Araka ireo tatitra farany, maro ireo Sodaney mpitoraka bilaogy sy mafana fo voasambotra tato anatin'ny andro vitsy. Androany, nanaraka ireo lahatsoratra navoakan'ny iray tamin'ireo mpitoraka bilaogy tao amin'ny Twitter aho. Voasambotra i Maha Sanosi @MimzicalMimz. Navotsotra izy taty aoriana mba hampahafantatra antsika mikasika ny firotsahan'ireo mpitandro filaminana teny an-toerana:
Lasa ntaolo be ‘ty 🙂 Salama aho, nanafika ny tranoko ireo mpiasan'ny NISS miisa 12, ny 2 nitam-piadiana, nangihy ny telefôna/solosaina findaiko, nitondra ahy tany amin'ny tobin'ny NISS, nampiantso ahy ny ampitso
— Mimz (@MimzicalMimz) 27 Jona 2012
Ireto ambany ireto ny bitsik'io mpitoraka bilaogy io ora vitsy talohan'ny fanafihan'ireo mpitandro filaminana:
Ny zavatra teneniko fotsiny dia ny hoe miangavy anao tsy hino izay rehetra henon'ny sofinao. Manao fanentanana mafonja ny NISS hanaratsiana mafy an'ireo mpanohitra ao amin'ny #SudanRevolts.
— Mimz (@MimzicalMimz) 26 Jona 2012
Misaotra ny @globalvoices nandrakotra ny fisamborana an'i @simsimt & namoaka ny tantarany mivantana avy any amin'ilay loharano. #FreeUsamah
— Mimz (@MimzicalMimz) June 26, 2012
Navoaka any Ejipta ny namako @S_Elwardany izay notanana niaraka tamiko nandritra ny ora 5 tamin'ny herinandro noho ny fandrakofany ny #SudanRevolts
— Mimz (@MimzicalMimz) 26 Jona 2012
Ity no bitsiny farany:
Mbola hahita ny namako ve aho indray andro any? @simsimt @s_Elwardany…………..
— Mimz (@MimzicalMimz) 26 Jona 2012
Na dia voasambotra aza i Sanosi sy ireo mafana fo, mpitoraka bilaogy ary mpanohitra maro hafa, tsy ho tahaka izany ireo mpanohitra amin'ny #SudanRevolt. Raha ao amin'ny Twitter ianao, aza adino ny mitoraka bitsika momba an'i #Sudan; midika zava-dehibe ny firaisan-kinanao ho an'ireo mafana fo any an-toerana.
@YusurAlBahrani