Azia Atsimo Atsinanana: Toeran'ny Ady An-trano Goavana Indrindra Misy Eto An-tany Amin'izao Fotoana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay ny  Fifandraisana Iraisam-pirenena & Filaminana.

Mbola be lavitra noho ny tora-pasika fotsy manjopiaka, ny tempoly sy ny hotliny no azo ambara momba an'i Azia Atsimo Atsinanana : io koa no isan'ny faritra tena ravan'ny ady indrindra eto amin'ny planeta. Laos, Kambodza, ary Vietnam, ohatra, no isan'ireo firenena niharan'ny zera baomba mavesatra indrindra nandritra iny taonjato lasa iny. Saika ny ampahatelon'ny baomba  ‘à fragmentation ‘ nazeran'i Etazonia tao Laos teo anelanelan'ny 1964 sy 1973 no   tsy nipoaka ary mbola miparitaka eran'ny firenena. Anna MacDonald, lehiben'ny Fanentanana Iraisampirenena ho Fanaraha-maso ny Fitaovam-piadiana ataon'ny Oxfam, no manipika ny tontolo milamina saingy saropadin'ireo faritra ambanivohitr'i  Laos:

Teo am-pidinana ny fiaramanidina tao amin'ny faritanin'i Xieng Khuang dia efa any anaty faritra tena ambanivohitra be izahay. Tany fambolena, feno ombin-drano sy tanimbary no manodidina,  ary ireo tehezam-bohitra dia ahitàna tany fambolena mifanao an-tanan-tohatra sy trano hazo madinika amin'ny endrika nentim-paharazana. Tontolo iray malefaka, milamina izay mampanadino ireo lova ratsy navelan'ny fotoanan'ny ady hita eny amin'ny manodidina rehetra eny – 100% n'ireo tanàna eto no manana  UXO (baomba tsy nipoaka) any anatin'ny tany famboleny sy ny manodidina any.

Raha mbola mitohy manelohelo any amin'ny faritra  ny Adin'i Vietnam, dia misy fery vao  ihany koa avy amin'ny ady izay mila tsaboina ao Azia Atsimo Atsinanana. Ohatra, ny ady an-trano ela indrindra teto amin'izao tontolo izao mbola mitohy hatrizao mahavoarohirohy ny Tafi-Panavotam-Pirenena Karen, izay mitaky ny fahaleovantena amin'i Myanmar tato anatin'ny 60 taona.

Burma Matters Now mizara ny  fiantraikan'ny ady  amin'ireo sivily tsy manan-tsiny monina any amin'ny sisintany eo anelanelan'i Myanmar sy  Thailand:

“Ho an'ny maro, efa lasa fahazarana ny mandao ny tranony in-telo na in'efatra isan-taona miaraka amin'izay voatsirambin'ny tànana sy azo babena alohan'ny hahatongavan'ny miaramila. An'arivony maro ireo mponina no voatery manao dia an-tongotra mamakivaky ala mikotroka sy sarotra hidirana, toerana tsy hahitan'ireo miaramila azy ireo eo am-pahatongavana. Any am-piafenana any, tsy mainty ferana fatratra tokoa ny ara-tsakafo ho an'ireny fianakaviana ireny ary miaina anaty toeram-pialofana faran'izay tsizarizary.

Araka ny ambaran'ny The Irrawaddy, vinavinaina ho eo amin'ny 450.000 eo ireo sivily nafindra toerana ao anatin'ny fireneny ihany izay amin'izao fotoana dia napetraka any amin'ny faritra Atsinanana sy Atsimo Atsinanan'i Myanmar noho ny ady an-trano. Ary raha tamin'ny Janoary, ny Fiombonambem-Pirenena Karen sy ny governemanta foibe ao Myanmar dia nanao sonia fampitsaharana fifanafihana, dia mifampiampanga hatrany kosa ho  nanitsakitsaka ilay fifanarahana ny roa tonta .

