Tantara tamin'ny 01 Jolay 2012
Yemen: Ozon'ny Herinaratra any Yemen
Zon'olombelona fototra ny herinaratra, ny sakafo ary ny rano madio, ary ireo no tena notakian'ny ankamaroan'ny Yemen efa ela talohan'ny nanombohan'ny revolisiona ary mbola mitohy hatramin'izao. Toa tsy mbola hita ny fiovàna hatramin'ny nanonganana ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh ary toa vao maika niha-ratsy ny fari-piainana eo ambanin'ny Governemanta Iaraha-mitantana
Kenià: Fifandonanan'ny Olombelona Sy Ny Bibidia Anaty Alan'ny Tanan-dehibe
Ny 20 Jona, ireo mponina feno hatezerana avy ao Kitengela, faritra any ivelan'i Nairobi, dia namono liona 6 nanafika ampolony tamin'ny biby fiompin-dry zareo. Nisy andianà liona nanafika toeram-ponenana kely iray teo amin'ilay faritra ny ampitson'io ka namono osy sy ondry maro. Nitety ny tontolon'ny Twitter izahay hitady ireo fanehoankevitra mahaliana nalefan'ireo Keniana mikasika ilay tranga.