- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita : Ny Fahafatesan'ny Printsy Mpandova Fanjakana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Mediam-bahoaka, Politika

Nambara fa maty omaly tany Geneve, Soisa ny Printsy mpandova fanjakana avy ao Arabia Saodita, 79 taona. Nayef bin Abdulaziz Al Saud [1], izay minisitry ny atitany fahavelony, no voatondro ho Printsy handova ny fanjakana taorian'ny nahafatesan'ny rahalahiny Printsy Sultan bin Abdulaziz [2] valo volana lasa izay.

Ny Fandevenana

Ny 17 Jona no tonga ao amin'ny Fanjakana ny vatana mangatsiakan'ilay printsy mpandova. Natao tany Makkah ny vavaka fanao rehefa fotoam-pandevenana, taorian'ny vavaka maghreb (fanao rehefa mody masoandro).

Niteraka onjam-panehoan-kevitra maro teny anivon'ireo Saodiana mpiondana aterineto na tsia ilay fahafatesana, ka tanatin'izany no nanambaran'ny sasany ny alahelony ary ny hafa kosa ny hafaliany. Ireto ambany ireto ny sasany amun'ireny fanehoan-kevitra ireny.

Handry Am-Piadanana Anie Ianao

[3]

Ny Printsy Nayef nodimandry miresaka amin'ny Printsy Salman. Sary nozarain'i Haifaa Al Nasser ao amin'ny Twitter <a href='http://twitter.com/HaifaaALnasser'>@HaifaaALnasser</a>

@iAbdulmalik [4]: #نايف_بن_عبدالعزيز‬ رحمك الله واسكنك فسيح جناته.
@iAbdulmalik [4]: Hitahy ny fanahinao anie Allah ary handry am-piadanana any an-danitra ianao
@hayagoogle [5]: في سنه واحده يفقد اثنين من اخوانه هم اولياء عهده واعوانه ربنا قد اخذت اعوانه إليك فكن عونا لـ عبدالله بن عبدالعزيز ‎‫#نايف_بن_عبدالعزيز‬
@hayagoogle [5]: Tao anatin'ny taona iray monja no namoizan'ny Mpanjaka Abdullah ny roa tamin'ireo zanany lahy. Homba azy anie i Allah.
@abdullamz [6]: رحمك الله يا ‎‫#نايف_بن_عبدالعزيز‬ … في حياتك طالبت بالاتحاد الخليجي وبعد وفاتك تتجسد هذه الوحدة بحزن ومواساة اهل الخليج اجمع
@abdullamz [6]: Teo amin'ny androm-piainanao dia niantso ny firaisankinan'ny Golfa ianao, ary taorian'ny fahafatesanao dia miray ao anatin'ny alahelo izahay. Allah anie hanome fiadanana ho an'ny fanahinao ry Nayef
@GhadaG [7]: ولله يافي ناس انهم يفذلكون كل شي حتى الموت، بدل مالواحد يسترجع ويشوف وش مهبب بدنياه يتفلسف عالعالم ويتنقد الموتى ! ‎‫#نايف_بن_عبدالعزيز‬
@GhadaG [7]: Ny olona sasany dia manohy miresaka na dia any ambadiky ny fahafatesana aza. Fa alohan'ny hanatsiniany ireo sasany efa nodimandry koa, dia tokony izay vitany aloha no hataony jery todika

Tsia, Tsy Mivavaka Ho Azy Izahay!!

@aofaris [8]: ‫#نايف_بن_عبدالعزيز‬ من يعبد محمد فإن محمد قد مات ومن يعبد الله فن الله حي لايموت دعونا من التطبيل والتهويل وايضاً كفوا عن السب والشماته
@aofaris [8]: Mamela anay amin'ity fanomezam-boninahitra sy fanakianana ity. Efa maty izy izao!
@al_bara [9]: قاتل الله النفاق واللا إنسانية.. ينحر عشرات الأطفال في مجازر وحشية فلا ينبس ببنت شفة، ويموت فلان من الناس فيتباكى وكأن الدنيا انتهت بموته!
@al_bara [9]: Mba karazana tsy firaharahiana ny maha-olona sy fihatsarambelatsihy manakory re ity e? Isanandro dia zaza an'aliny no maty anaty fihetsika feno herisetra sy vonomoka nefa tsy misy olona mba miteny indraim-bava akory.. ary olona iray no maty.. dia manomboka mody mifendrofendro miteomany ny olona tahaka ny hoe mifarana miaraka amin'ny nahafateany koa ny fiainana!!
@RGH0DY [10]: كيف بي أن أذكر محاسن ميت.. شروره لازالت تنبض حتى بعد موته في قلوب الأمهات والزوجات والابناء! دعوا مثاليتكم لكم ودعوني اشارك المظلومين فرحتهم
@RGH0DY [10]: Fomba ahoana no ahafahanao mangataka amiko hahatsiaro izay toetra tsara mba nananany? Mbola mitohy hatrany ireo asan-devoliny na dia aty aorian'ny nahafatesany aza. ireny dia azonao jerena any anatin'ny fon'ireo reny rehetra, cvady sy zanaka lahy! Azafady aza manelongelina ahy amin'ny resaka perfecionnisme any. ary avelao aho hifampizara ny hafaliany amin'ireo rehetra voafonja!

Iza No Ho Printsy Vaovao Ho Mpandova Fanjakana?

Ao amin'ny Twitter, nanohy naminany izay mety ho printsy vaovao ho mpandova fanjakana ireo mpiondana aterineto :

@alabdulkarim0 [11]: بدلاً من كثرة التساؤل عمن سيكون ولياً للعهد، الأفضل أن نتجه للمطالبة بدولة الحقوق والمؤسسات. فهي المطالبة التي ستحفظ المزيد من الاستقرار.
@alabdulkarim0 [11]: Aza ilaozana manontany izay mety ho printsy mpandova fanjakana ho avy eo.. Ny tsara ataontsika dia ny manomboka mitaky ny zontsika. Io no hahamarin-toerana antsika kokoa.
@WaleedMjd [12]: بعد وفاة نايف ومن بعده ووضع البلد الحالي الذي يربط استقرارها بأسرة..ستتفكك الدولة وتنهار إن لم تتجه لإصلاح سياسي دستوري. ‎‫#نايف_بن_عبدالعزيز‬
@WaleedMjd [12]: Taorian'ny nahafatesan'i Nayef, ary ny zava-misy ankehitriny ao amin'ny firenena izay itarafana ny firenena iray manontolo ho toy ny fianakaviana iray.. hokorotsaka ny firenena raha tsy hoe misy politikam-panavaozana  ny lalampanorenana angaha.
@Mashi9a7 [13]: يكاد يكون الأمير سلمان هو الأبرز في خلافة الأمير ‎‫#نايف_بن_عبدالعزيز‬ في ولاية العهد، ولكن الترشيحات تتعدد في من سيتولى منصب وزارة الداخلية
@Mashi9a7 [13]: Ny Printsy Salman no azo antoka ho printsy manaraka eo amin'ny fandovàna, kanefa, be ireo fanendrena mitodika mankany amin'izay ho minisitry ny atitany.