Mandritra izany, ny antoko politika Kaominista ao Philippines,  manaraka ny firehan-kevitra Maoista, dia nandrangaranga revolisiona mitam-piadiana tany amin'ny faritra ambanivohitra hatramin'ny 1969, nahatonga azy io ho ny fikomiana kaominista goavana indrindra nanerana izao tontolo izao.

Ireto ambany ireto ny saripikan'ireo vehivavy mpiady avy amin'ny Tafika Mena sy ny fankalazana iray ny tsingerintaonan'ny antoko tao aminà tanàna kely iray lavitr'andriana any amin'ny nosy Mindanao.

Vehivavy mpiadin'ny Tafika Mena ao  Philippines. Sary avy amin'ny Philippine Revolution Web Central.

Faha-42 taonan'ny Antoko Kaominista tany Avaratra Atsinanan'ny faritr'i  Mindanao, sary avy amin'ny  Philippine Revolution Web Central.

Nihantona amin'izao fotoana ny fifampiraharahàna hisian'ny fandriampahalemana teo amin'ny governemanta ao Philippines sy ireo kaominista mpihoko. Kianin'ny governemanta ho tompon'antoka amin'ny tsy fandrosoan'ny firenena ny mpihoko. Ampangainy ihany koa izy ireo ho manao heloka bevava tahaka ny fibodoana fananan'olona sy fakàna an-keriny mba hamatsiana ny hetsik'izy ireo. Mandritra izany, ireo mpihoko dia milaza fa tafavoaka tamin'ireo fanafihana marobe nataon'ny tafiky ny governemanta ry zareo nandritra ny efapolo taona lasa satria teo ny fanohanan'ny vahoaka azy ireo.

Nanery mponina an'arivony maro handositra ny fonenany ny ady ao  Mindanao any Philippines. Antsoina hoe ‘bakwit’ ireo mpialokaloka (tenin-jatovo hilazana ireo nafindra monina) . Fr. Felmar Castrodes Fiel, avy amin'ny Society of the Divine Word (SVD), mitantara ny tantara mahazatra momba ny olana atrehan'ireo  bakwit:

…nahafaty olona 50.000 raha kely indrindra ny fihokoana, nahatonga olona 2 tapitrisa handositra ny tranony, nanimba moske maherin'ny 500, sekoly 200 ary tanàna amam-bohitra 35.

Ao Mindanao,  teny malaza ny “bakwit”. Manondro ireo olona nafindra toerana io, izay tafiditra anelanelany tamin'ny fifampitifiran'ireo “olona tsy tàn-dalàna” sy ny tafika ka tsy nanana safidy afa-tsy ny mandositra ny trano fonenany mba tsy ho voaporitra ao anatin'ny ady.

Ireo hetsika fitakiana fizakan-tena ihany koa dia mihanaka any amin'ny ilany  atsimon'i Thailand sy any atsimon'i Philippines. Ny fihokoana islamika ao  Thailand manokana dia nihamafy tato anatin'ny taona vitsy, ary ny sasany amin'ny mpandalina dia mino fa io no ho lasa fihokoana goavana indrindra misy any Azia.

Ny lohateny lehibe manerana izao tontolo izao dia zara raha miteny ny ady misy ao Azia Atsimo Atsinanana. Mampalahelo satria voabahana hatramin'ny fifanakalozan-dresaka faobe sy ny fahatakàrana ny antony samihafa miteraka ny disadisa sady – rehefa aravona– dia ny fahitàna vahaolana.

ISN logoIty lahatsoratra ity sy  ny fandikanteny ho amin'ny teny Espaniola, Arabo ary Frantsay dia notohanan'ny International Security Network (ISN) ao anatin'ny fifanekem-piaraha-miasa hitadiavana izay hamoahana ny feon'ny vahoaka mikasika ny resaka fifandraisana iraisam-pirenena sy ny filaminana  manerana izao tontolo izao. Navoaka voalohany tao amin'ny bilaogin'ny ISN ity lahatsoratra ity, jereo ny tantara sasany mitovitovy amin'izao ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.