Tantara tamin'ny 02 Jolay 2012
Espana: Nentin'ny Mpihady Arintany Mitokona Ho Ao Anaty Aterineto Ny Tolony
Mba hanomezana hery ny tolon-dry zareo, nampiasa ny tambajotra sosialy ireo Espaniola mpihady arintany manao fitokonana noho ny fanapahana ny famatsiam-bolan'ny sehatra misy azy ireo. Topazo maso ny fomba nataon'ny sasany tami'ireo mpiasa ka nitondran-dry zareo ny tolony ho ao amin'ny Facebook, Twitter, ary ny tranonkala manerantany.
Thailandy: Maty Tany Am-ponja Ilay Lahiantitra Voampanga Ho Naniratsira Fanjakàna
Notanana am-ponja nandritry ny 20 taona tao Thailand i Akong, lahiantitra iray 61 taona noho izy nandefa sms maro nambara ho naniratsira ny fianakavian'ny mpanjaka. Maty izy andro vitsivitsy taorian'izany. Nanakiana ny governemanta ny vondrona miaro ny zon'olombelona noho izy tsy nanaiky namotsotra an'i Akong izay voan'ny homamiadana.
Rosia: Tolotra Amin'ny Finday Hampifandraisana Ireo Mpandeha & Mpitondra Fiara

Tsy mampandany vola sy fotoana ny tolotranà finday anaty aterineto Yeehay! raha mikaroka sy mangataka fiarakaretsaka ianao, ary miteraka vokantsoa amin'ny tontolo iainan'ireo tànana Rosiana feno setroka amin'ny alalan'ny fampifandraisana ireo mpandeha sy mpitondra fiara izay mety tsy nifandray mihitsy raha tsy nisy izany.
Arabia Saodita: Bitsika Hahatsiarovana llay Mpanohitra Voafonja
Taorian'ny fanonganana ireo filoham-pirenena Toniziana sy Ejiptiana, niparitaka ny antson'olon-tsy fantatra hanaovana "Androm-pahatezerana" any Arabia Saodita ny 11 Martsa 2011. Ho valin'izany, nanaparitaka ireo mpitandro filaminana maro tany amin'ireo tanàn-dehibe ny governemanta mba hahazoana toky fa hijanona anaty aterineto fotsiny ihany ny hetsi-panoherana. Lehilahy iray, Khaled Al-Johani, no nanohitra ary voasambotra tamin'io andro ihany. Mivondrona ireo mpampiasa aterineto hanintonana ny saina amin'ny tranga mahazo azy.
Paragoay: Voaongana ny Filoha Fernando Lugo
Araka ny nitateranay azy vao haingana, ny Loholona Paraguayana dia nandany ny fampiatoana ny Filoha Fernando Lugo amin'ny toerany. Ny mpampiasa aterineto dia naneho ny heviny eo amin'ny fivoaran'ny toe-draharaha ankehitriny ; raha ny sasany kosa, miaro io fampiatoana ny filoha io ho ara-dalàna sy araka ny lalàm-panorenana, ny hafa indray dia milaza fa fanonganam-panjakana io.
Sodana : Mpitoraka Bilaogy Iray Hafa Indray No Mbola Voasambotra

Araka ireo tatitra farany, maro ireo Sodaney mpitoraka bilaogy sy mafana fo voasambotra tato anatin'ny andro vitsy...Na dia voasambotra aza i Sanosi sy ireo mafana fo, mpitoraka bilaogy ary mpanohitra maro hafa, tsy ho tahaka izany ireo mpanohitra amin'ny #SudanRevolt.