Taorian'ny fanonganana ireo filoham-pirenena Toniziana sy Ejiptiana, niparitaka ny antson'olon-tsy fantatra hanaovana “Androm-pahatezerana” any Arabia Saodita ny 11 Martsa 2011. Ho valin'izany, nanaparitaka ireo mpitandro filaminana maro tany amin'ireo tanàn-dehibe rehetra ny governemanta mba hahazoana toky fa hijanona anaty aterineto fotsiny ihany ny hetsi-panoherana.
I Khaled Al-Johani, mpampianatra iray 40 taona mahery, irery ihany no mpanohitra tratran'ny lahatsary fanaraha-maso tamin'io andro io (Ny Amnistia Iraisam-pirenena dia mitatitra fa farafaha-keliny mpanohitra efatra hafa no voasambotra tamin'io andro io noho ny ‘fikasan'izy ireo’ hanohitra). Niresaka niaraka taminà vondronà mpanao gazety i Al-Johani, izay nentin'ny fiara fitateran'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fampahalalam-baovao tany amin'ilay toerana tokony nitrangan'ny hetsi-panoherana. Voasambotra ny andron'ily fanadihadiana ihany izy rehefa niverina tany an-tranony ary mbola voatana hatramin'izao.
Araka ny voalazan'i @whereiskhaled, tsaraina any amin'ny Fitsarana Manokana ny Heloka Bevava any Jeddah izy izao. Nitatitra ihany koa io kaonty io fa tsy nety nampiasa ny antso an-telefona izy ho fanoherana ny fampijaliana ara-tsaina.
@SaudiDetainees, kaonty Twitter iray natokana hanaovana fanentanana ho an'ireo Saodiana voatàna noho ny tsy rariny, dia nanomboka fanentanana ao anaty aterineto ny Alatsinainy teo ho fanohanana an'i Al-Johani amin'ny alalan'ny tenifototra #khalidj.
Nanintona olona maro io fanentanana io. Ireto ambany ireto ireo bitsika avy amin'io tenifototra io.
Nitoraka bitsika i Salman al-Odah, ilay Saodiana mpitarika fivavahana manana mpanaraka 1,200,000 mahery [ar]:
Dr Madawi Al-Rasheed, mpampianatra ny fandinihana momba ny fivavahana sady malaza mpitsikera ny fitondrana Saodiana , manoratra [ar]:
Nilaza ilay reformista Islamista manan-danja Abdullah al-Hamid [ar] hoe :
Nitoraka bitsika i Manal al-Sharif, olo-malaza ao amin'ny Women2Drive, :
Ary nanamarika i Haytham al-Tayib, Saodiana mpampiasa Twitter: