- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sodana : Mpitoraka Bilaogy Iray Hafa Indray No Mbola Voasambotra

Sokajy: Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

Araka ireo tatitra farany, maro ireo Sodaney mpitoraka bilaogy sy mafana fo voasambotra tato anatin'ny andro vitsy. Androany, nanaraka ireo lahatsoratra navoakan'ny iray tamin'ireo mpitoraka bilaogy tao amin'ny Twitter aho. Voasambotra i Maha Sanosi @MimzicalMimz [1]. Navotsotra izy taty aoriana mba hampahafantatra antsika mikasika ny firotsahan'ireo mpitandro filaminana teny an-toerana:

Ireto ambany ireto ny bitsik'io mpitoraka bilaogy io ora vitsy talohan'ny fanafihan'ireo mpitandro filaminana:

 

 

Ity no bitsiny farany:

 

Na dia voasambotra aza i Sanosi sy ireo mafana fo, mpitoraka bilaogy ary mpanohitra maro hafa, tsy ho tahaka izany ireo mpanohitra amin'ny  #SudanRevolt. Raha ao amin'ny Twitter ianao, aza adino ny mitoraka bitsika momba an'i #Sudan; midika zava-dehibe ny firaisan-kinanao ho an'ireo mafana fo any an-toerana.

 

@YusurAlBahrani