- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Paragoay: Voaongana ny Filoha Fernando Lugo

Sokajy: Amerika Latina, Paragoay, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Araka ny tatitra nataonay vao haingana [1], dia nandatsa-bato mba hanalàna ny Filoha Fernando Lugo eo amin'ny toerany ny Loholona Paragoaiana taorian'ny fitsaràna maimaika natao.  Ny Kongresy Paragoaiana koa dia nandany ny lalàna  fampiatoana [2] ny filoha [2], vokatry ny fomba nitantanany ny ady [3]tany nisy teo amin'ny mpitandro filaminana sy ny campesinos (“tantsaha”), izay nahafatesana olona 17  (mpitandro filaminana fito sy tantsaha folo ).

Nisy solon-tenan'ny Firaisan'ny Firenena ao Amerika Atsimo tonga [4] tany Paragoay mba hihaona amin'ny governemanta sy ny mpanohitra izay nanery  ny fampiharana ny lalàna fampiatoana ny filoha. Ny UNASUR  dia nampitandrina  ny fisian'ny “fanonganam-panjakana ankolaka” sy ny vokatra mety ho entin'ny fampiatoana ny Filoha eo amin'ny fireneny.

Androany, ny Loholona izay fehezin'ny mpanohitra dia nandany tamin'ny isam-bato 39 no 4  fa meloka noho ny faharatsian'ny fitondrany i Fernando Lugo, araka ny tatitra nataon'ny gazety Paragoaiana ABC [es} [5]. Fotoana fohy taorian'izay dia nanao fanambarana i Fernando Lugo fa manaiky [6] ny fialàny.

Nisy fihetsiketsehana fanoherana  nipoitra tampoka  teo ivelan'ny Kongresy  mampitovy io dingana io amin’ ny fanonganam-panjakana. Mpampiasa Twitter maro no nitatitra  fifandonana [7] [es] sy famoretana ataon'ny mpitandro filaminana [8][es].

Ny mpampiasa aterineto dia naneho mavitrika ny heviny ny amin'ny fivoaran'ny toe-draharaha ankehitriny.

Estela Nuñez Acosta (@Jesudi [9]) dia  mitanisa ny fehezanteny naverin'ny mpanao lalàna izay nandany ilay fampiatoana ny Filoha ary manampy hoe :

“Por la condena”.. todavía no puedo creer que algunos denunciados por corruptos y más pronuncien esta frase. ‪#JuicioPolitico‬ [10]

“Ho an'ny fanamelohana”…Tsy mino aho fa  ireo izay voalaza ho nanao kolikoly dia ho sahy hanonona ity fehezanteny ity. #JuicioPolitico‬ [10] (“Fitsarana Politika”)

Nandritra izay fotoana izay, Alfredo Morinigo (@alfmorinigo [11]) [es] dia mibitsika hoe :

#Lugo‬ [12] se merecía el ‪#JuicioPolitico‬ [10] Pero a tan solo 9 meses de la culminación de su mandato no veo la necesidad se hacer esto.

Mendrika an'i #Lugo‬ [12] ny ‪#JuicioPolitico‬ [10] (“Fitsarana  politika”). Nefa, raha  9  volana monja  mialoha ny fifaranan'ny fitondrany dia tsy hitako izay antony hanaovana an'izany.

Momba ilay fitsaràna, Sergio Lahaye (@SergioLahaye [13]) [es] dia nibitsika avy any Asunción renivohitra  :

Angamba tsy mahalala na inona na inona aho, fa hatramin'izao, tsy hitako izay porofo fa meloka amin'ireo fiampangana ireo i ‪#Lugo‬ [12]. Ireo mpanao politika fotsiny no mikiakiaka milaza azy ho izany.

Raha Lara Tomassi (@laratomassi [14]) [es] kosa milaza hoe :

Se pusieron todos de acuerdo.. Tanto les costaba cuando trataban temas de salud, educación, transporte publico y demás precariedades?

Niaraka niaiky izy rehetra…Sarotra ho azy ireo ny mitady ny marimaritra iraisana eo amin'ny olana mahakasika ny ara-pahasalamana, fampianarana, fitateram-bahoaka sy ny sehatra sasany mbola marefo?

Santiago Escobar (@santesgon [15])  kosa dia maneho ny alahelony ny amin'izay zavatra fonosin'ity olana politika ity  ho an'i Paragoay :

Destituyeron a ‪#Lugo‬ [12], estamos en boca de todos, tenemos riesgo de salir del Mercosur y Unasur. Pueden cerrar las fronteras‪#DesastreNacional‬ [16]

 Voaongana i #Lugo‬ [12] , anton-dresaky ny ankamaroan'ny olona ny firenentsika, mety ho voahilika tsy ho mpikambana ao amin'ny Mercosur sy Unasur intsony isika ary mety hanidy ny sisin-taniny ry zareo ‪#DesastreNacional‬ [16] (“Faharavam-pirenena”)

Mandritra ny filazan'ny mpanao famakafakana [17] sy ny olom-pirenena sasany fa fanonganam-panjakana io, ny hafa kosa, toy ny mpanao gazety  Santiago González (@SanTula [18])  dia niaro ny maha araka ny lalàm-panorenana io lalàna fampiatoana ny filoha  io :

El juicio politico es una via constitucional de destitución del presidente. Nuestra constitución es superior a tratados internacionales.

Ny fitsarana politika dia lalàna ao anaty lalàm-panorenana natao hampiatoana  filoha. Ny lalàm-panorenantsika dia ambonin'ny fifanarahana iraisam-pirenena.

Ny Filoha Lefitr'i Fernando Lugo, Federico Franco, no handray ny toeran'ny Filoham-pirenena vaovao any Paragoay, ary hamafisin'i Myrian Jara (@My_Jara [19])   fa hafa ny fizotran'ny raharaha raha toa ka nomen'i Lugo ny Lefiny ny fitondrana :

Desde un principio Federico Franco debia haber tomando el mando y Lugo haberle cedido su lugar y de ese modo esto no iba estar pasando.

 Tokony noraisin'i Federico Franco hatrany am-boalohany ny fitondrana ary Lugo kosa niala, raha izay, dia tsy nisy na inona na inona nitranga.

Fa ny olona sasany, tahaka an-dry Fabiana Silva (@fabisilvarojas [20]) dia tsy nankasitraka  ny andraikitra vaovao sy ny lahatenin'i Frederico Franco tamin'ny Zoma :

Todo eso va a hacer en 9 meses? Discurso fuera de la realidad temporal. Por favor dejá de robar ‪#Franco‬ [21]. Mi presidente no sos, no te elegí.

Ho vitany ao anatin'ny 9 volana ve ireo rehetra ireo ? Lahateny lavitry ny zava-misy ankehitriny izany. Azafady, ajanony ny halatra ry #Franco [21]. Tsy Filohako ianao, tsy nifidy anao aho.

Hitondra hatramin'ny 2013 i Federico Franco, fotoana hahataperan'ny fitondran'i Fernando Lugo. Azo vakiana ao amin'ny Twitter miaraka amin'ny tenifototra  #Lugo [22], #juiciopolítico [23], [24](“Fitsarana politika”), #  apoyoaLugo [24], (“Manohana an'i Lugo aho”), #Paraguay [25] ny  tatitra  misimisy kokoa sy ny hevitry ny olona sasany.