Niteraka hanihany sy tebaka maro any amin'ny zareo Koreana Tatsimo ao amin'ny Twitter ny didim-pitsarana momba ny fanohintohinana ny saropady amin'ny vehivavy.
Vehivavy miasa ao amin'ny fivarotana golf no nametraka fitoriana lehilahy mpividy iray ho nikitikitika faritra saro-pady, voalaza ho nikasika sy nanindry “teo amin'ny faritry ny nonony” tamin'ny tanany ka tsy nankasitrahany izany. Nadaboky ny mpitsara Kim ny raharaha [ko] tamin'ny 3 Jolay 2012 tao amin'ny Fitsarana tao amin'ny distrikan'i Daegu tamin'ny filazana fa: “ny faritra nolazain'ny olona niharany dia teo amin'ny taolam-panavy fa tsy tena teo amin'ny faritra saropady” toy ny tratra.
Tsy voatanisa ny fanehoan-kevitra maneso voarain'i Kim Nam-Hoon (@namhoon) mpisiokantsera manana ny lazany ao Korea Atsimo [ko] momba ny fanapahan-kevitry ny fitsarana rehefa avy nisioka izy:
판사가 이젠 성감대까지 감별
Mpisera Twitter @taek2_j namaly tamin'ity soratra maneso [ko] ity:
쇄골 아래는 성감대가 아니었군요! 판사님이 성감대까지 정해주시다니 친절도 하셔라.
@please_be_happy [ko]:
성추행을 당한 사람이 느껴야만 성추행으로 인정된다는건가? 미친거 아냐?
Nanampy i @dreamer_sun added [ko]:
모르긴해도 저부위가 판사의 성감대는 아닌걸로.
Efa nihoatra ny in-640 no nisy nampita ity hatsikana [ko] nataon'i @Ex_armydoc ity :
한국 법정에서 공식적으로 쇄골 밑은 성감대가 아니라고 판결했습니다. 이제부터 쇄골 밑에서 느끼시는 분들은 불법을 자행하고 계신 것이니 가까운 파출소나 경찰서에 신고하여 주시기 바랍니다.
Na izany aza, Mpijery aterineto sasany, nandresy lahatra [ko] fa misy fampahalalam-baovao sasany manitatra sy mandiso hevitra. Nefa nohazavain'i [ko] @aqua7414 ny fepetra tsotra manjaka amina tranga-na fikitihana faritra saro-pady.
언제부터 성감대를 법으로 정했냐? 신체접촉이 불쾌했다면 그게 성추행이지. 그럼 발에 집착하고 손에집착하는 사람들..아동성범죄 저지르는 놈들 다 무죄겠네? 아이가 성감대가 있을리 없잖아? 법원은 뇌를 들고 출근해라!