Yemen: Ozon'ny Herinaratra any Yemen

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona Yemen 2011.

Zon'olombelona fototra ny herinaratra, ny sakafo ary ny rano madio, ary ireo no tena notakian'ny ankamaroan'ny Yemenita efa ela talohan'ny nanombohan'ny revolisiona ary mbola mitohy hatramin'izao. Toa tsy mbola hita ny fiovàna hatramin'ny nanonganana ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh ary toa vao maika niha-ratsy ny fari-piainana eo ambanin'ny Governemanta Iaraha-mitantana. Maro ireo Yemenita no miaina fiainan-tsarotra noho ny fahatapahan'ny herinaratra maharitra ora maro isanandro izay mahakasika faritra maro any Yemen, hatrany avaratra ka hatrany atsimo.

Naneho ny heviny momba ny fahatapahan'ny herinaratra ireo Yemenita mpampiasa aterineto tamin'ny alalan'ny Twitter. Ireo any ivelan'i Yemen kosa dia naneho firaisan-kina raha naneho fahasosorana ireo ao Yemen, anisan'izany ny mpianatra, mpanao gazety ary mpizaha tany.

Yemenita ivelan'i Yemen

Marwan Almuraisy dia namorona tweet tapatapaka:

@almuraisy: If yo.. wa..t to kn..w wha.. ar.. peo..le in #Yemen deman..ing n..w, Ju..t as.. wh..n w..s th.. el..ctr..ci..y ON la..t on..e?

(Raha tianareo ho fantatra ny angatahan'ny vahoaka any #Yemen amin'izao fotoana izao, dia ny hoe oviana ny herinaratra no NANDEHA farany?)

Haitham Al-Shami dia nibitsika hoe :

@HAITHAMshami: Ny ankamaroan'ny bitsika momba an'i #Yemen izao dia momba ny herinaratra avokoa, tsy dia manan-danja loatra ny ambiny, mahasoso*** ny fahatapahan'ny herinaratra

Sana2 Al-Yemen dia nibitsika hoe:

@Sanasiino: Famonoan'olona miadana sady mampijaly ny tsy fanomezana azy ireo herinaratra amin'ny fepetra tahaka izao. Tsy azo ekena izao endrika sazy izao #Yemen

@Sanasiino: Tapaka isaky ny adiny roa ny herinaratra any Aden #Yemen. Roa andro lasa izay dia nisy fihetsiketsehana natao tamin'ny 4 ora maraina rehefa tsy nahazaka ny hafanan'ny alina ny vahoaka

@Sanasiino: TOKONY hodinihana ny olan'ny herinaratra any #Yemen indrindra ny any Atsimo izay betsaka kokoa ny hamandoana sy ny hafanana

Ameera dia nibitsika hoe :

@ameeraymnia: Hoy neny hoe latsaky ny adiny iray monja ny herinaratra mba azony nandritra ny 24 ora farany teo #SANAA #YEMEN 🙁

Navitrika tokoa i Abdulla Althawr nikaroka vahaolana amin'ity resaka herinaratra any Yemen ity:

@abdullaht: Efa mitady ireo rain-dahiny amin'ny “énergies renouvelables” aho mba hanombohana ny orinasako misahana ny hery avy amin'ny masoandro any Yemen! Asa mampidi-bola ho an'ny firenena tsy misy herinaratra

Yemenita any Yemen

Nizara ny fijaliany tamin'ny bitsika ilay mafana fo, Atiaf Alwazir:

@womanfromYemen: androany dia efa hatramin'ny maraina no tapaka ny herinaratra. Nisy inona nitranga INDRAY tamin'ny tariby? #YEMEN

@womanfromyemen: tsy nisy jiro mihitsy izahay nandritra ny 24 ora farany teo, momba izany fotsiny ny resaka ifanaovan'ny mpiray tanàna. #yemen

@wowanfromyemen: tsy nisy jiro hatramin'ny omaly, 6 minitra sisa no afaka ampiasàko solosaina ary ny findaiko efa kely sisa dia ho faty. ka miala tsiny mialoha raha tsy mamaly. #Yemen

@womanfromyemen: mahafinaritra ery rehefa mirehitra tampoka ny jiro ato an'efitra, niverina ny jiro, soa ihany fa mbola tsy resin-tory aho. #Yemen

@wowmanfromyemen: letie! tapaka indray ny #herinaratra 🙁 :* .. Inona koa ny dikan'iny jiro adiny iray monja iny? #Yemen

@womanfromYemen: #Yemen: ireo izay mila “dialyse rénale” matetika dia voadona mafy amin'ity tsy fahampian'ny #herinaratra ity any amin'ny tobim-pitsaboana.

