- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Voasakana Nandritra Ny Fotoana Tsy Maharitra Ny co.jp, Ilay Sehatra Sangany Amin'ny Firaketana Anarana

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

Nosakanan'ny Great Firewall Sinoa mihoatra ny 30 ora ilay sehatra sangany amin'ny  firaketana anarana, co.jp ny 15 Jona ka hatramin'ny 16 Jona. Ity no fotoana voalohany nanakanan'ny GFW sehatra iray sangany toy izao.

Araka ny Yahoo! Japan [1] [jp], naharitra 1.5 andro izany fanakanana izany ary tsy nisy fanazavana avy amin'ny antoko Sinoa mihitsy momba ny antony nanakanana sy nanalàna ny sakan'ilay sehatra, co.jp. Nanomboka ny alin'ny 15 Jona izany fanakanana izany.

Milaza [2] [zh] ilay mpitoraka bilaogy, William Long fa tsy voakasik'izany ny vohikala Japoney mampiasa mba hiraketany ny anarany ny .com (tahaka ny www.asahi.com) sy ny.jp (tahaka ny china.kyodonews.jp). Nivazivazy ireo mpampiasa aterineto fa ny fanakanana ny co.jp dia mety ho famaliana faty ho an'ny yomiuri.co.jp tamin'ny fanaparitahany ny vaovao milaza fa voasambotra ny ray namorona ny Great Firewall, Fang Binxing, tamin'ny Aprily. Na eo aza izany, nino i William Long fa fahadisoana ara-teknika fotsiny izany.

Naka sary ilay hafatra famerenana miditra ny aterineto ny isun affairs rehefa nitsidika ireo vohikalan'ny co.jp ny 16 Jona: