Vaovao mampalahelo hatrany rehefa fahafatesana, saingy tsy izany no fahatsapan'ny ankamaroan'ny Yemenis maro teo ampandrenesana ny vaovao mikasika ny nahafatesan'ny Printsy Saodiana mpandova fanjakana Nayef bin Abdulaziz Al Saud.
Prince Nayef no olona niandraikitra ny ” fitsinjaram-pahefana tao Yemen” taorian'ny nahafatesan'ny Sultan mpandova ny fanjakana ary izy no voalaza fa nahavita nitàna izany tamin'ny sandriny mahery. Izy no voahendrikendrika ho nanao izay nikisahan'ny Al-Qaeda avy ao Arabia Saodita ho any Yemen ary tanisaina ao anaty Wikilieaks ho nilaza fa firenena tsy mankaiza i Yemen :
@wikileaks: #KSA Printsy Nayef ho an'ny Masoivoho Amerikana : “Firenena tsy mankaiza i Yemen izay tena, tena, faran'izay tena mampahatahotra indrindra.” http://bit.ly/o3uM3O #Yemen
Genny Hill, mpiara-miombona antoka ao amin'ny Chatham House, izay mitantana ny Seha-pifanakalozan-dresaka Yemen Forum, dia nanamarika hoe :
@ginnyUK Ahiako hoe ny Printsy mpandova fanjakana Nayef no mpanohana matanjaka an'i Ali Mohsin any Riyadh #Yemen
Ireto manaraka ireto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra avy ao Yemen.
Atiaf Alwazir nibitsika hoe :
@WomanfromYemen: Maty ny Printsy #Saodiana mpandova ny fanjakana, Nayef – hisy fiantraikany maro eo amin'ny fiarahamonina #Saodiana & sy ny mpiray vodirindrina aminy #Yemen & #Bahrain izany http://www.guardian.co.uk/world/2012/jun…
Brooj Alamary nanampy [ar]:
اعزعملاء المملكة من مشائخ وقيادات عسكرية وبائعين اراضينا ومتاجرين يأعراضنا بوفاة ولي العهد ورب نعمتهم ومشبع جوعهم .. جزع نائف وبقي المرتزقة
Nampiany hoe :
Henjana kokoa ny fanehoan-kevitra izay nobitsihan'i Amr Badr :
Tamim-panesoana i Mai Saleh no nanamarika hoe :
Sam Waddah nibitska hoe :
@SamWaddah: Faran'izay tena faly aho amin'ny nahafatesan'i Nayef! Tsy mbola faly toy izany aho tamin'ny fahafatesan'OLONA iray! Kanefa, mahatsiaro malahelo mafy an'ireo zaza maty ao #Syria aho miohatra amin'izay tsapako ho an'i Nayef
Ghanem M nibitsika hoe :
يجرى الان التشاور مع الرئيس #هادي حول اعلان يوم حداد في #اليمن على وفاة ولي العهد السعودي الامير نايف بن عبدالعزيز #Yemen
Ary farany dia misy kaonty hosoka amin'ny anaran'ilay Filoha teo aloha Saleh miresaka manaraby an'ilay komity manokana nibitsika hoe :
Voalaza fa ny Printsy Salman no handimby ny Printsy Nayef, izy no ho Printsy vaovao mpandova, ary Printsy Ahmed bin Abdulaziz no hitana ny toeran'ny Minisitry ny Atitany. Ny Yemenis, na izany aza, dia manontany tena ny amin'izay hitazona ny fitsinjaram-pahefana ao Yemen sy ny mety ho fiantraikan'izany ho an'ny firenena.