- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Niparitaka Ny Laza Adina Bakaloreà

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fanabeazana, Mediam-bahoaka

Naneho ny fahatezerany ny mpiserasra noho ny fiparitahan’ny laza adina Arabo amin’ny fanadinana bakaloreà nasionaly.  Nivezivezy tao amin’ny Facebook sy Twitter ny filazana fa nametra-pialana ny minisitry ny fampianarana saingy nijanona ihany izany taty aoriana. Nanapa-kevitra ny Minisitera fa hampanaovina fanadinana vaovao ny kandidà ka tsy hanadinana ny laza adina efa niparitaka, nahemotr’izy ireo arak’izany ny fanadinana sisa ambiny mba hanadinoina ity resaka laza adina niparitaka ity sy noho ny fahatahorana ny mety mbola hisian’ny laza adina miparitaka. Nitsikera ny governemanta noho ny laza adina niparitaka sy noho ny fiparitahan’izany manerana ny firenena ny mpiserasera.

[1]

"Tsy nahomby ny fikarakaran’ny governemana ny fanadinana bakaloreà. Sarin’ny Revolisiona Toniziana 14-01-2011

Izaho ihany nisioka tamim-pivazivaziana ka nilaza fa nanafaingana ny fiparitahan’ny laza adina ny fanamboarana tetezana goavana ao Tonis:

@salamboo [2]: Tu as passé ton bac? Non c'est plus possible en #Tunisie depuis qu'on a construit le pont de Rades!!!

Niatrika ny fanadinana bac ve ianao ? Tsy mety intsony izany aty #Tonizia hatramin’izay nanamboarana ny tetezan'i Rades!!!

Hoy indray izy nilaza  fa tsy ny laza adina Arabo ihany no niparitaka fa ny laza adina rehetra:

@salamboo [3]: Le bac c'est pas une fuite c'est un déluge. Tous les sujets pas uniquement l'épreuve d'arabe #Tunisie

Tsy hoe vaky [niparitaka] ny bac  fa tena safo-drano mihitsy. Ny laza adina rehetra fa tsy ny laza adina Arabo ihany [no niparitaka]

Mpiserasera KFRS nisioka hoe:

@Artkore_ [4]: On me Signale dans l'Oreillette que Le Sujet d'Anglais du #Bac est en Circulation sur FB #Tunisie

Nisy nilaza tamiko tsilia-tsofina fa mivezivezy ao amin’ny Facebook ny laza adina Anglisy #Bac

Emna Ben Achour nitsikera ny governemanta ka nilaza hoe:

@EmnaBA [5]: Le #TnGov frappe encore très fort, fuite dans le devoir d'arabe du #BAC !! Incompétents ils le sont et le resteront #Tunisie #Troika #fb

Mbola mamely mafy ihany governemanta Toniziana, tafavoaka mialoha ny laza adina Arabo amin’ny fanadinana bakaloreà!! Tsy mahay (vendrana) izy ireo ary ho toy izany foana

Mejdi Mt nanamarika tamin’ny fiteny feno fahakiviana:

@ElMillonario_MM [6]: Pourquoi on s'étonne d'une fuite au bac quand on a tout un pays qui fait sa fuite en arrière.. #tunisie #tngov #bac #bac2012

Nahoana isika no manontany ny amin’ny anton’ny fivoahan’ny laza adina bakaloreà raha toa ka mivoaka mihemotra ihany koa ny firenena manontolo.

Esorina ny Minisitry ny Fampianarana?

Nisy ny tsaho niely tao amin'ny tambazotra-sosialy fa nametra-pialàna ny Minisitry ny Fampianarana.

Mpiserasera Aymen nisioka hoe:

@Aymennee [7]: Selon RTCI y'a rien sur la démission du ministre de l'éducation et la personne derrière la filtration a été identifiée #Tunisie #BAC

Araka ny voalazan'ny RTCI, tsy nahitana na inona na inona ny mikasika ny fametra-pialàn'ny Minisitry ny Fampianarana ary efa fantatra kosa ny olona tao ambadiky ny famoahana ny laza adina

Nanazava aho:

@salamboo [8]: selon le gouvernement l’incontinence n'est pas une raison valable de licenciement #bac #Tunisie

Araka ny nambaran'ny governemanta, tsy ny fiparitahan'ny laza adina no tokony antony mahavoaraoka #bac #Tunisie