Tantara tamin'ny 19 Jona 2012
Espaina: Nitory ny Banky Bankia Ireo Tafintohina
[Amin’ny teny espanola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana] Vitany ihany nony farany , haingana tsy araka ny nanampoizana azy. Nametraka fitoriana tao amin’ny Audiencia Nacional ao Madrid ny hetsiky ny 15M, noho ny fanaovana hosoka tamin’ny kaonty sy fisolokiana, entina hanenjehana ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Bankia, ka...
Etazonia: “Shooting Blind”: Fijerena Aminà Maso Hafa
Isaky ny Talata, misy andianà mpaka sary manana olana amin'ny fahitàna mifamory foana ao Manhattan, New York City, mivondrona eo ambanin'ny vondrona antsoina hoe Seeing with Photography Collective. Zarainay ny sasany amin'ireo sary mahazendana avy amin'ireo mpikambana ao anatin'ilay fiaraha-mientana.
Tonizia: Niparitaka Ny Laza Adina Bakaloreà
Naneho ny fahatezerany ny mpiserasra noho ny fiparitahan’ny laza adina Arabo amin’ny fanadinana bakaloreà nasionaly. Nivezivezy tao amin’ny Facebook sy Twitter ny filazana fa nametra-pialana ny minisitry ny fampianarana saingy nijanona ihany izany taty aoriana. Nanapa-kevitra ny Minisitera fa hampanaovina fanadinana vaovao ny kandidà ka tsy hanadinana ny laza adina...
Oman: Mitohy Ny Fanenjehana Mpikatroka Ny Zon'olombelona
Iray amin'ireo firenena tsy dia mahasarika loatra ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena sy ny fikambanana samihafa i Oman. Hatramin'ny niandohan'ilay antsoina hoe “Lohataona Arabo” tamin'ny taona 2011, nanjakan’ny fihetsiketsehana marobe mitaky fanovana eo amin’ny karama, ny fitsarana ary ny firafitry ny politika ny tao Oman. Tamin’ny herinandro lasa, nampiseho ny anaran’ireo telo...