Ny 7 May 2012 dia nanambara ny sampandraharaha Koreana misahana ny Sakafo sy ny Fanafody fa ny fanafody fampiasa maika ho fisorohana ny vohoka, fantatra amin'ny hoe morning-after pills, na ‘Pilina raisina ny ampitson'iny’ dia ho azo jifaina malalaka. Na izany aza, ireo pilina atelina ho fisorohana vohoka izay namidy malalaka teo aloha dia ilàna taratasim-panafody. Ho an'ny tanora dia mbola ilaina hatrany ny taratasim-panafody ho an'ireo pilina fampiasa maika.
Niteraka resabe teny anivon'ny aterineto ireto fiovàna tampoka teo amin'ny fepetra fomba fahazoana fanafody ireto. Na dia mbola misy aza ny resaka mandeha eny anivon'ny vondrom-piarahamonin'ny mpitsabo momba ny risika sy ny maha-mahomby na tsia an'ireny fanafody fampiasa maika ho fisorohana vohoka ireny, maro amin'ireo Koreana mpampiasa ny aterineto no naneho ny tsy fitovian-keviny amin'izao fiovàna henjana izao. Araka izay voatanisa ao amin'ny lahatsoratra vaovaon'ny Hangyoreh [ko], nanakiana ilay fanapahan-kevitra ireo fikambanana mpiaro ny zon'ny vehivavy sy ireo vehivavy tanora tsy mbola manambady, fanapahana izay mamadika ireo fanafody fisorohana vohoka efa mahazatra ho lasa sarotra dia sarotra.
@redparco , mpampiasa Twitter, dia mampahatsiahy [ko] ny olona mikasika ny fitsaratsarana mahazo ireo vehivavy tsy manambady tonga manatona mpitsabo ara-pananahana ao anatin'ny fiarahamonina Koreama Atsimo, izay mbola somary mpifikitra amin'ny fomban-drazana sy mandray ny lehilahy ho loham-pianakaviana :
유럽은 다들 그렇게 하고 있다는 얘길 하려면 한국에서도 그 나라들처럼 부인과 진료나 사전,사후 피임약의 접근성이 좋아져야지. 한국 미혼 여성들이 사전 피임약 처방 받으러 산부인과 자연스럽게 드나들 수 있는 분위기나 마련하고 할 말이지.
Niala avy any i @marisusa [ko] niaraka taminà tohan-kevitra nitovitovy tamin'izay :
[…] 사후피임약이라는 단어 뉘앙스가 피임책임을 여성 일방에게만 지우는 방식으로 악용될 우려가
ThinkThink, taorian'ny nanasàny namana hafa hanatevin-daharana adihevitra iray, dia naminavina [ko] hoe ilay fiovàna tampoka teo amin'ny politika ity dia manaraka lalan-kevitra amin'ny fikatsahana tombony betsaka ho an-tena fa tsy ny ho fitsinjovana ny fahasalaman'ny daholobe akory. Shin Jae-eun dia nanamarika avy hatrany teo ambanin'ny lahatsoratr'ilay mpampiasa aterineto hoe :
병원처방이 필요해지면 남의 눈 의식하다보니 못가기도 할꺼고 피임률은 줄고 오히려 낙태률이 높아질듯 싶네요[…]진짜 적극 반대네요.
Raha ny ankamaroan'ireo mpampiasa aterineto mampitandrina momba ny loza mety hateraky ny pilina fampiasa maika ho fisorohana vohoka, indraindray manondro azy ireny ho toy ny ‘baomba hormonaly’, ilay mpampiasa Twitter, @__mangmang kosa nibitska hoe [ko]:
사후피임약은 그야말로 ‘응급'피임약이고, 일반의약품으로 전환되는 건 옳다고 생각한다. 그러나 경구피임약(사전 복용)이 전문의약품화되면 10대들, 작은 공동체에 사는 비수도권 여성들의 피임약 구매는 현실적으로 더 어려워질 거다.
Ery ankilan'ireo vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy, ny fiangonana Katolika dia manohitra ilay fanapahan-kevitra. Ny fiangonana Katolika ao amin'ny faritanin'i Chungcheong aza dia nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny tranoben'ny Sampandraharaha misahana ny Sakafo sy ny Fanafody, nampitandrina fa ilay pilina [fampiasa maika ho fisorohana vohoka] dia mety hanimba ny maoralin'ny olona sy hanome lesona ratsy mikasika ny lanjan'ny aina, indrindra fa ho an'ireo adolantsento – tohan-kevitra iray tsy lanin'ireo mpampiasa Twitter marobe.
@symadam5 nibitsika hoe [ko]:
사후피임약 일반의약품 판매로 성문란,낙태조장을 주장하는 가톨릭은 […] 현실감각이 없는건지,이 나라 불법낙태와 해외입양율 보면 이미 최고수준인데 왠 상상력?사전피임못함 사후라도 해야니 긴급,응급피임약인데 72시간내 먹는게 낙태란건 과장이 심해
Ity fanovàna tamin'ny politika mikasika ny fisorohana vohoka ity dia tokony hanomboka hanan-kery amin'ny fiandohan'ny taona ho avy.