- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Korea Atsimo: Esoeso An-tserasera Momba Ny Fitsarana Tranga-na Fikitihana Faritra Saropady

Sokajy: Mediam-bahoaka

Niteraka hanihany sy tebaka maro any amin'ny zareo Koreana Tatsimo ao amin'ny Twitter  ny didim-pitsarana momba ny fanohintohinana ny saropady amin'ny vehivavy.

Vehivavy miasa ao amin'ny fivarotana golf no nametraka fitoriana lehilahy mpividy iray ho nikitikitika faritra saro-pady, voalaza ho nikasika sy nanindry “teo amin'ny faritry ny nonony” tamin'ny tanany ka tsy nankasitrahany izany. Nadaboky ny mpitsara Kim ny raharaha [1] [ko] tamin'ny 3 Jolay 2012 tao amin'ny Fitsarana tao amin'ny distrikan'i Daegu tamin'ny filazana fa: “ny faritra nolazain'ny olona niharany dia teo amin'ny taolam-panavy fa tsy tena teo amin'ny faritra saropady” toy ny tratra.

No Sexual Violence T-shirt During SlutWalk March in London

A woman wears a t-shirt against sexual violence during a slutwalk march in London, United Kingdom. Photo by Alex Milan Tracy, copyright (c) Demotix (11/06/2011)Manao akanjo hanoherana ny herisetra fanolanana nandritra ny diabe “slutwalk” tany Londres, UK. Saripika Alex Milan Tracy, nandika (c) Demotix (11/06/2011)

Tsy voatanisa ny fanehoan-kevitra maneso voarain'i Kim Nam-Hoon (@namhoon [2]) mpisiokantsera manana ny lazany ao Korea Atsimo [3] [ko] momba ny fanapahan-kevitry ny fitsarana rehefa avy nisioka izy:

판사가 이젠 성감대까지 감별

Anjaran'ny mpitsara ankehitriny no manapa-kevitra amin'ny hoe aiza no “faritra saropady”

Mpisera Twitter @taek2_j [4] namaly tamin'ity soratra maneso [5] [ko] ity:

쇄골 아래는 성감대가 아니었군요! 판사님이 성감대까지 정해주시다니 친절도 하셔라.

Fantatro izao fa tsy faritra mahataitra eo ambanin'ny taolam-panavy. Ahoana no fomba anapahanareo mpitsara ny faritra saropady amiko.

@please_be_happy [6]  [ko]:

성추행을 당한 사람이 느껴야만 성추행으로 인정된다는건가? 미친거 아냐?

Izany ve no Midika ve izany fa lazaina ho fikitihana faritra saropady raha toa ka taitra amin'ilay hetsika ilay niharany? Mba hadalàna koa re izany!

Nanampy i @dreamer_sun [7] added [8] [ko]:

모르긴해도 저부위가 판사의 성감대는 아닌걸로.

Satria angamba tsy faritra mahataitra ny mpitsara ny faritry ny taolam-panavy.

Efa nihoatra ny in-640 no nisy nampita ity hatsikana [9] [ko] nataon'i @Ex_armydoc [10] ity :

한국 법정에서 공식적으로 쇄골 밑은 성감대가 아니라고 판결했습니다. 이제부터 쇄골 밑에서 느끼시는 분들은 불법을 자행하고 계신 것이니 가까운 파출소나 경찰서에 신고하여 주시기 바랍니다.

Namaritra tamin'ny fomba ofisialy ny fitsarana Koreana fa tsy faritra mahataitra ara-pilàna ny taolam-panavy. Raha mahita olona mahatsapa filàna rehefa kitihana amin'io faritra io ianao, dia tsy ara-dalàna izany. Noho izany atero eny amin'ny mpitandro filaminana akaiky anao izy azafady.

Na izany aza, Mpijery aterineto sasany, nandresy lahatra [11] [ko] fa misy fampahalalam-baovao sasany manitatra sy mandiso hevitra. Nefa nohazavain'i [12] [ko]  @aqua7414 [13] ny fepetra tsotra manjaka amina tranga-na fikitihana faritra saro-pady.

언제부터 성감대를 법으로 정했냐? 신체접촉이 불쾌했다면 그게 성추행이지. 그럼 발에 집착하고 손에집착하는 사람들..아동성범죄 저지르는 놈들 다 무죄겠네? 아이가 성감대가 있을리 없잖아? 법원은 뇌를 들고 출근해라!

Hatramin'ny oviana ny fitsarana no manapa-kevitra amin'izay lazaina ho faritra saro-pady mahataitra eo amin'ny vatana? Raha mahatsapa voatohitohina ny olona iray, niharan'ny fikitikitihana ny faritra saro-pady izy izany. [Raha arahina ny lôjikan'ny fitsarana] dia [azo heverina] ho tsy meloka avokoa ny mpanolana mankafy manokana ny tongotra, na tanana, na ireo mpanolana ankizy – satria tsy mbola maoty manana faritra mahataitra ny ankizy. Mba misaina ry mpitsara rehefa miasa ianareo.