- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Espaina: Nitory ny Banky Bankia Ireo Tafintohina

Sokajy: Eoropa Andrefana, Espaina, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

[Amin’ny teny espanola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana]  Vitany ihany nony farany , haingana tsy araka ny nanampoizana azy. Nametraka  fitoriana [1]  tao amin’ny Audiencia Nacional  [2]ao Madrid ny hetsiky ny 15M, noho ny fanaovana hosoka tamin’ny kaonty sy fisolokiana, entina hanenjehana ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Bankia, ka anisan’ny voarohirohy amin’izany ny  filoha teo aloha Rodrigo Rato, ny minisitry ny Toekarena espanola teo aloha sady tale  jeneralin’ny  FMI teo aloha.

Nitaky ny fanasaziana an-tranomaizina, ny fandraràna tsy hanohy ny asa sy ny  fanagiazana ny fananan’ireo mpikambana tao amin’ny filankevi-pitanan'ny banky tamin’ny fotoana nidirana tamin’ny tsenambola (borsa), volana jolay 2011, ny fitoriana napetraka tamin’ny anaran’ny mpametra-bola madinika miisa 13.

Na dia napetraka tamin’ny fomba ofisialy amin’ny maha-hetsika manokana azy aza ny fitoriana mba hisorohana ny onitra aminà miliara”, sokajiana ho toy ny “hetsi-bahoaka manohitra ny banky ihany satria olona an’arivony no mandray anjara amin’izany” araka ny fanazavana avy amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fitsarana. Nanaporofo ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety nokarakarain’ny hetsika 15MpaRato [3] fa manana endrika iombonanan’ny maro ny hetsika. Nahitana ny fahatongavan’ireo vondrona 15 M (Ireo Tafintohina) isan-karazany tao  Madrid, izay manohana sy miaro ny fitoriana , tahaka ny los Iaioflautas [4], ny Plataforma Auditoría Ciudadana de la Deuda [5]Plan de Rescate Ciudadano [6] na X.net [7].

Iray tamin’ireo niharan’ny fisolokiana, ity olona iray 62 taona, nanambara nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety fa : “Napetrako tao amin’ny Bankia ny tahiriko ary tsapako avy eo fa voasoloky aho. Tsy hitako tao amin’ny rakibolana ny fiteny  hanehoako ny fahoriana  mahazo ahy ankehitriny”. 2 500 ireo olona nanaraka ny fihaonana mivantana tao amin’ny tranokalan-dahatsary Bambuser [8].

Notohanana sy narahina akaiky ary noresahina tao amin’ny Twitter  tamin’ny alalan’ny tenifototra #Ratoencerrado [9] ny fitoriana napetraka, kilalaon-teny ahitana ny anaran’ny filohan’i Bankia teo aloha, Rato, sy ny fiteny “aquí hay gato encerrado”ny tenifototra #Ratoencerrado [9]. Miresaka momba ny finiavana hitondra an’i Rato eo anivon’ny fitsarana izany [tenifototra], sy ny tsy fisian’ny mangaraharana momba ny kaonty sy ny fitantanan’ny antoko. [ NdT : Ny fiteny “aquí hay gato encerrado” dia midika amin’ny teny frantsay hoe “il y a anguille sous roche” « misy amalona ao ambanin’ny vato ».  Amin’ny  dikany tena madio, midika hoe “misy saka mihidy”, izany no nahatonga ny tenifototra Ratoencerrado, na Ratohidiana.]

Nanjary lohahevitra malaza tao Espaina sy izao tontolo izao tao anatin’ny  fotoana fohy  ny tenifototra nivoaka tamin’ny 14 jiona, tamin’ny 10 ora tao amin’ny Twitter.


