :
@Gladystty:
#TopUgandanLies Tsy dia fanaoko ny manontany laharana findain'olo-mihaja fa mba hiala amin'ny mahazatra aho
@RugyendoQuotes dia mibitsika mahakasika ny sasany izay mihambo ho mahalala olona ambony ao amin'ny governemanta :
@RugyendoQuotes:
#TopUgandanLies ‘Andraso kely iray segondra handray ity antso ity aho. Antso avy any amin'ny Lapam-panjakana ity’.
@LostInKampala dia mibitsika mikasika ny fomba mahatonga ny olona sasany handainga moba ny toerana hijeren'izy ireo sarimihetsika :
@LostInKampala:
#TopUgandanLies “aty amin'ny cineplex eto am-pijerena sarimihetsika ” fa ny tena heviny dia aty amin'ny “Jingo's” kafunda [trano fijerena sarimihetsika eny amin'ny tanàna ambany ao Jingo]
@SW_Mark mibitsika ny fomba fandàvan'ny olona sasany any Oganda ho tsy mandray alikaola nefa ny marina dia ataony izany :
@SW_Mark:
#TopUgandanLies Tsy misotro toaka aho …#silamo ry sipa …tsy mandà izany ny bandy
@WaddaMutebi dia nanoratra :
@WaddaMutebi: #TopUgandanLies Ireo teknisianintsika dia miasa mafy mba hamerenana indray ny tambajotra any faritra misy anareo (foibenà antso gal)
Ny fotoana Ogande :
@PhenomenalPPP: Ety an-dàlana aho, tonga any aho afaka 15 minitra. Mahazatra #topUgandanLies
Ny politika Ogande :
@Aminah_23: #TopUgandanLies M7 tsy hahazo ny ampaham-potonany faha-5 i [Yoweri Museveni] @waddamutebi