Tantara tamin'ny 09 Jolay 2012
Shily: Tsy Manan-kialofana Ao Santiago
Ao Santiago, Shily, tahaka ny any amin'ny tanna maro manerana ny tany, mety ho vanin-taona mahafaty ho an'ireo tsy manan-kialofana ihany koa ny ririnina. Amin'ny alàlan'ny saripika, Alejandro Rustom, mpiara-miasa ao amin'ny Demotix dia mampibaribary ny tena zava-misy iainan'ireo tsy manan-kialofana ao an-drenivohitra Shiliana sady manasongadina ny fomba entin'ireo olom-pirenena hanampiana azy ireny
Malawi: Governemanta Vaovao Miatrika Fanamby Ara-toekarena sy Sosialy
Raha maro ireo malawita no feno fanantenana hatramin'ny nahatongavan'i Joyce Bandà teo amin'ny fitondrana ny firenena, ny sasany tamin'izy ireo kosa tsy maintsy namorona fomba azo atao mba hampifandanjàna ny...
Korea Atsimo: Esoeso An-tserasera Momba Ny Fitsarana Tranga-na Fikitihana Faritra Saropady
Niteraka hanihany sy tebaka maro any amin'ny zareo Koreana Tatsimo ao amin'ny Twitter ny didim-pitsarana momba ny fanohintohinana ny saropady amin'ny vehivavy. Vehivavy miasa ao amin'ny fivarotana golf no nametraka fitoriana...
Oganda: Ny Lainga Ogande Tsara Indrindra Ao Amin'ny Twitter
Ny tenifototra #TopUgandanLies sy #TopKenyanlies dia mampiasaina ny tontolo andron'ny 13 Jona, 2012, izay nizarana tamin'ny Twitter ny lainga tsara indrindra eto amin'ny faritra. Ho an'ny mpampiasa Twitter @PhenomenalPPP, ny lainga Ogande tsara indrindra dia " Ety an-dàlana aho, tonga any aho afaka 15 minitra".Vakio ao amin'ny lisitry ny lainga tsara indrindra ogande ireo lainga sasany natao.
Mali: Tsy Miraika Manoloana Ny Fanimbàna “mausolées” Ao Tombouctou Izao Tontolo Izao
Hiditra ao anatin'ny tantaran'i Mali sy ny lova ara-kolontsain'ny zanak'olombelona ny 30 Jona 2012, tahaka ny hoe iray tamin'ireo izay tena namoa-doza indrindra. Ansar Dine, iray amin'ireo vondrona mitam-piadiana mifehy ny avaratr'i Mali, dia niditra tamin'ny fanimbàna ireo fasana masin'ny miozolmana (mausolées) tao an-tananan'i Tombouctou. Mihetsika ireo mpiondana aterineto: