Shina: Noteren'ireo Mpiasam-panjakana Mpanao Kolikoly Hanala Zaza Nefa Efa Tara Loatra

Nieli-patrana  manerana ny fampahalalam-baovao sosialy sy ny sehatra fitorahana bilaogy kiritika ka niteraka fenehoan-kevitra an-katezerana  ny sarinà vehivavy iray tao amin’ny faritanin’i Ankang Shaanxi, ao Shina noterena hanala zaza tamin’ny fotoana efa tara. Mampiseho vehivavy  matory eo ambonin’ny fandriana miaraka amin’ny fatin-janany 7 volana ny sary [Fampitandremana: mampihoron-koditra ny sary]. Nisafidy ny tsy hanivana izany vaovao izany ny governemanta. Ho solon’izany, ny tenifototra  “bevohoka 7 volana noterena nesorina” no malaza hita amin’ny vaovao 10 voalohany amin’ny tranokala fampahalalam-baovao sosialin’ny Sina Weibo.

Tamin’ny taona 1980, nampiditra ny politikan'ny zaza tokana  i Shina izay mametra ireo mpivady marobe tsy hiteraka mihoatra ny  1, nisy kosa ny fepetra manokana maromaro ho an’ny mpivady tambanivohitra, sy ho an’ny olona tsy manana mpiray tampo, ary ny hafa.  Nampiharina izany politika izany eny anivon’ny  faritany  amin’ny alalan’ny fandoavana onitra. Araka ny voalazan’ny lahatsoratra tao amin’ny Radio Free Asia tamin’ny 12 Jiona 2012, niampanga ireo manampahefana misahana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ao an-toerana ilay renim-pianakaviana, Feng Jiame,  noho ny fanerena azy hanala zaza satria tsy nandoa  ara-potoana ny onitra RMB 40,000 (eo amin’ny $6,000 USD).

Na dia mandalo fanadihadiana  aza ankehitriny  ireo manampahefana ao Shaanxi ary na dia efa nanipika  koa aza ny fampahalalam-baovaom-panjakana fa tsy ara-dalàna ny fanalan-jaza taraiky loatra ao Shina ka tokony tsy holeferina mihitsy, nivonton-katezerana hatrany ny mpiserasera, ary nilaza fa efa fanao mahazatra izany paikady  tsy mitsinjo ny maha-olona izany na dia eo aza  ny lalàna.

Chinese family planning poster

afisy naverina navoaka milaza hoe: ‘Ataovy tsara ny asa fandrindrana fiainam-pianakaviana mba hampiroborobo ny fandrosoana ara-toekarena, Zhang Zhenhua, 1986 – navoaka tao amin’ny  Flickr, IISG (CC BY 2.0)

Indreto fanehoan-kevitra vitsivitsy tao amin’ny  Weibo:

@牵手白头kx:#怀孕7月遭强制引产# 类似事情在三秦大地上发生的还少嘛?特别是前几年有计生人员大白天抢粮的,有牵人家耕牛的,还有抢家电.家具的。就跟电影里的日本鬼子进村一样。这就是具有中国特色的社会主义社会呀!

@牵手白头kx:Tsy seho-miavaka ao Shina izany.  Taona vitsy lasa izay, manampahefana misahana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana no nikasa handroba ny vokatra, ny omby vavy, ny fitaovana mandeha amin’ny herinaratra sy ny fanaky ny olona amin’ny andro mazava be nanahary. Sahala amin’ny sarimihetsika mampiseho ny fomba nidiran'ny miaramila Japoney tamin’ireo tanàna kely sinoa (nandritra ny Ady Lehibe Faha-II). Sosialisma miendrika toetra sinoa izany!

@中华飘:#怀孕7月遭强制引产#在强制引产的背后肯定有很多故事。这种用钱去买计划外胎儿的情况在广大的农村地区很常见。传统的传宗接代的观念给我们的政府和计生局的工作人员,我们的人民公仆带来了丰厚的无成本利润。

@中华飘:Maro ny tantara ao ambadiky ny fanalan-jaza an-katerena. Eny amin’ny faritra ambanivohitra, fomba efa mahazatra ny tsy maintsy andoavanao vola vao afaka miteraka zaza hafa indray. Niteraka fanararaotana teo amin’ny manampahefana misahana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana mba  hahazoany tombotsoa ny hevitra ntaolo sinoa amin’ny fihazonana ny isan’ny fianakaviana

@北京奔驰宝马配件商:#怀孕7月遭强制引产#及时给钱就能生,不给就就的死,拿钱买命,看来中国的计生委是管生死符的,是阎王殿。何况这些钱收到又跑到谁的腰包呢?现在知道中国贪官为何这么多了吧。如此恶劣的行径在中国处处皆是尤其是偏远乡村,中国的计划生育政策是对中国无人权的再次验证

@北京奔驰宝马配件商:Raha afaka mandoa vola ara-potoana indray ianao, afaka ateraka tsara ny zaza fa raha tsy izany dia maty . Vola ho takalon’ny aina. Mitantana ny aina sy ny fahafatesana ny birao misahana ny fandrindrana  fiainam-piavana sinoa, izy no tempolin’i Yama.  Mankaiza avokoa ny vola rehetra? Ankehitriny,  fantatrao ny antony mahatonga anay manana manampahefana maro mpanao kolikoly . Hita n’aiza n’aiza izany fanao izany, indrindra eny amin’ny tanàna somary lavitra, nampiseho indray ity politika ity fa tsy manaja ny zon’olombelona i Shina.

@岽鎏芝罘:#怀孕7月遭强制引产#从八十年代至今像这样残忍地杀害了多少无辜生命?多少家庭为此家破人亡?多少育龄妇女得乳腺癌、子宫癌、子宫肌瘤?多少怀孕妇女被强制打胎人流?多少官员借肆无忌惮滴机搜刮民财?杀人合法化案例历历在目,亿计的生命啊!历上最没有人性的政策!

@岽鎏芝罘:Nanomboka tamin’ny taona 80 (ny fiandohan’ny politika momba ny zaza tokana) mandraka ankehitriny,  firy no isan’ireo aina tsy manan-tsiny nafoy? Firy ny isan’ireo fianakaviana rava? Firy ireo vehivavy mijaly noho ny homamiadan’ny nono sy ny tranon-jaza? Firy ireo vehivavy noterana tsy maintsy hanala zaza? Firy ireo mpiasam-panjakana nanararaotra nandroba ny volam-bahoaka? Famonoana aina an-tapitrisany ara-dalàna io,  ny politika manitsakitsaka ny zon’olombelona mbola tsy nisy toa azy teo amin’ny tantara

@唯一__Single:#怀孕7月遭强制引产#不可原谅,计生委不是一次两次是经常干这种事情!可恶的是中国法律惩罚不了,难怪有钱的中国人都要去外国!

唯一__Single: Tsy azo ekena. Tsy tranga miavaka izao. Mpitranga matetika ny karazan-javatra toy izao saingy  tsy vitan’ny lalàna sinoa ny manafay ireny fihetsika ireny. Izany no antony mahatonga ireo mpanankarena mandao an’i Shina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.