Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana ao Ejipta Taona 2011/2012.
Mohamed Morsi no voatendry ho filoha vaovaon'i Ejipta. Tsindrian-daona ireo mpiondana aterineto miandry izay ho fanambaran'ilay filohan'i Ejipta manaraka.
Ahmed Shafiq, praiminisitry ny filoha teo aloha Hosni Mubarak, no niatrika ny mpirotsaka avy amin'ny Firahalahiana Silamo, Mohamed Morsi, tamin'ny hazakazaka farany.
Efa namoaka ny eritreriny talohan'ny nanambaràna ny vokatra aza i Hossam Eid [ar]:
Farouq Sultan, filohan'ny Kaomitim-pifidianana, dia nanao kabary lavabe talohan'ny fanambaràna ny vokatra, niteraka fihomehezana teny anivon'ireo mpiondana aterineto.
Haisam Yehia mivazivazy hoe :
Hoy i Basem Fathy ho setriny :
فاروق سلطان رئيس لجنة الانتخابات بيحيي فاروق سلطان رئيس المحكمة الدستورية على احكامه التاريخية
Ary vao mainka nampihomehy bebe kokoa i Robin Wigglesworth rehefa nibitsika hoe :
@RobinWigg: Niandrandra azy hanomboka hanome antsipirihany ireo vatom-pifidianana nofoanana sy natao ho toy ny fetam-pakonà shesha tao Port Said.
Lavitry ny vazivazy, tsy misy tokony hihomehezana ho an'ireo Ejiptiana. manamarika i Pakinam Amer hoe :
@pakinamamer: Isaky ny miteny ny hoe “ra2ees” ilay mpanao fanambaràna (amin'ny fotoana rehetra) midobodoboka be ny foko. #LOL #Egyelections
Amal Ghandour manontany hoe :
@amalghandour: Oh, nahoana, nahoana, nahoana, tsy maintsy miaritra kabary malaza foana ve isika alohan'ny hahatongavantsika aminà teboka iray misy rà mandriaka. #Egypt.
Ary mikiaka i Sara Hussein hoe :
@sarahussein: OH TAIRO E, AVOAHY NY VOKATRA #EGYPT’
Jack Shenker manampy hoe :
@hackneylad: Oay letyyee, eny an-tànan'ireo ‘clichés’ an'arivony sy mpiasa am-birao mitapy no hiala aina ny revolisiona amin'izao fandehany izao #Egypt
Avy any Tahrir, Evan Hill mitatitra hoe :
@evanchill: Sorena mafy tokoa ny tsirairay ao tahrir, eny an-tampon-doha ny tànana nandritra ity fitarihan-dresaka ity.
Aza misaraka aminay mba hahazo fanehoan-kevitra misimisy kokoa avy any Ejipta.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana ao Ejipta Taona 2011/2012.