Indreto sombina sioka nivoaka nandritra ny marainan’ny 14 jiona:

@fanetin:  [10] Hetsika lehibe anio manohitra ny tsy fisaziana ny banky, napetraka ny #QuerellaPaRato [11]. Manohitra an’I  #RatoEncerrado [12] avokoa ny rehetra

@bufetalmeida:  [13] #RatoEncerrado [12] Amin’izao tontolo izao ao anatin’ny 7 minitra izay ny fironana 🙂

@tempestaddepvc:  [14] #RatoEncerrado [12], ary tsy amin’ny fotoana fohy ihany [midika ihany koa hoe « fotoana » ny Rato”] 

@DoctoraLecter:  [15] #RatoEncerrado [12] Miaraka aminy ny meloka rehetra tamin’ny krizy izy. Tsy hahita filaminana isika raha tsy hoentina eo anatrehan’ny fitsarana ireo mpanao politika sy ireo tompon’andraikitra lehibe tao amin’ny banky.

@Howard_Klenex:  [16] Ho an’i #RatoEncerrado [12]

@juanenruta:  [17] #RatoEncerrado [12] miaraka amin’ireo nangalatra ny hoavintsika 20 taona

@AdelardoVah:  [18] Vakio ny lisitry ny Fironana Twitter,  mahita fehezanteny hoe #SoyFelizCon [19] #RatoEncerrado [12] Hafahafa tokoa izany

@ErFilos:  [20] Mahafinaritra ahy hatrany ny ataon’ny #15M [21] mba hanova ny orinasa, sy ny firafitra.

#RatoEncerrado [12] raha toa ka mamoaka zavatra mahabe fanantenana !

@pedro_paramo_c:  [22] #Islandia [23], modely nisoko mangina sy nafenina : ohatra ho an’izao tontolo izao (na ny fahefan’ireo mpikambana amin’ny lapoaly #RatoEncerrado [12]

@iaioflautas:  [24]Dia miverina. Madrid mankany amin’ny paradisa, fitoriana an’i Rato, ho vitantsika izany  #RatoEncerrado [12] #iaioflautasontheroute [25]

Lehibe ny andraikitra sahanin’ny fampahalalam-baovao sosialy  tamin’ny fanentanana. Araka ny fanamarihana avy amin’ny mpikambana ao amin’ny vondrona, hatramin’izay nampahafantarana ny hetsika tamin’ny alalan’ny  tenifototra #15MpaRato, tamin’ny 23 mey lasa teo, “naharitra ny fahombiazana tao amin’ny tambazotra sosialy”.

Nanjary lohahevitra malaza ao Espaina ny tenifototra rehetra nalefa tao anatin’ny 15 minitra monja, ny sasany nalaza teo anivon’ny iraisam-pirenena mihitsy. “Tsy afaka notontosaina ny fanentanana raha tsy misy ny tambazotra, satria ity no fitaovany  no sady mpitondra-teniny. Nampiseho ny fahamatoran’ny hetsika 15M izany, izay miara misalahy  amin’ny fomba miaraka” hoy ny mpikambana iray tao amin’ny hetsika nanazava.

Indreto ny filaharan’ireo hetsika sy ny marika :

23 mai #15MpaRato, nalefa ny fanentanana.

29 mai  #AcciónpaRato, nentanina ireo mpiara-miombon’antoka mba hanatevin-daharana amin’ny fitoriana

1 jiona #iaioflautaspaRato; nikarakaraha hetsi-panoherana manerana ny  succursale samihafa an’ny Bankia ireo antoko mivondrona ao amin’ny Iaioflautas

4 jiona #querellapaRato; nambara [26] ny fametrahana ny “fitoriana voalohany nataon’ny olona tamin’ny banky”

5 jiona #Ratofunding; nokarakaraina ny crowdfunding [27] mba hanangom-bola handoavana ny fitoriana napetraka. Marobe tokoa ireo fanomezana ka hatramin’ny tranokala fandraisana goteo.org [28]. Ny tanjona tamin’izany dia ny hanatratrarana lelavola 14 000 euros, kanefa 18 000 euros no voahangona tao anatin’ny 24 ora monja na dia teo aza ny fahatapahan’ny tranokala nandritra ny 15 ora.

6 jiona #AporRato; nitohy hatrany fanentanana.

12 jiona #UnRatoalaSombra, nampahafantarina ary naparitaka ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety [29] est présentée et diffusée.

14 jiona #RatoEncerrado, napetraka tao Madrid ny fitoriana.