Ny vadin'i Atiaf, Benjamin Wiacek koa dia naneho ny hasosorany:

@Nefermaat: tsy nisy #herinaratra efa ho 14 ora izao (4h ny fitambarany tao anatin'ny 3 andro) izany hoe efa tsisy ilàna azy intsony koa ireo sakafo anaty vata fampangatsiahana, nitsonika daholo !! very fotsiny #Sanaa #Yemen

@Nefermaat:Al-HAMDULILLAH !!!!! vao niverina vao teo ny #herinaratra !!!! amin'ny 3:49 ora hariva izao, ho hita eo indray hoe haharitra hafiriana… #Sanaa #Yemen

Nanao esoeso i Abdulrahman Jaber :

@ARJaber: Jiro adiny iray isanandro … Fandrindram-potoana daholo izany :p #Yemen

Nadia Daar dia nibitsika hoe :

@nadiadaar: Tonga aty #Sana'a #Yemen indray aho, tonga saina mihitsy hoe tsy ifanontaniana intsony izany resaka herinaratra izany tamin'izaho nonina tany DC.

Maysa AlYemen dia nibitsika hoe:

‏@MaysaAlYemen: Fantatrao hoe tafaverina any #Yemen ny namana iray rehefa manomboka mibitsika momba ny herinaratra izy.

Sady nanontany tena i Mohammed Al-Asaadi no naneso ihany:

@alasaadim:Ry Yemenita: Nanome fandriam-pahalemana ho an'ny tanàna ny Al Qaida, tamin'ny vidiny: bit.ly/L0sv86 #Yemen – Azontsika atao ve ny mifanaraka amin'ny Al #Qaida hiarovana ny tambajotran'ny herinaratra?

Nandefa bitsika momba izany olana izany ihany koa i Alaa Isam avy any Aden:

@AlaaIsam: #Jiro any #Aden adiny roa mandeha adiny roa maty #Herinaratra #Yementatsimo #Yemen #yf #hell

Mpianatra

An-jatony maro ireo mpianatra any Yemen no tezitra noho ny fahatapahan-jiro isanandro, amin'ny herinaratra adiny roa monja na latsaka, izay nahatonga azy ireo ho voatery mianatra amin'ny fahazavan'ny labozia, ary nanao  fihetsiketsehana.

@womanfromyemen: in-telo aho fara-fahakeliny no naheno ity androany “amin'ny fomba ahoana no ianaran'ireo zanako ho an'ny fanadinany raha tsy misy herinaratra?” #Yemen

@GhadaYemen: @WomanfromYemen Na talohan'ny krizy taty  #Yemen aza, efa nisy foana ny fahatapahan-jiro mialoha sy mandritra ny fanadinana farany. Fitondràna adaladala

Afrah Nasser dia nibitska lahatsary iray navoakan'i osanboairan, izay mampiseho ny hasarotam-piainan'ireo mpianatra mandritra ny fahatapahan-jiro any Yemen Atsimo:

@Arfahnasser: Amin'ny jiro eny an-dàlana ireo mpianatry ny ambaratonga ambony any ‪#Aden‬no no mamerin-desona ho an'ny fanadinana farany noho ny fahatapahan'ny herinaratra any an-tranony http://youtu.be/HRP82T88sv8

Mpanao gazety vahiny, mpifindra monina ary mpizaha tany

Dana Moss, mpikambana mpanorina ny Tetikasa Fandriampahaleman'i Yemen , izay mitsidika an'i Yemen amin'izao fotoana izao, dia nibitsika hoe :

@YPPDana: miara-mikonaina na mihoraka eny an-dàlana ny vahoaka rehefa tapaka ny herinaratra na mandrangitra azy ireo rehefa mirehatra mandritra ny minitra vitsy  #yemen

@YPPDana: Izao no olan'ny herinaratra ratsy indrindra nolalovantsika taty #yemen na dia teo aza ny fahatapahana matetika tamin'ny '09, '10 @YemenPeaceNews

Ferdinand Carvajal, “consultant” ho an'ny fikambanana tsy miankina ao Yemen, dia nandefa bitsika hoe :

@CarvajalF: herinaratra mandeha mandritra ny ora 2, tonga dia tapaka raha vao  nambara fa mpandresy tamin'ny fifidianana tany #Ejipta i Morsi ..maizin-kitroka indray …#yemen

Nibitsika ilay mpanao gazety Iona Craig:

@ionacraig: efa ho vonona hiady ho an'ny herinaratra aho izao: Telo no maty tany #Yemen tamin'ny fifandonana momba ny herinaratra: bit.ly/KTLQfK

@ionacraig: Adiny 11 tsy misy herinaratra & sady manisa: MT @Nefermaat: Orana + rivo-mahery + tsy misy herinaratra + asa tokony atao + Alakamisy = ……. ? #Yemen

Journalist Adam Baron nibitsika hoe:

@adammbaron: ry herinaratra: miala tsiny aho tamin'izay ratsy rehetra nataoko anao, ka tsy hanao tsinontsinona anao intsony. mba miverena aty amiko.

Andraikitry ny governemanta

Maysa AlYemen dia nibitsika momba ilay lalaon'ny fanilikilihan-keloka:

@MaysaAlYemen: ny ministry ny angovo manameloka ny fitondràna teo aloha noho ny #fahatapahanjiro.Ny fitondràna teo aloha manameloka ny fitondràna vaovao amin'ireny. Ary eto izaho mibitsika an'ity amin'ny hazavan'ny labozia #Yemen

Nibitsika ny minisitry misahana ny zon'olombelona, Rtoa Hooria Mashhour :

@Hooria_Mashhour: mandeha izao ny fikarakarana asa ratsy amin'ny fanimbàna ny fantsom-pitanterana solika sy entona ary ireo tariby an'ny herinaratra mba hanakanana ny governemanta tsy hanatontosa ny tetikasany #yemen

Mohammed Albasha, mpitondra tenin'ny Masoivohon'i Yemen any Washington DC, dia nanampy:

@Yemen411: Farany: handefa miaramila maro ny Sampana misahana ny Fitandroana filaminana any #Yemen mba hiaro ny fotodrafitrasan'ny herinaratra sy ny solika

Fanampim-baovao ofisialy momba ny olan'ny herinaratra

@YemeniPrinz: Miantso fiaraha-miasan'ireo foko ny  kabinetra Yemenita mba hiarovana ireo tariby mitondra herinaratra – Yemen Post: Miantso fiaraha-miasa ny kabinetra… bit.ly/MLuU6V #yemen

@NasserMaweri: #Yemen | Minisitry ny Angovo: ny fanimbàna sy fisomparana dia misy ambadika politika yemenpost.net/Detail1234567

@NasserMaweri: FARANY!!!! Miasa ihany ny farany ilay Toby foibe mpamatsy herinaratra any Yemen yemenpost.net/Detail1234567… #Yemen #Blackout

Fanehoan-kevitra farany:

Mibitsika i Sam Waddah hoe :

@SamWaddah: Any ‪#Yemen‬ ihany, ireo zo fototra tahaka ny rano, herinaratra, sakafo ary fanabeazana dia nanjary nofinofy izay sarotra tanterahiaa ho an'ny vahoaka!

Manampy izy:

@SamWaddah: ireo #Yemen-ita miankina amin'ny tenany ho an'ny famatsiana rano, herinaratra, fahasalamàna, fanabeazana, eny fa na ny fandriampahalemana sy ny fiarovana aza! Atao inona ny fitondràna?

Ahmed Khuaga dia nametraka fanontaniana “rhétorique” tamin'ny tweet:

@ahYemen: raha tsy afaka miaro ny tariby mitondra herinaratra ny governemanta dia tsy mila io governemanta io izahay #Yemen

Farany, Atiaf Alwazir dia nanoro ny mety hatao anaran'ny tolona manaraka fanao isaky ny zoma isan-kerinandro:

@womanfromYemen: المفروض ان نسمي الجمعة القادمة جمعة “أين الكهرباء يا حكومة الوفاق؟” #اليمن “?
Tokony antsoina hoe “aiza ny herinaratra” ny Zoma ho avy izao #yemen

Mba hahazoana sary an-tsaina ny hoe ahoana ny fiainan'ny Yemenita talohan'ny revolisiona ary nahoana izy ireo no nikomy, vakio ity lahatsoratra nosoratan'i Sam Waddah ity. Tsy dia nisy fiovàna loatra hatramin'izao, ny Yemenita sasany manontany tena, ny hafa mbola manantena fa hisy izany fiovàna izany.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona Yemen 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.